Accéder au contenu principal

Articles

Fitantarana hafa nahatonga ny anarana Isahafa!

Androany aho vao nahita sy nahare ity fitantarana iray ity. Tsy azo atao mihitsy ny mitsipaka azy noho ny fisian'ny mety ho fahamarinana ao anatiny. Manaraka izany dia efa tsy naharesy lahatra ahy loatra ny filazana voalohany nahatonga ny anarana ho Isahafa ho teny avy amin'Andrianampoinimerina. Izaho manokana dia azo atao hoe mifanakaiky amin'ny marina ity fitantarana ity raha tsy atao hoe izay no tena marina. Ny antony ilazako hoe mifanakaiky amin'ny marina dia noho ny fitantarana ao amin'ny "Tantara ny Andriana" ihany milaza sahady ny fanononana ny anarana hoe Sahafa raha nafindra monina (natao an-tsesitany) ny Tahiamanangoana avy eny Ambohipeno.

Alahamady, fandroana taona 1946

 Na dia nafindran'ny fanjakana kolonialista ho 14 jolay isa-taona aza ny fandroana nandritra ny faham-panjaka dia nisy ireo gazety tsy menatra ny maneho hatrany ny andro tena izy amin'izany voalohany alahamady na andro fandroana izany nandritra ny fanjanahantany. Iray amin'izany ny gazety Ny rariny izay nanondro fa ny 27 aogositra 1946 no voalohany alahamady na ny fandroana izay mifanitsy amin'ny fifampirariana soa ho samy tratran'ny arivo taona mitsingeringerina indray. Angamba mbola tsy niorina ny "Trano Koltoraly Malagasy" tamin'izany fotoana izany manitrikitrika fa mifanitsy amin'ny marsa avrily ny taombaovao malagasy.

Taombaovao Merina, Taombaovao Iraisana

Maro ireo hevitra mipongatra ary misy ireo ary fitaovana maneho sy mampiely izay arovany fatratra momba ny taombaovao malagasy. Miezaka ny mieli-patrana amin'ny haino vaky jery izy ireny handifotra ireo manana hevitra sy fijery hafa izay manahirana an-dry zareo ny manohitra azy eo amin'ny lafiny ara-tantara. Iray amin'izay tsy zakan-dry zareo ity mpaneho hevitra iray ity satria zanaky ny efa mpitondra tao amin'ny Trano Koltoraly Malagasy tao. Apetraka etoana mba ho mora tadidy sy ho mora karohina rehefa tadiavina. Eris Rabedaoro nasain'i Gascar Fenosoa avy ao amin'ny Real TV

Alahamady sy taombaovao

 Nisy fampanantenana tsy mbola tontosa noho ny toe-javatra nitranga. Ity eto ity dia avy amin'ny hevitr'olona iray momba ilay taombaovao fankalaza fahagasy, izany hoe talohan'ny fanjanahantany. Natao indrindra izao ho tahiry satria mora very ny votoaty ao amin'ny media sosialy ao. Tsy maninona na tsy ho liana aza ianao fa natao ho an'izay liana ihany itony.

Bokotra mainty

Mety tsy haharaka loatra ny tian-kolazaina ny tanora mpamaky raha tsy hoe efa lalin-tsaina sy tsara fahalalàna ankapobeny izy. Mety ho hita amin'ireny lanonana ara-panatanjahatena ireny ny fanaovana fehy mainty rehefa maneho fiaraha-miory na fisaonana noho ny voina na fahafatesan'olona maro tamin'ny zava-nitranga iray. Tsy ho nisy nahatsikaritra loatra kosa indray ny fametahana bokotra miloko mainty eo amin'ny akanjo. Marika fisaonana (nampidirin'ny Tandrefana) avokoa anefa ireo efapolo taona mahery izay ary mety ho fanao nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taonjato faharoapolo ihany koa rehefa mijerijery sary na sarimihetsika fahiny. Manoratra izany aho satria manana reny nodimandry tamin'ny marainan'ny 17 marsa 2022. Efa nanindry mandry ahy ihany io fahafatesan'ny reniko izay efa narary am-bolana maro (mety ho efa an-taonany aza) rehefa nanomboka diso andro sy fitadidiana ny tsingerintaonan'ny vadiko izy tamin'ity taona ity: enina andro ...

Ny lazan'i Bryan gasy...

 Buzz na samonomonina tao amin'ny Facebook (sy ny Twitter koa) ilay raharaha nakana live ilay mpampianatra fanatanjahantena nifamalian'ny depioten'Atsimondrano iray momba ilay zanany nalaza tampoka amin'ny anarana Bryan. Niniako ny tsy namoaka izany lahatsary (horonantsary) izany satria ny endrik'ilay mpampianatra no tena naharihary, toy ny hoe atao izay hanalana baraka na hamaizana azy. Niresaka sy saika nitokelaka avokoa anefa ireo naharaka ity toe-javatra iray ity. Santionany fotsiny ireto mivoaka eto ireto fa tsy izy rehetra tsy akory.  Pejin-d RAOTO manontany izay diso amin'ilay mpampianatra sy ilay ray aman-drenin'ny mpianatra.  Radio Mada 100.8 nanoratra hoe lasa malaza ny teny hoe: "Iza(h)o tsy matahotra depiote Pejy 24hMada namoaka karazana ady rima momba ity raharaha ity: Pov kosa somary lavitra ny sainy amin'ny hoe raha eto Antananarivo ary misy tranga tahaka izao, dia ahoana ny any amin'ny tsy hita maso any? Azo lazaina hoe voatery n...

Tsy raharaha Ikongo 2 sy ny manodidina azy fa fiarovan-tena

Noho ny tahotra ho ampanantsoin'ny mpitandro ny filaminana tahaka ilay tamin'ny raharaha fanampiana an'Ikongo sy faritra hafa manodidina tratran'ny tsy maintsy izarana ny fanampiana tsy ampy ho an'ny tra-boina dia nanoratra taratasy ho an'ny Filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna miisa folo ao amin'ity departemanta Ampasimanjeva (?) ity.

Na fanajana zon'olombelona maty na fanajana ny razana, samy tsy hita

 Nahoraka tao amin'ny Facebook indray ilay lehilahy iray maty tampoka teny an-dalana sy ny natao azy. Maro no tezitra satria natao sanatria toy ny fatin-jiolahy na fatin-dahalo no natao azy, nefa tsy hoe nisy ady nahafatesana olona maro koa teto ka raofina amin'ny kamiao ny faty miampantrampatra. Amin'izao fotoana nanoratana eto izao dia 315 ny isan'ny naneho hevitra ary 211 no nizara ity ranty iray ity. Fony vao nisy nanely izy io dia efa nisy ny nanoratra tao amin'ny Facebook hoe efa nodimandry ilay olona. Te-haneho hevitra aho mba tsy ho haingan-doatra amin'ny fitsarana tahaka izany fa tokony nihazakazahana ny famonjena azy. Fa iza moa io lehilahy io? Raha ny tsikaritra dia tsy olonolom-poana ilay olona nodimandry io. Manampahaizana izy ary nanana fahavitrihana ihany koa teo amin'ny tontolon'ny politika malagasy. Tsy re mihitsy kosa anefa izy tao anatin'ny folo taona mahery izao. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana izay nilaozany.  

Ny raharaham-pampiasam-bola eto Madagasikara

  (Tsindrio ny sary na eto hijerena ny ao amin'ny rohy Facebook lazaiko, efa tsy navelan'ny mpanoratra hanehoan-kevitra intsony raha nahita azy aho, roa andro monja taorian'ny namoahana ny ranty) Ao amin'ny fanehoan-kevitra no ahitana ny hevitry ny maro ahatsapana ny mety ho tontolon'ny fihariana eto Madagasikara. Nihevitra ho nimenomenona irery aho hoe misy tsy mety anie izany hetra eto Madagasikara izany raha oharina amin'ny vidin'ny entana amidinao. Tsikaritra araka ny fijerin'ny olona ato fa misy ny karazan'olona omena vahana. Tsy hay hoe mandoa vola any ambadika any ve sa ahoana? Ny hita aloha raha ny hevitra dia misalasala na tsy manaiky mihitsy ny hampiasa vola aza ny olona. Koa raha ny teratany aza tsy mety hampiasa vola, dia hiditra ve ny vahiny raha tsy mahazo tombontsoa manokana toy ny ampihimamba amin'ny entana iray toy ny hita amin'ny menaka fihinana amin'izao fotoana izao ohatra? Na ho inona na ho inona, raha mbola mitohy i...

Fanampiana an'Ikongo: inona ny marina?

 Misy zavatra malaza dia malaza indray tao amin'ny Facebook. Izay hita tao ihany no ampitaina. Mazava loatra fa mety hisy ny ranty voafafa saingy tsy avy aty amiko izany. Tsy miantoka ny fahamarinany na tsia ihany koa aho. Tohin'ny filazana tetsy ambony. Miala tsiny aloha raha miteny hoe ny hitako aloha dia vary roa gony iny hitako iny... Miezaka ireo vondrona isankarazany amin'ny fanampiana:  Fa ity no tena naha-be resaka sy nampisahotaka:  Misy ny milaza fa fanosoram-potaka ny filoha kosa izao:  Hamaranana azy, enga anie tsy ho voafafa ity lahatsarin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ity! Mariho fa mivoaka tsara avokoa ny sary sy ny lahatsary amin'izao fivoahany izao fa ny tohiny no tsy fantatro. PS: Androany 19 febroary 2022 dia "tsy vonona na efa tsy misy intsony io horonantsary io, na tsy mahazo alalana hijery azy ianao" sisa no hita amin'ny lahatsary farany. Jereo ihany ato na izany aza. Tery aho hanoratra eto noho izany fa ny fanampiana s...