Mety tsy haharaka loatra ny tian-kolazaina ny tanora mpamaky raha tsy hoe efa lalin-tsaina sy tsara fahalalàna ankapobeny izy. Mety ho hita amin'ireny lanonana ara-panatanjahatena ireny ny fanaovana fehy mainty rehefa maneho fiaraha-miory na fisaonana noho ny voina na fahafatesan'olona maro tamin'ny zava-nitranga iray. Tsy ho nisy nahatsikaritra loatra kosa indray ny fametahana bokotra miloko mainty eo amin'ny akanjo. Marika fisaonana (nampidirin'ny Tandrefana) avokoa anefa ireo efapolo taona mahery izay ary mety ho fanao nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taonjato faharoapolo ihany koa rehefa mijerijery sary na sarimihetsika fahiny.
Manoratra izany aho satria manana reny nodimandry tamin'ny marainan'ny 17 marsa 2022. Efa nanindry mandry ahy ihany io fahafatesan'ny reniko izay efa narary am-bolana maro (mety ho efa an-taonany aza) rehefa nanomboka diso andro sy fitadidiana ny tsingerintaonan'ny vadiko izy tamin'ity taona ity: enina andro mialoha izy dia efa niantso sahady ka tsy maintsy nohazavaina taminy kely izany. Hita soritra tamin'ny endriny ihany anefa ny fahagagana tamin'ny nanaovana ny fanazavana. Efa saika hanome fahatsiarovana sahady ny tsingerintaonako amin'ity volana ity ihany koa izy... tahaka ny hoe tsy ho andriny ny fahatongavan'izany; na zavatra iray koa dia satria tsy ho afa-miara-mifaly tahaka ny fanaony taloha miaraka aminay izy raha tsy hoe izahay mihitsy no hanao fanahy iniana hitsidika azy miaraka amin'ny ankizy hanao fety any an-tranon-dry zareo, izay akaniko ihany fony tokatena.
Fanaony isan-taona ny mitsidika ny zanany na ny zafikeliny nahatratra ny tsingerintaona raha mbola tratran'ny heriny na takatry ny hoenti-manana izany ho fiaraha-mifaly. Raha tsy afaka mandeha kosa izy dia andrasany ny andro maraina hiantsoany anao voalohany. Efa fantapantany ny ora fifohazanao ka amin'iny ora iny i "neny" (zanaka) na i "mummy" (zafikely) no miantso anao. Gaga hatrany ny olona amin'ny tadidiny. Indraindray aza izy irery no niantso na niarahaba ny maraina fa ny maro kosa ny atoandro na ny hariva mihitsy aza vao mety ho mahatadidy.
Fanaony isan-kerinandro na isa-tapabolana ny mitsidika ny zanany sy ny zafikeliny amin'ny andro fantany fa tsy mianatra na tsy miasa ianao. Matetika io fotoana io no andro alarobia na alakamisy raha ho anay. Efa nisy aza ny fotoana dia eny ambavahadin'ny sekoly izy no miandry ny zafikeliny sady mitondra "goûter" ho azy ireo amin'izany. Gaga aho ary nanontany hoe maninona no tsy mankany an-trano dia novaliany hoe na atoandro loatra izy no tafainga ao an-trano na somary reradreraka izy ka tsy hahavita ny dia an-tongotra mankany aminay. Ny fahitana ny zafikeliny ny azy no tena fifaliana ho azy ka somokitra mihitsy izy manao izay hampifaly ihany koa ireo zafikeliny ireo. Tsy mahafa-po azy izany hoe antso an-telefonina izany fotsiny no ifandraisana. Samy faly ery anie izahay nandritra ny fotoana nampamaivay ny COVID-19 ireny mba hoe manao "live" amin'ny Messenger satria ela loatra tsy nifankahita.
Efa am-bolana maro anefa izy izay no tsy afa-nandeha lavidavitra ary tsy tonga taty an-trano intsony tamin'ity taona 2022 ity. Dimampolo metatra eo sisa ny lalana vitany raha lavitra indrindra. Tany amin'ny fiandohan'ny tamin'ny herintaona toy izao anefa izy mbola afa-nandeha taty aminay ihany na dia miantso an-telefonina amin'ny hakana azy môtô na fiarakodia eo Lazaina ho any an-trano sy manatitra azy eo indray rehefa hody. Fotoam-pifaliana avokoa izany rehetra izany.
Tamin'izao faramparany izao kosa, hatramin'ny fotoana tsy nahafahany mitsidika ny zanany sy ny zafikeliny intsony, tsy dia mahavita sasalamba ihany koa izy. Na miezaka aza i Dada ny hamita ny lamba araka izay azony natao dia nahavatra aho no naka ny akanjony hosasana aty aminay. Fomba iray izany ahafahana kosa mitsidika azy indray isan-kerinandro ihany koa.
Somary miantsoro-mianotra kely ny fitantarako. Efa nosoratako etsy ambony fa efa nanindry mandry ahy ny handaozany anay tsy ho ela. Maika aho ny hitondra ny zanakay rehetra indray hitsidika azy mialoha ny hikimpian'ny masony. Tsy niteny io antony io mihitsy na tamin'iza na iza aho fa ny nanesika hitondra ny zaza ihany no nolazaiko. Efa teo am-panatontosana izany mihitsy izahay tamin'ny 8 marsa lasa teo saingy tsy nety velona tampoka ny fiara rehefa teo am-pakana lasantsy teo Andombo Ilafy (Sabotsy Namehana ihany manko no ahafantaran'ny maro ilay toerana) ka rehefa velona taorian'ny nanosehana azy dia ny lalana mody no nasiana fiara sy olona.
Tamin'ny alakamisy maraina teo aho hitondra ny lamba avy nosasana sy nopasohana no niantso i Dada hoe raha mandeha aty ianao (izaho) dia mivonòna hijanona any hatramin'ny hariva fa reraka izy nikarakara an'ineny tontolo andro sy tontolo alina. Efa nilaza aho ny alatsinainy, tsinona, fa ho avy any hitondra ny lamba, sady misy zavatra hafa ho ataoko rahateo any 67ha. Efa hafa dia hafa anefa ny saiko vao nahare ilay antso aho.
Mbola manatitra ny ankizy aho aloha vao mizotra mankany ny dia. Rehefa tonga tany aho tokony ho tamin'ny valo ora sy sasany teo ho eo dia izy efa tsy mihetsika no novantaniko. Tonga aho dia nilaza tamin'i Zandry sy i Dada fa mila ho entina izao dieny izao eny amin'ny fameloman'aina izy. Polyclinique Saint François d'Assise no falehanay sady efa nameloman'aina azy ihany koa tamin'ny volana septambra lasa teo (latsaka ambany dia ambany ny tahan'ny siramaminy). Nantsoina io raha manana fiara mpamonjy aina fa tsy manana sady nilaza izy fa tena feno tanteraka ny sampana fameloman'aina ao amin-dry zareo. Nifampijery izahay ary tsy maintsy HJRA izany no itondrana azy.
Mialoha ny fiantsoana ny vonjy taitra anefa dia mbola izay vao nikenonkenona hisakafo sy hiomana miakanjo i Dada sy i Zandry. Izaho efa tsy mahandry intsony. Miady ny saiko, vao nojeren'ny zandriko manko ny tahan'ny siramamy fa ra efa matsora no azony, nojereny koa ny 'tension' fa Error hatrany no mivoaka. Notsapainay tamin'ny oxymetre fa mipendrapendrana ny 70% fa ny nahatalanjona anay dia mbola nivezivezy teo ihany ny "pulse". Izaho kosa, rehefa izaho irery no teo aminy, notsapaiko ny tongony efa mangatsiaka, ny tanany efa hatsatra. Indro aho fa nivavaka niteny (nitsangana fa tsy nandohalika) naneho fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanomezany azy anay, mankasitraka tamin'izay rehetra nataony hatramin'izay nangataka taminy ny handraisana ny fanahiny amin'izay raha izany no sitrapony ary ekeko tanteraka izany sitrapony izany.
Tsy hitantara intsony ny tohin'ity andro ity aho fa ny fantatro dia izao: mba tsy ilazako hoe ny olona rehetra, fa andeha ataoko hoe ny sivifolo isanjaton'ny olona nifandraisany dia manana fahatsiarovana tsara momba azy avokoa. Misy mpanampinay taloha iray izay dia mahavatra hatrany ny miteny hoe veloma any amin'i Mummy rehefa mifanena aminy an-dalana izahay. Tsy miavona izy ary tsotra, tso-piaina sy mandala ny fahamarinana. Izay no voantatarako sady miantraika amiko mivantana momba ny faramparan'ny andro niainany. Azoko fehezina fa tsy nanana alahelo loatra aho tamin'ny fahalasanany satria azoko tsara fa manana zavatra iaretany izy na dia tsy milaza izany na amin'iza na iza aza. Efa roa volana sy tapany sisa ny tsy hahafeno azy ho dimy amby fitolopo taona ka mbola misalasala hoe tsy maintsy ho apetako ihany ve ny bokotra mainty?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire