May ny tsena Sabotsy ao Antsirabe
Herinandro mahery taorian'ny nahamay ny Jirama tao Ambalavato Antsirabe dia nirehitra amin'ny ampahany be ireo talantalana sy fivarotana tao amin'ny tsena Sabotsy ny alatsinainy 21 jolay 2025 lasa teo.
Havokavoka mamelona ny ampahany maro amin'ny mponina izao lasa may izao. Tsena lehibe indrindra eto amin'ny Ranomasimbe Indiana ary isan'ny lehibe indrindra ihany koa manerana an'i Afrika. Manana velaratany 4,5ha eo ho eo izao tsena izao ary azo heverina fa teratany avokoa ny mpivarotra ao.
Efa nisy fotoana nivarotra tao amin'io tsena Sabotsy io ihany koa ny mpanoratra ary lalana fandalovana tamin'izany raha handeha sy avy any am-piangonana.
Efa mitsinjo sahady ny ampitso ireo mpivarotra may fananana ka mitaky avy hatrany mba ho azy ihany ny toerana efa nivarotany talohan'ny fahamaizana.
Nataony izany mba ahafahany mioitra indray, satria tsy ny fahalavoana no inona fa ny fiarenana no tena zava-dehibe.
Be loatra ny honohono hoe hakan'ny vahiny ny tany ka hananganana fotodrafitrasa hafa asolo azy ka nambaran-dry zareo avy hatrany izay tao am-pony tao.
Commentaires