Accéder au contenu principal

Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry

Ho aminareo mandrakariva anie ry havana ny fahasoavana ombam-piadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika. Amen!

Alahady faharoa amin'ny volana novambra isika izao, lohahevitra banjinin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara amin'ity volana ity ny hoe "Miomana amin'ny fiavian'ny Tompo", azo lazaina koa ve hoe "Miomàna amin'ny fiavian'ny Tompo". Tsara homarihana dieny ety am-piandohana fa tsy marina intsony ny fanoratra hoe fihaviana fa fiaviana no izy. Mety hisy hiteny isika hoe ka fihaviana anie no voasoratra ao amin'ny Baiboly protestanta e, eny tokoa, marina izany fa ny teny sy ny soratra mivoatra, mivoatra ny fahalalàna azy ary tahaka izany koa ny fitsipi-panoratana. Tahaka ny hoe hianao sy hianareo no fanoratra taloha fa ankehitriny efa hoe ianao sy ianareo no izy. Ny Baiboly protestanta nivoaka farany dia efa nanaovana ireo fanitsiana voalaza ireo. Tahaka an'io finday kirakiraintsika io e! ny finday tamin'ny roapolo taona lasa efa tsy fantatsika sy tsy ampiasaintsika amin'izao fotoana izao intsony. Ao anaty finday ao misy applications be dia be. Mila fanankotrihina matetika, mis-à-jour na update hoy ny fiteny vahiny mahazatra antsika na dia ny fahalalantsika io tenin'Andriamanitra io aza. Izany koa no andefasantsika isan-taona ny Mpitandrina hanao ny recyclage pastorale mba hifanaraka amin'ny ankehitriny, mis-à-jour, ny fampianarana izay omeny antsika. Noho izany, lesona iray efa azonareo entina mody izay saingy mbola tsy tafiditra amin'ny toriteny akory ary isika amin'izany.

Lohahevitra ny fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo, efa novakìn'ny mpanompony teo ny Salamo faha-90 andininy faha-12 manao hoe: "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry." Raha mijery ny mofonainan'ny taona 2026 isika dia hahita ao an-damosina fa tsianjerin'ny volana novambra 2026 io andinin-tSoratra Masina manao hoe "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry" io. Noho izany, hafahafa ihany raha tsy mifototra amin'io andinin-tSoratra Masina io ny lohahevitra banjinintsika amin'ity andro ity.  

Vakiteny telo karazana no henontsika sy narahintsika teo, vakiteny voalohany ny Salamo 90:1-12. Vao miandoha ny vakiteny dia manao hoe fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Amin'ny Salamo miisa 150 izay hitantsika dia io irery no Salamo nahazo lohateny hoe fivavak'i Mosesy. Tsy mijery ny any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly isika an, ny ao amin'ny Salamo ihany izay lazaina izay. Ny voambolana hoe fivavaka dia milaza avy hatrany ny hoe fanao rehefa mivavaka. Ohatra: fivavaky ny kristiana ny vavaka nampianarin'ny Tompo, saika isan'alahady isika dia manao mandrakariva izay vavaka nampianarin'ny Tompo izay. Amin'ilay Baiboly mahazatra antsika izany dia toa manondro hoe tahaka izay hatrany ny vavaka fanaon'ny Mosesy. Raha ny amin'ny Baiboly protestanta malagasy mivoaka farany kosa dia vavaka nataon'i Mosesy no misoratra eo. Ny DIEM indray dia vavak'i Mosesy no misoratra eo. 

Ny votoatin'ny vavaka nataon'i Mosesy dia maneho ny maha-mandrakizay an'Andriamanitra ny maha-tsi-manampahataperana an'Andriamanitra sy ny hoe mandalo sy miserana fotsiny ihany ny fiainan'ny zanak'olombelona. Ny andininy faha-10 manao hoe Fitopolo taona no andron'ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valopolo taona, efa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany ka lasa manidina izahay. Fiteny fandrentsika malagasy izany rehefa mamangy manjò olona voky andro isika na rehefa amin'ny toriteny amin'ny fitondrana am-bavaka ny fianakaviana mana-manjò ihany koa. Fa izao ry havana: fantatsika ve hoe firy taona i Mosesy no niaina teto an-tany? Ny efapolo taona voalohany izy notezaina ho printsy tao Egypta. Ny efapolo taona faharoa izy nandositra ka niaina tany amin'ny tanin'ny Madianita. Ary ny efapolo taona fahatelo izy nitondra ny Zanak'i Israely nivezivezy sy niaina tany an'efitra.

Raha niaina ny efapolo taona voalohany i Mosesy dia notezaina sy noraisina ho printsy, ho olo-mihaja tsy maintsy iondrehan'ny vahoaka tao Egypta. Izay mamaky sy mahalala ny tantara ao amin'ny Baiboly ihany no mahafantatra fa na dia notezaina ho amin'ny maha-olo-manankaja azy izay aza i Mosesy dia nampahafantarin'ireo nitaiza azy izay tsy iza fa ny ray aman-dreniny sy ny mpiray tampò aminy ihany fa Hebreo ilay karazan'olona ampijalian'ny mpitondra ao Egypta izy. Niantraika be taminy, nandòna mafy ny fony izany ka indray andro raha nahita Egyptiana nampijaly Hebreo izy dia tsy nahatsindry fo fa novonoiny ilay Egyptiana, dia nafeniny tany anaty fasika ilay Egyptiana maty rehefa avy eo. 

Tonga ny ampitso, nahita Hebreo anankiroa niady izy, dia nanao izay hampihavana azy ireo i Mosesy: Ô ry zalahy a! samy Hebreo ampijalian'ny Egyptiana ve ianareo dia mbola miady koa? Tena Aoka ry zalahy a! Fa tonga ho'aho dia namaly ny iray amin'ireo Hebreo roa niady hoe: Fa iza moa no manendry an'ialahy hanapaka anay? Hovonoin'ialahy tahaka ilay Egyptiana omaly koa aho izany? Hay efa nalaza be fa namono Egyptiana mpifehy i Mosesy? Tsy misy hevitra intsony fa tsy maintsy nandositra raha tsy te-ho voasambotra sy hovonoina.   

Nandeha nitsoaka tany amin'ny tanin'ny Madianita tany, tany izy no nanambady sy niteraka ary mety ho efa nieritreritra mihitsy hoe aty aho mipetrapetraka tsara, tsy misy manelingelina, tsy misy iraharahiako an'izay fahorian'ny olona any, efa aty aho izany no maty sy milevina e! Fa tsy izay no sitrapon'Andriamanitra. Fa na dia nanao izay heloka mahafaty aza i Mosesy dia niantso azy Andriamanitra. Fa ianao io koa aloha e! Sao mba efa niantso anao Andriamanitra? Sao efa naneho famantarana anao Andriamanitra hoe avia ianao antsoiko hanao ny sitrapoko, dia ny hanafaka ny olona amin'ny gejan'ny fahotana? Tsy mifidy fotoana Andriamanitra, mety mbola tanora mpianatra ianao no efa miantso anao izy, mety ho amperin'asa ianao no miantso anao izy, mety ho efa retirety aza ianao no miantso anao izy, mety ho faty rahampitso aza ianao no miantso anao izy. Valio ny antsony. Tanteraho ny sitrapony. Fa aza manahy ianao, fa raha antsoiny ianao, moa tsy hiahy anao va izy? Hoy ny voasoratra ao amin'ny Mpaminany Isaia 45:11 manao hoe: "11 Izao no lazain'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany." na "Izao no lazain'NY TOMPO, ny Iray Masin'ny Israely, dia ny namorona azy: Ny zavatra ho avy va no anontaniana Amiko? Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany."  

Ianao kosa izay manana ny nanolo-tena ao an-tranonao. Aza manivaiva azy, aza manambany azy, aza manasongadina ny kilemany hanerenao azy fa tsy mendrika ny fiantsoana ilay olona. Efa renareo ve ny tantaran'ireo rahalahy sy anabavin'i Mosesy? Niborosy an'i Arona i Miriama mba hikomy an'i Mosesy fa hoe tsy mety ny nataon'i Mosesy. Fa Andriamanitra mihitsy no nanasazy an'i Miriama ka nataony boka tsy mahazo miara-monina amin'i Israely ary tsy maintsy mivavaka ho azy i Mosesy mba hanasitrana an'i Miriama. Ry havana, mifalia ianao raha misy olona hanolo-tena ho an'Andriamanitra ao aminao fa mety tsy ho fantatrao akory aza fa izy izay olona nanolo-tena ao aminao izay no mampiditra ny fahasoavana ao an-tranonareo.

Ianao izay vonon-kanolo-tena kosa, tsarovy fa tsy maintsy mandalo fihantsiana na provocations isankarazany ianao. Mangina, manontania an'Andriamanitra mandrakariva amin'izay tokony ataonao, fa raha mamaly ny provocation ianao dia lasa ianao indray no tsy tafiditra any amin'izay nampanantenaina tahaka ny tsy nahazakan'i Mosesy ny provocation nataon'ny vahoaka ka na dia nanafaka ny vahoakan'Israely niala an'i Egypta aza izy dia nampahitan'Andriamanitra fotsiny ny tany Kanàna idiran'ny Zanak'Israely fa tsy navelan'Andriamanitra hiditra an'i Kanàna izy. Tsarovy fa ny tanjon'ny devoly dia ny hahatonga anao hidongy dia hanao hoe "tsy hanao aho izany! fa izao "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry."

Vakinteny faharoa ny Filazantsara araka an'i Marka 13:24-32

Mety ho hafahafa amintsika ny mandray izay voasoratra, mila mahafantatra aloha isika fa nahatonga ny anaran'ny Filazantsaran'i Jesoa ho araka an'i Marka dia satria Jaona Marka no anaran'ilay nanoratra, Jaona no fiantso azy amin'ny maha-jiosy ary Marcus kosa no anarana latina entiny. Jaona Marka dia sekreteran'i Petera ilay nanoratra ny epistily amin'ny vakinteny fahatelo androany. Tanelanelan'ny taona 64-68 no nanoratana ny Filazantsara. Izay mahay tantara dia mahalala fa rava sy may ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny taona 70. Endrika faminaniana izany no vakintsika eto, diniho rehefa tonga any an-trano, raha mba mihevitra ny amin'Andriamanitra ihany ianao, ho fanitsiana satria tadiavin'ny sasany atao ho fampitahorana ity vakinteny ity. Ataovy sary an-tsaina: Maizina ny masoandro, tsy mitaratra hazavana ihany koa ny volana, miraraka ny kintana, hozongozonina ny hery ao amin'ny lanitra. Isika aty amin'ny taonjato faha-21 aty no mandre izany dia hanao hoe "mais non, impossible!" Aiza koa no hisy hoe kintana hiraraka? koa raha tsy afomanga izy ity koa?

Fa izao ilay izy: Sary apetraky ny fitantarana dia hoe lany hery avokoa, malazo avokoa, midaraboka daholo ary mianjera daholo izay zavatra hafa rehetra niankinantsika olombelona ivelan'Andriamanitra, ankoatra an'Andriamanitra. Rava sy montsana avokoa ny fiainana sy ny hoavintsika olombelona. Atao karazana fampitahana amin'izao vanim-potoanan'ny IA izao e! Vitan'ny intelligence artificiel na IA avokoa ny zavatra rehetra, mamoron-kira vitan'ny IA, asa saina mafy rehetra, nianarana an-taonany maro vitain'ny IA ao anatin'ny minitra vitsy monja. Toriteny aza vitan'ny IA ny manao azy. Mankaiza ity fiainan-dRaolombelona ity? Ny olombelona ihany no namotika ny hoaviny tamin'ny nananganana ny IA. Izay ry havana io fitantarana raisina an-tsary io. Lanitra sy tany ho levona izany sary aseho izany. 

Fa tsy nijanona hatreo ny fitantaràna... hoy ny andininy faha-31 manao hoe: Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Misy fifandraisana akaiky ity vakinteny ity sy ny ao amin'ny Epistily nosoratan'i Petera fa amin'ny endrika hafa no nanehoana azy. Rano no nandravana izao rehetra izao tany aloha, tamin'ny andron'ny Noa no tiany lazaina fa afo kosa no handravana azy manaraka. Raha tsy mbola notanterahina ny fandravana tamin'ny fotoana nanoratana ny Epistily noho ny famindram-pon'Andriamanitra dia mba tsy hisy olona ho very fa hibebaka avokoa. Fa mafy fo ny olombelona e! nahariharin'Andriamanitra amin'izay ny asany. 

Tsy maintsy hitantara kely ny amin'ny handravana an'i Jerosalema aho. Fantatrao ve fa raha amin'ny fisainan'olombelona fotsiny izao dia tsy tokony ho resy ny tao Jerosalema fa tokony hahazaka fahirano an-taonany maro? Fa naninona no resy? Na dia efa nanodidina an'i Jerosalema aza ny Romana hanafika azy dia mbola samy nifanafika sy nifamono ny Jiosy nifahatra tao Jerosalema tao. Nizara telo ireo Jiosy ireo satria samy niady hametraka ny lohany ho Mesia ireo Jiosy nifandrafy sy nifamono ireo. Tsy vitan'izay fa nifandoro tahirin-tsakafo izy ireo. Raha vao resy tosika ny antoko anankiray dia doran'ilay nanafika azy ny tahirintsakafo rehetra hanerena ilay resy tosika ho fatin'ny hanoanana rehefa tsy manaraka ilay mandresy. Nifanao an'izany ireo tokony hifampiaro manoloana ny fahavalo iraisana hany ka vetivety dia tsy nisy hanina intsony tao Jerosalema. Olona noana sy tsy manana hery iadiana intsony no notafihan'ny Romana dia resy ho azy. Nodoran'ny miaramila romana sy levon'ny afo ny Tempolin'i  Jerosalema izay lanitra sy tanin'ny Jiosy. Fa izao koa ny tsara hofantarina, tsy nisy kristiana na dia iray aza maty tamin'izany fanafihana izany. Fa ahoana? Vakio hatramin'ny voalohany io Marka 13 io, efa nomena baiko handositra hiala an'i Jerosalema sy Jodia ny kristiana rehefa mitranga ilay voasoratra ao amin'ny andininy faha-14.   

Vita izay fahoriana izay, dia ny voninahitr'i Jesoa Kristy sisa no niseho. Raha nitantara ny Zanak'i Israely tany an'efitra notarihan'i Mosesy isika tany aloha dia tsarovy fa nisy andrirahona sy andriafo niambina ny Zanak'Israely sy teo afovoany tambonin'ny Tabernakla. Ny Marka 13:26 dia ahitana soratra fa miseho amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra ny Zanak'Olona. Ry havana, efa lava izay, mety ho efa leo aza ianao. Hafatra ny hoe aza mifandrafy sy mifamely ianareo. Isika Kristiana amin'izao efa be ny mifamely, diso ny fampianaranareo fa ny anay no marina, mifanasekta ny kristiana dia lasa tsy hita ny loza mitatao eto amin'izao tontolo izao. Ny kristiana na aiza na aiza amin'izao fotoana izao no iharan'ny fanenjehana mafy indrindra ary tena mihatra aman'aina ihany koa izany. Andao hiara-hianatra amin'i Jesoa Kristy isika rehetra, hahay hanisa ny androntsika, hahafantatra fa efa eo am-baravarana i Jesoa. Andao isika hiaraka amin'ilay maharitra mandrakizay, matahotra noho ny asa ve ianao? Ao amin'Andriamanitra tsy misy izany hoe tsy miasa izany ary mbola averina indray: Andriamanitra hiahy ny olony. An'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen! 

 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...