Accéder au contenu principal

Nifampitafa tamin'ny mpanao gazety ny mponin'Isahafa sy ny tompon'ny tany!

Ny lahatsoratra farany tato niresaka ny fangalaran-tany teto Isahafa. Tahaka ny tamin'ny herintaona, nampiatso mpanao gazety indray ny mponina hiresaka ity olana momba ny tany ity. Ny somary nahavariana rehefa nandeha ny resaka an-jorony fa ny mpanao gazety indray aza no mahalala bebe kokoa noho ny ao amin'ny fokonolona amin'ilay resaka.
Ity misy soratra iray navoaka Facebook momba ilay raharaha ihany: 

Misy mbola tsy voatantara ny teo anelanelany teo. Ny alahady 17 desambra 2023 maraina dia nisy nahatsikaritra ny fiaran'ny zandary nijanona amoron'arabe somary manoloana ny kianja lehibe fantatra eto Isahafa ary somary eo avaratra atsinanan'ny sekolim-panjakana (EPP) eto Isahafa.

Afaka kelikely, indreto ry zalahy nodidiana nandrefy tany fa miaraka amin'ny shinoa manondrotondro ilay tanin'olona nisy olon-kafa milaza ho tompony, izany hoe raha jerena dia miezaka mivarotra ilay tany amin'io shinoa io ry zalahy sa ve hoe io fa efa vita refy tsara ilay tany?

Voatery nanatona sy niresaka tamin'ny zandary tao anatin'ilay fiara voalaza tetsy ambony ny prezidàn'ny fokontany sy olona vitsy manontany ny antony itondrany mpividy tany eto amin'ny toerana efa fantatra fa ifandirana tsy fantatra mazava izay tena tompony. Namaly anefa ireo fa efa naheno "renseignements" ny amin'izay zavatra izay hitranga androtr'io. Ny olona kosa anefa mihevitra fa nirahina teo ireo hiambina an-dry zalahy iretsy sy hiditra an-tsehatra raha sanatria misy ny fifampikasihan-tanana. 

Nandritra izany fotoana izany anefa, hay teo atsimon'ny kianja lehibe ry zalahy nandrefy tany no nitoby nitondra fiara roa sy moto efatra tany ho any. Ankevitry ny efa vita ny resaka tamin'ilay shinoa matoa niainga ry zalahy. Nohararaotin'ny prezidàn'ny fokontany io fotoana io mba hanazavan'ireto zandary ireto amin'ny fokonolona izay hivory ny hariva ny anjara asany marina ao anatin'ity raharaha ity. Tsy nanaiky izany loatra moa ry zareo.

Ny atoandro dia niverina nankao amin'ny prezidà indray ireo zandary voalaza etsy ambony iretsy niangavy taminy hanafoana ilay fivoriam-pokonolona amin'ny resaka tany. Somary nahagaga ihany ilay fangatahana fa rehefa nanontaniana ny antony dia hoe sao dia hikorontana ao ianareo dia ho lasa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no hitranga ary azo atao ny fisamborana amin'izay fotoana izay. Tsy nekena moa izay fiangaviana izay fa ny natao dia ny namindra ny toeram-pivoriana mahazatra teo aloha ho lasa ao amin'ny tokotany filalaovan'ny mpianatra ao amin'ny EPP satria lasa tafiditra tao anaty tany nofaritan'ireo nandrefy tany izany toeram-pivorian'ny fokonolona izany.

Notanterahana ny fivoriana izay resaka tany rehetra eto Isahafa no lohahevitra voalohany, resaka lalana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina no lohahevitra faharoa ary ny resaka fandriampahalemana no fahatelo. 

Nisy ary ny paika (tsiambaratelo) hotanterahana amin'ny fomba hanohizana ny tolona fiarovana ny tany eto Isahafa. Nifanao tora-po manko ny olona fa matoa tontosa izao zavatra izao dia misy amin'ny fokonolona no niray tsikombakomba tamin'iretsy vahiny mpamabo iretsy. Nanjary tafavoaka fa tsy afaka ny hifampatoky intsony ka tsy maintsy singanina ny olona hanatontosa izay tokony atao fa antsoina ihany ny daholobe rehefa misy ny ilàna izany.

Paika notanterahana ary ny handrefesana ny tanin'ny EPP araka ny laharana parcelle mifanaraka aminy, satria hafahafa ihany ilay hoe tafiditra ao anatin'ny faritra noraofin'ilay olona mpamabo ny biraom-pokontany sy ny efitra iray an'ny sekoly ary ny tranompokonolona navadika ho sehatra fanaovana lanonana.

Notanterahana tokoa izany ny herinandro nanaraka an'io ihany ary tsikaritra tao fa tena nisy ilay fihoarana tamin'ny fandrefesana (tamin'ny decametre fa tsy fandrefesan'ny topographe manara-penitra) nataon'iretsy mpamabo. Nisy ny "huissier de justice" nandrakitra an-tsoratra izany zava-nitranga izany.

Tamin'ny alin'ny 24 desambra mankany amin'ny 25 desambra nisy nanala an-tsokosoko ny "piquets" hazo porofon'ny fihoarana. Efa nifameperana tamin'ny fokonolona mazava anefa ny tsy hanalana ireo piquets ireo mihitsy satria porofon'ny zavatra tsy ara-dalàna natao ireo. Noho izany, izay manahy ny amin'ny zavatra mety hamandrika azy no hanala azy ireny fa tsy ny fokonolona na oviana na oviana.

Dia mitohy amin'ity fiantsoana ny mpanao gazety ity ny raharaha amin'izao fotoana izao. 



Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...