Tsy niraviravy tanana ireo tia mandray andraikitra fa nanokatra fitia tsy mba hetra ho fanarenana ny tsena izay may tanteraka. Tsy niandry na nanantena fitondram-panjakana fa miezaka manao kosa izay heverina ho anjara tandrify ho fanarenana ny tanàna (nanangana vondrona Facebook ho fanarenana ny tsena mihitsy!). Tahaka izany ny nataon'ny pejy Facebook i.n.m na Inona no maresaka, izay mpilaza ny tantaran'Antsirabe sy ny mponina ao, mpamoaka tahirintsary maro sy fijoroana vavolombelon'ireo fotsy volo amin'ny tany. Mariky ny fitiavana ny tanàna tokoa ny fitiavana sy ny fahafantarana ny tantarany ary raha tsy nisy izany fahalalàna ny tantara izany mety ho kely ny herijika handraisana fanapahan-kevitra tahaka izao.
Tsy ambaka amin'izany ihany koa ny fikambanana Grandir à Antsirabe, mifantoka amin'ny fitaizana ankizy, ahitana vahiny sy teratany ary tahaka izany koa ireo zanaka ampielezana fa nihalehibe na tinaiza tao Antsirabe ka miezaka manao izay azony atao hampisondrotra ny mpiara-belona aminy sy ny tany niaviany. Mirona kokoa amin'ny asa sosialy fa tsy fantatsika ny fisian'izany raha tsy misy ny pejy natsangana tao amin'ny Facebook.
Nisy tokoa ireo namaly ny antso, indrindra fa ireo any ampitan-dranomasina, tamin'ny fanaovana izany fitia tsy mba hetra izany. Misy ireo nanao tazan-davitra aloha ka rehefa hita fa nangarahara ny fandaniana ho fanarenana ilay tsena may dia mba niroboka ihany koa satria tanàna iaraha-manana io sady voninahitra ifanomezana.
Raha mbola mitohy izany fanaovana fitia tsy mba hetra izany dia nidirana indray ny dingana manaraka. Dingana midina an-tsehatra, nidina nanadio ny tsena mihitsy sy nanangona ny fako rehetra ho amin'ny toerana natokana ho amin'izany. Tahaka ny teo aloha ihany, niainga tamin'ny vitsivitsy fa rehefa nisy fikambanana niditra sy navitrika dia mba nanampy ihany koa ny hafa teny an-tenantenany eny.
Avy amin'ny vola voangona no nividianana ny fitaovana rehetra ho amin'izany fanarenana sy fanadiovana izany. Niditra an-tsehatra koa ny maro, indrindra fa ireo nahatsapa hoe lehibe tao an-tanàna na dia mety ho tsy nizaka ny zom-pirenena malagasy akory aza. Marika ny fanehoana angamba izay hoe tsara taiza ary manana saina tokoa hanampy ny mpiara-belona hihoitra fa tsy hiandry mahazo fotsiny.
Indrisy moa fa na dia eo aza ireo ezaka ny finiavana rehetra ireo dia misy hatrany ny hamarara, ireo izay misary manampy nefa haka fananan'olona na fananana iombonana no tena tanjona, tsy mahalala izay soa iombonana fa dia ny ho ahy sy izay haniko anio ihany. Tsy natao hanakona ny ezaka natao kosa araka izay tratra izany fangalarana fitaovana izany, angamba tena tsara ilay fitaovana, fa ny fandaminana azy angamba no atao tsara kokoa tsy hisian'ny toe-javatra tahaka izany intsony. Efa tena zava-dehibe ilay fandraisana andraikitra fa tsy nijanona fotsiny tamin'ny fahafantarana ny tantàra sy ny zavamisy.
Marihina fa mety hisy ny fanampiny sy fanitsiana eny antenantenany eny satria androany vao tena nijery momba ireo fikambanana roa nanangana ireo pejy Facebook ireo.
Fanampim-baovao: Araka ny efa voasoratra eto ambony, nanao ny fanadiovana ny tsena Sabotsy ihany koa ny Tily sy Mpanazava ao an-toerana. Nantsoiny hanatevin-daharana azy ireo ihany koa izay tsara sitrapo. Raha maraina no nanomboka iretsy fikambanana roa voalohany (na telo akory aza) dia ny folakandro kosa ireto tanora ireto no niroso ho amin'ny fanadiovana. Raha mandeha tsirairay ny tahaka izao dia mety hojeren'ny olona fotsiny fa ny tahaka izao no ananan'ny fikambanana hery hisintona ny hafa mba ho tompon'andraikitra ihany koa amin'ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna.
Mety hitohy ny fanoratana.
Commentaires