Accéder au contenu principal

Hirona amin'ny toritenin'ny andro farany?

Mahita toriteny ianareo talohan'ity fitantarako ity. Mety ho somary hafa sy tsy mahazatra ny mpamaky izany. Fitantarana na filazana tantara no tena natao, ny tokotanin-tsehatry ny vakiteny no tena nasongadina, heviteny no manaraka izany. Ny heviteny anefa tsy fitorian-teny velively fa ainga fotsiny ho amin'ny toriteny. 

Tsy fanaon'ny mpitoriteny loatra ihany koa ny mampiaraka ny perikopa na ny sombin-dahatsoratra telo nampiarahana ho amin'ny alahady iray hohazavaina fa maka andininy iray matetika no tena fanao. Etsy ankilany indray anefa tena nahazo tombony aho fa ny ampitson'ny nanirahana anay avy ao amin'ny andiany "Mahefa amin'ny fanompoana (hoy aho hoe M.A.F) dia anjarako ny nitoriteny tao am-piangonana. Te-hitantara be amin'io resaka andro farany io aho, saingy terin'ny fotoana mba tsy hihoatra ny roapolo minitra ny toriteny fa efa tsy mifantoka intsony ny ankamaroan'ny mpiangona raha mihoatra an'izay. Dia iny hitanareo iny ny toriteny. Nampifandimbiasina notantaraina ny Salamo 90.1-12 ny Marka 13.24-32 ary ny 2 Petera 3.1-10. Fa naninona no nataoko ilay izy?

Efa nihoatra ny telopolo taona mahery aho no te-hitondra fampaherezana (fa tsy fampitahorana) ny amin'ity andro farany ity saingy aiza moa no sehatra ahafahana manao izany. Tadidiko fa niteny hatrany aho rehefa misy ny fifampizaràna eo amin'ny samy mpanatrika, raha azo natao izany. Mety ho misy izay tsaroan'ireo samy mpanolotena tao amin'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Efa tamin'ny taona 1993 no te-hizara hoe ahoana ny nataon'ny kristiana manoloana ny alahamadibe nokarakarain'ny MSK (Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera) tamin'izany fotoana izany, ahoana ny hanavahana ny fomba azo atao na hoe mifanaraka amin'ny kristiana (fandroana no tena tian-kolazaina) amin'ny finoanoam-poana izany noravàn'ny misionera tamin'ny namoahana ny alimanaka.

Tamin'ny taona 1996 tany ho any aho, rehefa nahita ilay hoe fampianarana momba ny Apokalypsy, no efa mahita fa tena manintona ny olona hatramin'izany fotoana izany ny amin'ny andro farany. Toa mandòna ny olona kokoa ilay resaka mifahatra tsara amin'ny tany na terre-à-terre, fa toa fandaniam-potoana ny mihaino ny toritenin'ny fiangonana ara-tantara na fiangonana ara-tsaina be loatra? 

Tamin'izany fotoana izany aho no mba nandeha nianatra SEFALA ihany tao amin'ny FJKM Isotry Fitiavana ho an'ny Synodampariteny Antananarivo Andrefana. Tena betsaka ny mpianatra ary mba lasa koa ny fanontanian'ny mpianatra ny amin'ny bokin'ny Apokalypsy. Mangetaheta tokoa ny mpianatra, saingy tsy ho ampy manoloana izay tokony ho ampianarina ny fotoana hamaliana ny fanontanian'ny mpianatra, izany hoe betsaka ihany ireo tsy afa-po tamin'ny valinteny saingy tsy nataon'ny maro ho sakana izany.

Tamin'izany fotoana izany aho tsy resy lahatra mihitsy ny amin'ilay SEFALA fa noheveriko ho paika entina hanakanana ny laika tsy hitoriteny fotsiny izany. Marina tokoa fa misy ny toriteny no mivaona na tsy araka ny tokony ho izy na azo lazaina ihany koa hoe tsy araka ny andrasan'ny mpitondra fivavahana. Tsy nahatozo aho nianatra tamin'izany satria zavatra efa haiko ihany no averina ary indraindray aza dia toa misy fisainan-jaza sa fampiheverana ny olon-dehibe ho mbola zaza (ara-panahy) ilay izy. 

Telopolo taona aty aoriana anefa dia nianatra sy nitozo hatramin'ny farany ihany ny tena mba tsy hisy ny sakana ilazàna fandrao miteniteny foana amin'ny toriteny na fampianaram-pinoana izay atao. Izay rehetra izay no nahatonga ilay toriteny ho mety tsy hahazatra fa eto kosa mety ho malalaka tsara amin'ny fanazavana, fanazavana miainga amin'ny tokotanin-tsehatra (contexte) fa tsy voatery ho kapo-batana satria izay no tena "exegese".


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...