5.12.23

Ny adidiko ho an'ny tanindrazana!

Mangina tanteraka amin'izao fotoana izao ny vondron'ny kandidà teo aloha sy ny hetsika fotsy miaraka aminy. Lasa mahatonga ny eritreritra manao hoe tena nofitahina sy nanaovana hafetsifetsena ve Ravalomanana Marc nialoha sy nandritra ireny fifidianana ireny no toa tapaka tanteraka ny tohiny na izay tokony ho tohiny rehefa vita ilay fifidianana?

Ekena tanteraka kosa fa tsy voatery hitovy hevitra velively izany olona efa ho folo miara-midinika na miara-mihevitra izay tokony ho atao izany. Tsy te-handany rora na penina amin'izay mety ho fitaka na paikady rehetra hampandaniana izay ho lany na mety na tsy mety, na ara-dalàna na tsia aho fa hametraka kosa ireo fandraisana anjara noheverina mba hampahomby ilay tolona tamin'izany fotoana izany.

Efa niarahan'ny rehetra nahare fa tsy handray anjara ary tsy hampandany ny tenany amin'ny fifidianana ny vondron'ny kandidà folo tamin'izany fotoana izany. Nanitrikitrika tamin'ny hevitro aho fa tsy ampy velively ny miteny fotsiny fa tsy maintsy misy hetsika ampiarahana aminy hampahomby izany. 



Raha ny sitrapoko efa lasa lavitra ny hetsika ho amin'izany, fa noho ny fitadiavam-pilaminana (paikan'ny mpitondra ny fanendrikendrehana hoe "mpanakorontana" ny mpanohitra mba ihazakazahany manaporofo fa tsy manakorontana mihitsy dia tsy manao na inona na inona!).



Raha mivoaka mankeny an-dalambe amin'ny ankapobeny ny ao an-drenivohitra dia tsy mahavita ny tahaka izany kosa izay mipetraka ivelan'ny renivohitra. Tokony hanana ny fandaharany manokana noho izany ny isan-tanàna ohatra. Izay no antom-pikasana nametrahana hetsika fotsy teto amin'ny tanàna misy ahy.



Niainga tamin'ny fifampiresahan'ny teo an-tanàna ka mahafantatra izay mitovy hevitra aminao, ireo azo lazaina ho mpiray donak'afo aminao. Notohizana tamin'ny fanatanterahana fivoriana izany hisian'ny fifandaminana. [Nahavariana fa nisy zavatra nitanga teo amin'ny kaontin'ny mpanoratra rehefa nivoaka io filazana io; tsy tafiditra tamin'ny kaontiny rehetra izy!]



Rehefa natao ny fivoriana dia tonga tokoa amin'ilay fitenenana manao hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Ankoatra izay mety ho teny midina avy amin'ny mpitarika "foibe" amin'izay tokony atao dia efa nisy ny fiomanana iatrehana sahady ilay androm-pifidianana. Anisan'ny iray tamin'izany ny nanendrena olona roa (iray isaky ny biraom-pifidianana) handrotsa-bato amin'io andro io hanoratra na hitory izay fandikan-dalàna tsikaritra tao amin'ny biraom-pifidianana. Hitan'ny mpitarika iray tany ivelany io hevitra io ary nampitainy, saingy tsy neken'ny "besinimaro" hafa tsy avy aty amin'ny fokontaninay. Efa namoaka fiandoham-panazavana momba azy io koa ny vondron'ny kandidà fa nihorakorahan'ny olona ilay hevitra, dia tsy sahy nambara intsony. Fahadisoana tamin'io ny nanambaràna ilay hevitra teny an'arabe fa tsy tamin'ny alalan'ny velan-kevitra ifanatrehana amin'ny mpanao gazety. Hafahafa kokoa ny fandehan'ny resaka raha nekena io hevitra iray io mba nisy fahavitrihana hafa ny olona.



Paika tamin'izany fotoana izany ny hanara-maso akaiky izay rehetra mitranga ao amin'ny biraom-pifidianana. Mazoto mifoha maraina mihitsy hijery ny fanombohana, ary hahita ireo rehetra tratran'ny jono fa omena vola na fanampiana rehefa lany ilay rangahy iry (tena nahita mihitsy rehefa tonga ny fifidianana saingy safidy moa ny azy ireo!)




Nandrandraiko tamin'izany fotoana izany ny hanendren'ny mpitarika ny androm-pifidianana (16 novambra 2023) ho fotoana andehanana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey 2023, saingy tsy nisy sahy nanapongatra ny hevitra ve sa ny toa izany no nahatonga ny fisamborana ilay solombavambahoaka TIM iny? Tena diso fanantenana tanteraka aho tamin'ilay fanjavonana tanteraka tamin'ny androm-pifidianana.

Etsy ankilan'izay, tsy mitsahatra ny mitady ny fomba rehetra hampahomby ny fifidianana sy ny fandreseny ny eo amin'ny fitondrana... izay toa toe-tsaina tsy hita mihitsy teo amin'ny mpitarika ny fanoherana. Sambany teo amin'ny tantaram-pirenena no nasiana "couvre-feu" tamin'ny alim-pifidianana.




Fa efa niomanana avokoa ny zava-drehetra, satria nanantena fa efa misy ny zavatra maty paika teo amin'ny mpitarika ny fanoherana. Efa notenenina ireo voatendry handrotsa-bato taty aminay fa nofoanana iny hevitra iray iny satria izay no tenimidina. Naraha-maso akaiky kosa ny taham-pandraisana anjara. Voaangona hatramin'ireo nanerana ny kaominina misy anay izany fijerena taham-pandraisana anjara izany. Nionona fotsiny tamin'ny hoe tsy nisy mpifidy ny mpitarika ny fanoherana.



Rehefa vita ilay fifidianana dia toa tsy nahenoana inona loatra intsony ny tao amin'ny fanoherana. "Non-evenement" ilay fiverenan'ilay raikalahy nandeha nifaninana rehefa tsy manana hevitra hanohizana ny tolona ny rehetra. 


Nanao izay rehetra azonay natao izahay taty amin'ny misy anay. Mifanontany ny rehetra ny amin'izay ho tohin'ny tolona. Fa manahy sahady indray anefa hoe tsy hanao na inona na inona tahaka ny nitranga tamin'ny 16 novambra 2023 ihany ny ao amin'ny fanoherana amin'ny 16 desambra 2023 ho avy io satria "mila tandrovana ny tsy hisian'ny ra latsaka". Tahaka ny fanilihana sy fialana tsimoramora amin'ny tolona ilay filazana hoe samia manao endrika fanoherana amin'izay mety aminy. Amin'izao fotoana izao indray ve vao hipatitaka? Sa efa tsy mitovy hevitra intsony fa nisy ny nahatsiaro ho voafitaka?
 
Dia hotakiana mivantana ve ny mpitarika ny fanoherana hoe inona no ataonareo amin'io 16 desambra 2023 lazaina fa hanaovan'ny "Filoha voafidim-bahoaka" ny fianianany io? 


Aucun commentaire: