Accéder au contenu principal

Ny raharaham-pampiasam-bola eto Madagasikara

 


(Tsindrio ny sary na eto hijerena ny ao amin'ny rohy Facebook lazaiko, efa tsy navelan'ny mpanoratra hanehoan-kevitra intsony raha nahita azy aho, roa andro monja taorian'ny namoahana ny ranty)

Ao amin'ny fanehoan-kevitra no ahitana ny hevitry ny maro ahatsapana ny mety ho tontolon'ny fihariana eto Madagasikara. Nihevitra ho nimenomenona irery aho hoe misy tsy mety anie izany hetra eto Madagasikara izany raha oharina amin'ny vidin'ny entana amidinao. Tsikaritra araka ny fijerin'ny olona ato fa misy ny karazan'olona omena vahana. Tsy hay hoe mandoa vola any ambadika any ve sa ahoana?

Ny hita aloha raha ny hevitra dia misalasala na tsy manaiky mihitsy ny hampiasa vola aza ny olona. Koa raha ny teratany aza tsy mety hampiasa vola, dia hiditra ve ny vahiny raha tsy mahazo tombontsoa manokana toy ny ampihimamba amin'ny entana iray toy ny hita amin'ny menaka fihinana amin'izao fotoana izao ohatra? Na ho inona na ho inona, raha mbola mitohy izany toe-javatra izany dia tsy mizotra afa-tsy mankany amin'ny fahapotehan'ny firenena izany. Ary dia potika ihany koa ny hoavy...

Mazava loatra ihany koa fa mitodika any amin'izay nataon'ny mpitondra tamin'ny karazan'orinasa nisy teto ny mason'ny mpanara-baovao ary tsikaritra manokana ny zavanisy tamin'ny taona 2009. Inona ary ny vahaolana azo raisina manoloana izany?

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...