31.12.23

Fanodinana tany teto Isahafa, nisy ny fisamborana!

Tsy ela taorian'ny hetsika nataon'ny fokonolona tamin'ny 29 desambra 2023, izay niantsoana mpanao gazety ilazana ny toe-draharaha dia tonga tany am-pototsofin'ny filoham-pirenena ny raharaha satria... nampidirin'ny sasany amin'ny tsy izy tao ny reniny ka nahatohina azy mafy!

Satria nihevitra ireo mpanodina tany fa raha misy anarana na sata voatonona dia hatahotra ny fokonolona. Tratra tamin'ny haingony anefa satria nikitika ny tsi-fikitika, tsy ilay resaka tany loatra no antom-pisamborana azy voalohany fa noho ny fihamboana raha jerena amin'ny fomba nitenenan'ny tompon'andraikitra azy.

Ny SEG (secretaire d'Etat à la Gendarmerie) no nirahin'ny Filoha hanao ny fanadihadiana momba ilay raharahan-tanin'olon-tsotra sy tanim-panjakana angatahana dia hamidy avy eo (izay fahadisoana iray hafa ihany koa). Ny alin'ny Asabotsy hifoha Alahady no tonga tao amin'ny sefo fokontany ny zandary milaza fa ho tonga hanao famotorana amin'ilay raharaha ny minisitra ny alahady maraina amin'ny valo. Tsy fantatra mazava tamin'io fotoana io ilay hoe iza ilay minisitra na solontenan'ny prezidansa! fa dia asaina ho tonga fotsiny ny fokonolona.

Ny Alahady maraina amin'ny fito ny tao amin'ny komitin'ny tany no niezaka nitety ny isam-baravarana hanentana ny olona ho tonga amin'ilay "fihaonana amin'ny minisitra na ny ao amin'ny prezidansa". Nasaina ho tonga amin'izany ihany koa ny ao amin'ny Kaominina raha ny fahazoan-dresaka.

Amin'ny valo sy sasany mahery tany ho any vao tonga ireo delegasiona nahitana ireo zandary mandeha amin'ny pick-up miisa efatra miampy ny fiara nitondra ny SEG ary notarihan'ny Kly Tojo sy Kly Faneva isany sy ny avy ao amin'ny polisim-pirenena misahana ny famotorana nandeha fiara iray ary ireo nandeha kodiaran-droa. 

Heverina fa ny fahatongavan-dry zareo dia ny hanamarina hoe manana taratasy ara-dalàna tokoa ve ny tompon-tany eto an-toerana sy hijery ireo raharahan-tany hafa noresahan'ny mponina nandritra ilay hetsika niantsoana ny mpanao gazety. Ny tsikaritra aloha dia ny fiangonana no nirava talohan'ny famotorana savaranonando nifanaovana tao amin'ny efitra iray tao amin'ny EPP teto Isahafa.

Ny vaovao hita farany moa dia ny nilazan'ny gazety iray fa nisy ramatoa iray tompon'andraiki-panjakana nosamborina sy olona iray hafa mandrindra ny antoko TGV any Anjozorobe any samy lohandohany amin'ny raharaha masiso ity araka ny nolazain'ny gazety Basy Vava tao amin'ny kaonty Facebook.




 

Aucun commentaire: