Accéder au contenu principal

Tantaram-pitarainako tamin'ny Airtel Madagascar!

 Mpividy fahana aterineto tamin'ny Moov Madagascar aho tamin'ny voalohany mba hiseraserako an-trano voalohany [spécial amin'ny alina fa tsy tadidiko ny anarany]. Dia mpamandrika mandoa serasera "illimité"(?) tamin'ny hosina isam-bolana tamin'ny Telma avy eo. Noho ny fifindrana ambanivohitra dia noterena hamandrika telmanet 30Go tamin'izany izay mitovy sara tamin'ny teo aloha satria mbola tsy tongan'ny hosina telma aty amin'ny toerana misy ahy.

Azo lazaina hoe nety ihany tamin'ny taona voalohany nifindra-monina na dia matetika aza ny tsy fahafaham-po noho ny tsy fisian'ny "tambajotra". Nivadika tanteraka tamin'ny taona faharoa, tsy nahafapo mihitsy, ka zara aza nisy ny "fialako" tao amin'ny PMU nahafahana nanapaka ny fifanarahana tamin'ny 20 marsa 2018. Mba nihevitra, araka ny fangatahako, aho hoe hatramin'ny 31 marsa aho mbola afaka misitraka ilay 30Go isam-bolana izay mbola be ny ambiny tamin'izany saingy tena napoakan-dry zareo ara-bakinteny ny puce tamin'ny 23 marsa 2018 (nipoaka sy nidona-tsetroka mihitsy ny modem). Nanomboka tamin'io fotoana io no niheverako ny telma ho tena ratsy loha ka niezahako nanalavitra io tambajotra io araka izay azoko natao. Tsy manana fitokisana aminy intsony aho.

Nanomboka teo aho no niezaka ny hisafidy ny Orange Madagascar amin'ny fahana aloa mialoha fa safidy fiandry ny Airtel Madagascar. Safidy fiandry ny Airtel noho ny tsy naneken-dry zareo nanova ho 4G ny puce edge-ko tamin'ny Madacom izay laharana tsy tiako ariana mihitsy na dia efa niova ho orange avokoa aza ny laharam-pindain'ny fianakaviana. Fiandry ihany kosa satria tena ratsy ny tambajotra aty aminay raha vao tsy avo toerana ny misy ny Modem. Nalain'ny reniko ny laharana antaris-ko voalohany satria io no laharana ahazoan'ny fianakaviam-be anay ary mbola hazoniny io hatramin'izao fotoana anoratana izao.

Mbola azo nampiasaina ihany ilay modem na dia tsy mety mahazo serasera aza rehefa 3G (satam-pifandraisana tamin'ny nanapoahan'ny telma ny puce tao anatiny). Sady manana puce orange anaovana aterineto fotsiny aho no manana puce airtel 4G novidiana ho amin'io tanjona io hatrany. Azo lazaina fa tena lasa nihafy tanteraka satria tsy mijery lahatsary (video) intsony mba tsy ho mora lany ny fifandraisana. Tsy maharaka intsony izay mahaliana farany ao amin'ny fantsona YouTube... nandaozana ny fahitalavitra ankoatra ny fijerena baolina mivantana na mba tena hijery filma tsindraindray ho fialamboly. Koa aza anontaniana amin'izay vaovaon'ny Netflix na hafa ka mandeha amin'ny aterineto aho fa izay takatro ihany no jereko sy kirakiraiko ary ataoko ho mahafa-po ahy izany.

Tamin'ny fifandimbiasana puce ary dia nampiditra Net Mlay Airtel 1000Ar=150Mo indroa misesy aho tamin'ny 18 janoary 2022 hariva. Tsy mbola nety nahazo aterineto ihany ka dia navadika ho ao amin'ny Modem aloha ny puce Orange ijerena izay voadikan'ny hafa na tokony adika ao amin'ny Global Voices ho amin'ny teny malagasy sy izay vaovao amin'ny tambajotra na Facebook io na Twitter. Nesorina tamin'ny modem noho izany ny puce ary natao tamin'ny finday an-kitendry (keypad phone) tsy misy aterineto.

Rehefa tonga ny marainan'ny 19 janoary 2022 dia navadiko indray ny puce ampiasana ilay Net Mlay mitotaly 300Mo. Akory ny hagagako fa tsy nisy intsony, hono, ny ambiny. Fantatro tsara ny nataoko koa dia nanoratra tao amin'ny 121 aho: (ora nahalasa ny mailaka 09:47:40)
Miarahaba tompoko,
Raha "nividy" net mlay 1000 Ar indroa misesy aho omaly 18 janoary 2021 araka ireto laharana fifanakalozana ireto nefa tsy nety nahazo aterineto mihitsy XXX sy XXX araka ny msg: XXX ka nahatery ahy hanova FAI, raha saika hampiasa ireo amin'izay aho androany 19 janoary 2021 dia kaontin'ny 0 ariary na 0 megaoctet sisa tavela. Niala tanteraka mihitsy anefa ny puce tanelanelan'ireo fotoana ireo. Koa miangavy mba hisitraka ireo fahana tsy nampiasaina fa lany ho azy ireo. Raha nijery ny olana aho dia samy tsy nisy olana ny fitaovana tato an-trano fa mety ho ny any amin'ny relais (any aminareo) no nisy olana tsy maintsy nanaovana re-boot. Koa dia manantena valiny mahafapo avy aminareo.
Jentilisa
 

Ankoatra ny fahazoana valiny avy amin'ny "bot" dia ny 20 janoary 2022 tamin'ny 11:57 no nahazoana valiny nangataka ny laharam-pinday. Asabotsy 22 janoary 2022 tamin'ny 08:12:46 vao nahavaly aho noho ny tsy mba nanopazako maso ny mailaka. Novaliany io tamin'io andro io ihany tamin'ny (15:17):
Miarahaba tompoko,
Araka ny fanamarinana izay nataonay dia tafiditra ny tolotra net mlay 1 000 Ariary roa izay nampidirinao ny 18/01/2021. Maharitra 1 andro kosa ny tolotrantsika ka izay no antony tsy nahafahana nampiasa azy ny 19/0/2021. Mankasitraka indrindra.
 
 
Tsy nahafa-po ahy io valiny io satria mba mamaky tsara ny tolotra aho vao mampiasa azy. Ny alatsinainy 24 janoary 2022 tamin'ny 17:30:09 indray aho vao nahalasa hafatra tao amin'ny 121: Miala tsiny indray raha izao vao manoratra satria izay vao niverina ny jiro rehefa tapaka alahady maraina. Ary izaho nieritreritra raha mahita ny fanondroana hoe "24 heures" no fetra hitako izany hoe tokony ho hatramin'ny fito ora hariva aho no afaka mampiasa azy sa diso io amin'ny tranonkalanareo io?

Ny afaka ampitson'io mailaka io aho, raha tsy diso ny fitadidiako, no nahazo ity hafatra manaraka ity: Miarahaba tompoko, Ialana tsiny indrindra, misy fanamarinana izay ataonay amin’izao mikasika ny tolotra izay novidianao sy ny fahafahana mamerina azy. Miverina aminao izahay rehefa vita ny fanamarinana. Mankasitraka ndrindra. (Mampiasa tsara ny fidinana andalana ry zareo fa izaho no nanaisotra izany).

Rehefa niandry ny tohiny aho dia sady nahazo antso tamin'ilay puce fampiasa aterineto airtel milaza fa efa naverina ny credit no nahazo mailaka tamin'ny 31 janoary 2022 tamin'ny (10:04): Miarahaba tompoko, Taorian’ny fanamarinana izay nataonay dia naverina aminao androany ny fahana 2 000 Ariary nividiananao ilay tolotra. Mamerina ny fialantsiny hatrany izahay. Mankasitraka indrindra. (Mampiasa tsara ny fidinana andalana ry zareo fa izaho no nanaisotra izany). Na tsy nanoratra ny fankasitrahana sy ny fisaorana aza aho tamin'ny mailaka, sady solon'izany izao nosoratako izao, dia efa feno fankasitrahana tamin'ny antso manokana sy ny fahasahiranana noho ny vola 2000 Ariary monja.

Fehin'izany rehetra izany, nampiasaiko ho amin'ny aterineto ihany ilay sara naveriny. Na nisy valiny na tsy nisy ny fangatahako, na nahafapo ahy na tsia ny nataon'ny Airtel Madagascar dia efa nivonona ny hanoratra hatrany ity bilaogy ity aho. Nahay nisafidy tamin'izay nataony ny Airtel ka lasa dokambarotra maimaimpoana ho azy ny lahatsoratro. Mariho fa tsy nisy fiangaviana na ny toy izany mihitsy avy amin'io orinasa io ary tsy haiko na fantany izany jentilisa manoratra ho azy izany na tsia. Ny mahasosotra ahy nefa zary mahazatra dia ny faharaisana SMS hatrany isaky ny amin'ny 00:30 (amin'ny alina matory na mbola manoratra eto iny) hoe lany ny aterineto ka manaova an'izao ho fanavaozana izany indray.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...