Ilay faty iray nihoatra

Tohina tanteraka ny maro amin'ireo mpanjohy vaovao ao amin'ny media sosialy.

 

Niboraka amin'izay ny alahelon'ireo olona niezaka ny hangina rehefa tonga teo amin'ny faha-31 ireo maty tamin'ilay tsingerintaona matroka tao Ambohimalaza. 



Misy ireo manentana ny hitroatra sy hampiseho ny fahatezerana hitaky ny marina, fa misy sokajin'olona saika tsy hiteny ihany fa niboraka ihany ny farany, na dia teny tsipalotra fotsiny aza.


Maro ireo influenceurs no miteny amin'izay. Avoahy ny marina! hoy ny antso miverimberina. Manao antso avo ireo namany solombavambahoaka ny depiote Me Hanitra boriborintany voalohany Antananarivo.

 

Fa mbola ifanontanian'ny samy Malagasy koa ny hoe mbola ao amin'ny Malagasy ve ny firaisankina?

 

Fanampim-baovao: Namoaka fanambaràna tao amin'ny fahitalavi-pirenena ny minisitry ny fitsarana fa anisan'ny hohadihadiana ny tompom-pety sy ny fianakaviany satria nisy nitory.

 

Ny henjana amin'io raharaha io dia mety tsy misy ny fiantrana fa tsy ho afa-bela ireo sanatriavina olona ambony voasaringotra amin'izao raharaha izao. 

 

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)