20.2.22

Na fanajana zon'olombelona maty na fanajana ny razana, samy tsy hita

 Nahoraka tao amin'ny Facebook indray ilay lehilahy iray maty tampoka teny an-dalana sy ny natao azy. Maro no tezitra satria natao sanatria toy ny fatin-jiolahy na fatin-dahalo no natao azy, nefa tsy hoe nisy ady nahafatesana olona maro koa teto ka raofina amin'ny kamiao ny faty miampantrampatra. Amin'izao fotoana nanoratana eto izao dia 315 ny isan'ny naneho hevitra ary 211 no nizara ity ranty iray ity.


Fony vao nisy nanely izy io dia efa nisy ny nanoratra tao amin'ny Facebook hoe efa nodimandry ilay olona. Te-haneho hevitra aho mba tsy ho haingan-doatra amin'ny fitsarana tahaka izany fa tokony nihazakazahana ny famonjena azy.

Fa iza moa io lehilahy io?

Raha ny tsikaritra dia tsy olonolom-poana ilay olona nodimandry io. Manampahaizana izy ary nanana fahavitrihana ihany koa teo amin'ny tontolon'ny politika malagasy. Tsy re mihitsy kosa anefa izy tao anatin'ny folo taona mahery izao. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana izay nilaozany.

 


Aucun commentaire: