Accéder au contenu principal

Ny tsikaritra niainana!

 Raha Antananarivo sy ny manodidina samy nahita ny fiakaran'ny rano. Tamin'iny ihany koa no nahitana ireo hadalan'olombelona rehetra napongatry ny rano. Nihomehezan'ny olona ireo nanorina trano teny amin'ny tanimbary, na ireo olona nanototra tany ny tanimbary dia nananganana fonenana na fiangonana (Ambohimandroso/salanitra). Tamin'iny faritra Ambohitrinimanga iny no nisy nanangana trano tamin'ny faritra tondraka rehefa miakatra ny rano. Mazava loatra fa tsy mponina teny hatry ny ela matoa tsy mahalala izany ka mila mandinika hoe mbola hipetraka eny ve? Raha any Antananarivo anefa toa tsy misy mieritreritra ny toa izany fa dia izay hanorenana trano ihany no mahamaika.

Ny fisesin'ny orana/erika no nahitana fa tafakatra hatramin'ny 3 metatra ambony ny fisongan'ny rano rehefa avy orana. Mety ho mahazatra izany any amorontsiraka atsinanana ohatra (efa nahatsikaritra haavon-drano aho raha nandeha fiara tamin'ny RN2) ary mila misaina izany ihany koa izay olona mihevitra ny hanorintrano ambanivohitra aty afovoan-tany fandrao mora tondraky ny rano ny toerana. Ny tondraka anie tsy maninona loatra raha mampiasa trano misy vararay ny rehetra, araka ny vahaolana efa nalefako tato amin'ny bilaogy ihany. Mbola mametraka an'iny aho fa miandry tsikera avy amin'ny mpahay azy kokoa. Tanatin'ireny orana ireny no mampitobina tsara ny anaran-toerana hoe Anosy (Avaratra) sy/na Anosiarivo hita aty amin'ny manodidina.

Rehefa tondraka ny rano dia nalahelo avokoa ny mpiompy trondro satria vaky ny dobo. Maro ny manararaotra manjono, manihika ary manarato, nefa na dia amin'ireo manao izany aza dia mbola misy ihany koa ny mifangalatra; mangalatra ny haraton'ny hafa satria tsy mijanona miandry ny tompon'ny harato fa lasa mody dia saika haka izay azo rehefa tonga ny maraina. Nisinisy noho izany ny nivarotra trondro araka ny habeny. Tsy dia ahitako rano be manao ahoana aty aminay fa rehefa nisy iny fiakaran'ny rano iny dia mipoitra amin'izay fa hay maromaro ihany ireo mpanjono/mpiompy trondro aty na dia tsy malaza aza izany. Na izaho ihany koa no mety ho tsy dia liana amin'ilay taranja.

Talohan'ny orana izahay tena nijaly rano, vovo no fatsakanay ka lalindalina mihitsy vao midona amin'ny rano ny siny plastika (seau) ary misintona fotaka aza rehefa tsy voadio tamin'ny fotoanan'ny maintany ny vovo. Fa amin'izao fotoana izao kosa tsy mbola nahita rano akaiky toy izany tanaty vovo aho tao anatin'ny efa-taona mahery niainana taty ambanivohitra. Zara raha midina ny tady dia efa heno ny fitobaky ny rano donin'ny siny plastika. Midika izany fa betsaka ny rano.

Eny Andranofotsy kosa (tanimbaribe manelanelana an'Isahafa amin'i Lazaina) efa nidina ihany ny rano, mahazo rano tsara izay somary avo kokoa fa mbola difotra ihany ireo amin'ny ivaiva kokoa. Tsy mavo tahaka ny teo aloha intsony ny rano fa amin'ilay endriny madio. Na izany aza, tsy haiko na mbola ho avotra amin'izany ny vary na tsia... mbola tsy mamoa manko fa mbola vao noketsaina noho ny fahataran'ny orana.

Resaka hafa indray, vantany vao hitan'ny sekoly katolika fa nidina ny rano ary maina ny andro dia nampidiriny nianatra avy hatrany avokoa ny mpianatra. Ry zareo irery no nisokatra raha mbola maka sy manatitra lesona sy devoara kosa ny an'ny sekoly tsy miankina hafa, sady didiana fa tsy maintsy olon-dehibe no maka sy manatitra izany. Ny sekolim-panjakana moa dia manaraka tsara ny daty hoe 31 janoary 2022 indray izany no miditra mianatra ny mpianatra.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...