7.12.23

Ry mpanohitra, mbola hofitahanareo indray ilay vahoaka?

 Eny, tsy ny mpitondra tokoa no hokianiko eto fa ny mpanohitra, na ireo milaza tena ho mpitarika ao amin'ny fanoherana eto Madagasikara. Mitendry milina indray noho ny fahatezerana, tezitra satria mahatsiaro ho voafitaka, mahatsiaro hoe hay tena kely hery sy katahotra izaitratra ireto mpitarika ao amin'ny fanoherana ireto.

Satria henoko fa hoe tsy hanao na inona na inona, hono, ianareo mandritra ny fianianan'i Andry Rajoelina amin'ny 16 desambra 2023 fa aorian'izay vao mitohy ny tolona. Dia hoy aho hoe mba tahaka ny ahoana tokoa moa ny hevitra ao ambadik'izany toe-javatra mahasanganehana izany? Lasa mieritreritra fa tena misy mpamadika sy manao izay tsy hahombiazan'ny fanoherana eto Madagasikara mihitsy ao amin'ny lohandohany ao ary manao izay hampanjaka tokana ny mpitondra amin'izao fotoana nanao sarintsarim-pifidianana.

Mbola nofitahanareo indray ilay vahoaka, satria tsy nandeha nifidy izahay tamin'ny 16 novambra 2023, ao anatin'ny fanantenana fa efa manana tetika matipaika ianareo hampandamoka iny fifidianana iny. Kanjo nangina sy ankona tanteraka ianareo, dia voatery noraisina indray ilay "namadika" anareo. Kanjo izay fandraisana ny efa nesorina izay no vao maika nampisara-bazana sy tsy nahitana anareo nitambatra intsony fa dia notenenina hoe samia manao izay endrika fanoherana mety aminareo avy. Inona no fanoherana vanona anaty fisaratsarahana? 

Midika izany fa resy tanteraka ianareo ary tao aminareo tao ihany no namingana nahatonga izany faharesena tsy niady izany. Tao aminareo ihany, niarahana tsikombakomba tamin'ny mpitondra tamin'ny fanakatsakanana mivantana, no tsy nandraisanareo anjara mihitsy tamin'ny fifidianana satria misy olona tsy tianareo ho lany na voatery iarahanareo manohana amin'ny fihodinana faharoa, efa tsy tianareo izay toe-javatra izay fa aleo Rajoelina ihany ho an'ireo namadika ireo no mitondra.

Izahay anefa efa vonona hanatontosa izay noteneninareo ary notanterahanay tokoa ny baikonareo. Notontosainay izay efa noheverinay ho andraikitra teo amin'ny sehatra nisy anay. Nahariharinay fa 28% ny taham-pandraisana anjara taty amin'ny kaominina nisy anay tamin'iny fifidianana iny satria tsy manana na inona na inona tokony hataonay tamin'iny andro iny ianareo. Efa nifamepetra koa naninona izahay no ilaozanareo samirery mandraka ankehitriny?

Dia indro indray fa nataonareo miandry vasoka ireo olona efa vonona ny hirevy, efa vonona ny hanao fety. Nekenay ny nimpirimpirina tany an-trano ho an'izay tsy niomana ho eny amin'ny biraom-pifidianana. Nekenay ny nanara-maso ny teny amin'ny biraom-pifidianana ho anay izay efa nifanaraka amin'izay ho ataonay. Fa tena tsy laitra kosa ity tsy hifety amin'ny androm-pianianana ity. Tadiavinareo porofoina amin'izao tontolo izao fa tsy misy intsony izany fanoherana izany amin'io 16 desambra 2023 io?

Mba fantatrareo ve fa telo andro monja raha be ny fiomanan'ny olona, ny eritreritra niraisan'ny olona tsy nisy nifampiresaka akory hoe amin'ny androm-pianianana 21 marsa 2009 no hankanesana eny amin'ny "kianjan'ny demaokrasia" natsangan'ilay nanongam-panjakana? Fantatrareo ve fa na vitsy aza ireo, dia ireo no nivonona hampiseho amin'izao tontolo izao fa misy ny manohitra ny fanonganam-panjakana. Fantatrareo ve fa noho io tolona tsy nisy fifampitaomana ampahibemaso io no sarotra ho an'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany ny nahazoany fankatoavana? Sa heverinareo fa ny fifampiresahana tamin'ny iraisampirenena tamin'izany fotoana izany no nampitarazoka ny tetezamita tamin'izany?

Efa hifarana ity ny taona ary fety lehibe misesisesy izany faran'ny taona izany. Aza avela hifety samirery ny mpanohana an'i Andry Rajoelina fa mba vorio hifety koa ireo mpanohitra sy tsy manaiky ny fitondrany. Sa izay mihitsy ilay tanjonareo hoe avela hifety eny Mahamasina avokoa ny mpanohana sy ny mpanohitra? Dia mody lazaina fa tsy hanao na inona na inona ianareo amin'io fotoana io? Eny ary e, izay no tianareo dia hifety tokoa izahay... Fa aza miantsoantso anay hilaza hanohy ny tolona intsony rehefa tsy hampirevy anay ianareo amin'io andron'ny 16 desambra io fa tsy miara-dia intsony isika. Raha mbola tsy mazava aminareo io lazaiko io dia tsy haiko intsony. Bye! Dia mba tany amin'izay!


Aucun commentaire: