28.1.22

Loza voajanahary miampy hadalan'olombelona! (+ vahaolana iray amin'izany)

Itsukushima floating shrine
Rdsmith4
, CC BY-SA 2.5, via Wikimedia Commons

Mety hahagaga ny mpamaky ihany ny tsy mba ilazako loatra ny voina mihatra amin'ny firenena (na mihatra amin'Antananarivo?). Raha atao hitsin-dalana anefa dia io voalazan'ny lohateny io no antony: loza voajanahary miampy hadalan'olombelona no mihatra amintsika ary ny tena loza dia manaiky holalaovina ao anatin'ilay hadalan'olombelona isika.

Ny hadalana fototra amin'izany dia ny fikasana tsy hitsinjo izay mahasoa vahoaka fa ny hilalao ny fihetseham-pony amin'ny koba katsaka sy ny ron-tsaramaso mba ilazana fa tena miasa sy mitsinjo vahoaka tokoa. Tsy hanao zavatra raha tsy efa misy kinendry hahazoana tombontsoa manokana izay tsy kely fa mamelona hatramin'ny zafin-dohalika raha sanatria ka tafala eo amin'ny seza fiandrianana.

Mba efa nisy nandray antontanisa sy torohay ve hoe firy isanjaton'ny tra-boina tamin'ny herintaona no niverina ho tra-boina indray tamin'ity taona ity? Firy isanjaton'ny tra-boina tamin'ny herintaona no efa tra-boina tamin'ny roa taona? Ary firy isanjaton'ny traboina amin'izao fotoana no tra-boina hatrany tao anatin'ny folo na roapolo na telopolo taona? Tsy manana ny valin'izany aho fa tokony ho fantatra mihitsy izany hamantarana fandrao ny toe-tsaina mihitsy no efa tra-boina mba hahazoana ilay zavatra baojo kely ao anatin'ny herinandro na tapa-bolana na iray volana.

Mifanindran-dalana amin'izany, efa niomana ve ny tompon'andraikitra fa raha amin'ny toe-javatra iainana eto Madagasikara dia tsy maintsy misy hatrany ny tra-boina noho ny toerana misy ilay olona? Sa fiomanana fa tsy maintsy hisy ny malala-tanana hanome izay foiny ka tsy maintsy mba hisy dipany farafahakeliny mirotsaka any amin'ny kaonty?

Ny fomba fihetsika hita amin'izao fotoana izao no entiko itsarana fa zaran'ny sasany aza tahaka izao hatrany no misy mba hisongadinana ho tsara fanahy eo anatrehan'ny hafa. Raha tena fitsinjovana tsy tokony hisy izany sarin'ny mpitondra mizara sakafo ho aseho haino vaky jery na tambajotran-tserasera hafa izany. Fisehosehoana ho miasa fotsiny izany fa tsy mitory fahombiazana amin'izay atao.

Ny loza voajanahary tsy maintsy misy ary tsy maintsy hisy fa ny fiomanana ho amin'izany no tena fahaizana mitantana? Lahasan'ny mpitondra ny manao izay tsy hisian'ny tra-boina intsony na tena efa tsy fidiny vao misy tra-boina fa tsy isak'izay misy zavatra mitranga dia an'arivony na an'aliny mety ho an'hetsiny mihitsy aza ny isany.


Traghetto-gondola-20050524-009
Gary Houston
, CC0, via Wikimedia Commons

Rehefa maro ny toeram-ponenana maharitra lavitry ny haavo mety ho tondraky ny rano ho an'ireo tra-boina ireo vao mety azo heverina fa efa nisy tokoa ny fitsinjovana ny vahoaka tsy haha-tra-boina azy ireo.

Vahaolana tsotra indrindra hitako, tsy voatery ho ekenareo, fa efa nisy nampihatra hatramin'ny fahagola sy tamin'ny kaontinanta misy mponina rehetra. Satria tsy te-hiala amin'ny toerana misy azy ny olona dia tadiavina ny tokony ho azo atao fa tsy ijerena intsony hoe mahasalama azy na tsia araka ny sainintsika ve, fa efa fomba fiainany hatrizay aza izany. Maninona raha ampiharina ao amin'ny faritra iva ao Antananarivo sy ny manodidina azy akaiky rano na amoron-drano sy honahona ny fananganana trano ambony vararay (maison sur pilotis)?

Misy rahateo ny tanàna ambony rano (cité lacustre) ary heveriko fa mifanaraka tsara amin'ny zavamisy eto ireny. Matetika fotsiny no somary ivaiva ny vararay anorenana trano mbola fahitantsika fa azo akarina tsara ireny, hoy aho. Tsy ho olana intsony amin'izay ny fisian'ny trano tratran'ny rano ny vararainy fa tsy azony kosa ny fonenana na toerana ipetrahana, ihinanana, atoriana?

Palafitos de Castro

 Christian Córdova, CC BY 2.0, via Wikimedia Commons

Tsy tokony ho olana intsony amin'izay na miakatra aza ny rano satria voajanahary izany sady efa safidin'ny olona ny mipetraka amin'ny toerana mora tratran'ny rano ka tsy tokony ho heverina sy antsoina hoe tra-boina intsony izy amin'izay fotoana izay. Tolo-kevitra io, azo raisina, azo ekena na azo lavina.

Heveriko manko fa na ho inona ezaka sy fitadiavam-bahaolana dia tsy maintsy ho difotry ny rano hatrany iny Besarety sy iny Masikara, Andravoahangy iny isak'izay misy orana. Vahaolana mifandraika amin'izany no tokony atao. Avelao izy ireny ho mora tondraky ny rano tsy ho tafavilinao lalan-kafa intsony fa asio lalana azon'ny mpandeha an-tongotra andehanana ambonin'ny farany ambony azon'ny rano mandifotra. 

Koa dia eritreritra ary io, tsy tokony ho atao olana intsony na hiakatra 4 metatra amin'ny haavony maintany aza ny rano rehefa tsy azon'ny fiakarany ny fonenana sy ny fivezivezena mety ho ambony lakana tsara endrika ihany koa rehefa tsy hahatakatra hanao lalana-tetezan-davitra tsy tratran'ny rano.

COLLECTIE TROPENMUSEUM Bewoners van Badjo-kampong Kajoa op Ternate Noord-Molukken TMnr 10005731
Tropenmuseum, part of the National Museum of World Cultures
, CC BY-SA 3.0, via Wikimedia Commons

Aucun commentaire: