14.12.23

Fangalaran-tany eto Isahafa?

Mety ho be ny tsy mahazo tsara ny resaka nefa tsy maintsy soratana ihany. Tsy maintsy efa nandalo ny mason'ny mpamaky eto ihany ny resaka raharahan-tany mitranga eto amin'ny tanàna ipetrahako. Hatramin'izay dia tanim-panjakana sisa tavela eto Isahafa no noezahan'ny olona narovana fa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia tanin'olontsotra no niharan'ny fangalarana. Iharan'ny fangalarana, hoy aho, satria voafindrany ho amin'ny anarany ny tanin'olona efa misoratra amin'ny razambeny (olona niaviany).

Filazana fivarotana tany efa nipoitra ela (19 oktobra 2023 sy 2 novambra 2023) no tsipalotry ny tompon'ny tany tampoka tamin'ny 20 novambra 2023 fa misy mivarotra ny taniny. Nanaovany "photocopie" ireo filazana ireo ary nanaovany fanakanana teny amin'ny (prezidàn'ny) fokontany ihany koa. Tonga ny tamin'ny alarobia 22 novambra 2023 dia nisy olona nanatitra taratasy tao amin'ny prezidàn'ny fokontany fa hanaovana "délimitation" ny tany izay vao nanaovana ilay fitsipahana indrindra ary ny alakamisy amin'ny fito ora maraina no hanaovana izany "délimitation" izany. Nifamotoana hanatrika izany "délimitation" izany sy hanao fanakanana miaraka amin'ny prezidàn'ny fokontany sy ny tompon'ny tany fantatry ny olona eto an-toerana ny fokonolona. 

Rehefa tonga ny fotoana dia tsy tonga akory ireo olona milaza handrefy ny tany. Niandry ihany ny rehetra fandrao mba tara kely ireo olona handrefy tany. Ela ny ela tsy nety tonga ary dia nanao fitanana an-tsoratra ny prezidàn'ny fokontany milaza ny tsy-fahatongavan'ireo olona milaza handrefy ny tany. Vao vita anefa izany ary rehefa niparitaka ny olona dia niantso ny prezidàn'ny fokontany indray ireo olona, izay tsy nety nandray antso nandritra ny fiandrasana azy ireo, fa efa an-dalana ny ho tonga ry zareo. Na dia nandà noho ny fotoana nifandiso aza ny prezidà dia nolazain-dry zareo fa tsy maintsy hovitainy foana ny fanaovana io fandrefesan-tany io na tsy hanatrika eo aza izy.

Dia tonga tokoa ry zareo fa tsy nijanona teo amin'ny tokony ijanonany fa mbola nijanona tany amin'ny toerana manavia olona ny fiara sy ny scooter nitondra an-dry zareo. Nanatonan'ny prezidà teo amin'ny toerana nijanonany ka nilazany fa eny akaikin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana rehefa maraina no tokony hanaovana ny dinika hanontaniana hoe efa am-pelatanan-dry zareo tokoa ve ny taratasy milaza fa an-dry zareo ny tany. Fangatahana fihaonana eny amin'ny biraom-pokontany no namalian-izy roalahy ny resaka ifampidinihan'ny tompon-tany tena izy fantatry ny fokonolona sy ny tompon-tany vaovao tsy fantatry ny fokonolona. Notanterahana tokoa izany. Marihina fa efa atoandro mitataovovonana izany fotoana izany ary manafina endrika araka izay azony natao ireto mirahalahy miseho hifandamina amin'ny eto an-toerana ireto. Efa nihamaro indray ny fokonolona tonga tamin'io fotoana io.

Mandritra izany fotoana toa fandaniam-potoana izany dia nisy fiara raitra tsy mataho-dalana roa tonga eo amin'ny tany horefesina. Raha nahare izany ireo olona izay miandry eo akaikin'ny biraom-pokontany manara-maso ny fihaonana izay zary noheverina ho "diversion" tsy hahitana ny fahatongavan'ireo fiara raitra tsy mataho-dalana ireo dia nizotra nankeny indray. Vao nahita ny firodorodon'ny olona anefa ry zareo dia niala ny toerana ny fiara roa fa ny iray ihany sy izay olona tao anatiny no mbola nijanona teo ary nifampiresaka tamin'ny prezidàn'ny fokontany ilazana fa efa tany ifandirana ilay tany ijoroan-dry zareo ary tsy manaiky ny hivarotana azy ny tompony.

Rehefa nisy ny resaka elaela dia lasa daholo ireo heverina ho saika hividy ny tany sy ireo saika handrefy ny tany. Nony tonga anefa ny tamin'ny roa sy sasany tany ho any dia nanao tampody fohy indray ry zareo manaron-tava miaraka amin'ny olona hafa milaza fa efa azy ny tany ary tonga dia nametaka piquets avy hatrany. Namelona fanairana ihany koa ny teo akaiky hivorian'ny fokonolona ary tonga tokoa ny fokonolona. Nantsoina ny prezidan'ny fokontany ary tonga ihany ary gaga nahita fa mbola ry zalahy tamin'ny maraina indray ireto tonga eto ireto. Nambaran'ny prezidà fa efa nifanarahana anie ny tsy hikitihana ny tany koa maninona no mbola niverina indray. Dia velona tao indray ny don-tany sy kapo-tandroka amoahana ny taratasin-tany nefa tsy nisy taratasin-dany nipoitra mihitsy nandritra izany fotoana izany. Nody maina indray ireto olona ireto ny hariva.

Hodinganina avy hatrany ny tantara. Tonga ny alatsinainy, nanatitra taratasy tao amin'ny prezidàn'ny fokontany ny zandary avy ao Sabotsy-Namehana. Nampiantso olona ho tonga any amin-dry zareo noho ny fitorian'ny olona milaza ho nahazo fandrahonana ho faty, niharan'ny herisetra sy ny hetraketraky ny fokonolona. Raha ny taratasy dia tena fisamborana avy hatrany no anaovana ny olona ao anaty taratasy saingy noho ny mahatafiditra ny prezidàn'ny fokontany no nampihemotra ny lehiben'ny borigadin'ny zandarimaria tsy hanao izany fa ho amin'ny fampiantsoana ihany. Voatery nivezivezy teny ireo olona voantso ary naka vavolombelona avy amin'ny fokonolona hanamarina fa tsy nanao izany fiampangana izany ireto olona nampanantsoina ireto.

Rehefa tonga ary ny fandehanana teny amin'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Anosy-Antananarivo renivohitra araka ny dosie 224/11-des-2023 (SABNAM) tamin'ny 12 desambra 2023 dia "classé sans suite" izany satria tsy misy ny procuration mazava avy amin'ny milaza ho tompon'ny tany ho an'ilay milaza ho solontenany izay mpitory fa taratasy tsy misy lanjany no nomeny ny mpanao famotorana. Gaga ny olona ny 13 desambra tolakandro fa tonga indray ireto mpandrefy tany miaraka amin'ny zandarin'ny SABNAM ka vitany soa aman-tsara ny fametahana piquets satria tsy mety tratra antso ny tompon'ny tany eto an-toerana izany niakatra tany Antananarivo ka tsy hitan'ny fokonolona izay tokony atao. Dia andrasana izay ho tohin'ity raharaha ity.


Aucun commentaire: