Accéder au contenu principal

Mitatatra ho an'ny soa iombonana

Ny filohan'ny "Association Mamy ny Soa" nanofa compacteur tany Atsimondrano ho amin'ny fanarenana ny lalana nandritra ny roa andro


Tamin'ny 07 septambra no nambara tato amin'ity blaogy ity ny fanatontosana lanonam-panangonam-bola hanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa ary mipaka amin'ireo tanàna hafa manodidina. Efa fantatra tamin'izany fotoana izany, noho ny hamoran'ny fanasana, fa tsy hahavita manontolo ny fanaovan-dalana mihitsy ny vola azo amin'izany, fa ny ampahan-dalana manahirana indrindra kosa no ezahina hovitaina mialoha ny firotsahan'ny orana. 

Fony vita ny fanangonam-bola saingy mbola tsy nanomboka ny fanarenana ny lalana. Tsy maintsy natao aloha, avy amin'ny volan'ny tena manokana, ny anesorana ny atsanga (sy vato sy biriky) nanentsina ny lalan'ny rano ka nampitondraka ny riaka sy nanimba ny lalana izay mpitranga teo aloha. Teo amin'io sary io no niandohan'ny fahoriam-bahoaka nahatonga ny lalana hamotaka tanteraka taty ambanimbany taty.

 



Tahatahaka ny ahoana kosa lalana ho amboarina. Nisy tracto-pelle nandalo teo nandravona am-boalohany ilay lalana ho amboarina. Nihazakazahana aloha ny hanamafisana (totovato) ny lalana avy eo mba ho azon'ny fiara andehanana ary tsy malama hampibolisatra izay mandalo.

Mbola ao anatin'ny fokontanin'i Lazaina izany ampahan-dalana izany nefa ny KOmitin'ny Lalana ISahafa no tena tompo-marika tamin'ny fanaovana izany lalana izany eo ambany fiahian'ny Kominina Anosy Avaratra mazava loatra. Samy nanao izay anjara tandrifiny avokoa ny tsirairay, na tompon'andraikitra ao amin'ny fiadidiana ny tanàna izy na olon-tsotra mifarimbona ho amin'izany fanamboarana ny lalana izany.


 


Ezaka totovato talohan'ny hanaovana ny tatatra mba ho azon'izay mandalo ampiasaina araka ny tokony ho izy ny lalana. Samy nandray anjara avokoa ny rehetra. Teto no nahitana fa tena malalaka ny lalana raha ny tokony ho izy fa tsy tahaka ny teo aloha saika tsy azo ifanenana. Olana kely fotsiny ny tsy namelan'ny tompony ny hanesorana ireo zava-maitso atsimon'ny lalana (ankavanana raha amin'ny sary mitsivalana) fa raha tsy izany dia tena tazana tsara izay hifanena avy any ambony na avy any ambany. 


Ankehitriny, azo lazaina fa vita ny tatatra eo amin'ny toerana lazaina ho ratsy lalana indrindra, ary efa afa-po ihany ny tena. Afa-po satria raha nandriaka tahaka ny nivadika ho renirano ny lalana miditra an'i Lazaina, tamin'ny nisian'ny orana nivatravatra teo dia lasa tao anaty tatatra avokoa izany rano izany rehefa hiditra tao amin'ny faritra nanaovanay ny asa. Tahaka ireny zara fa nisy orana ireny ilay izy rehefa nodiavina. Faritra kely dia kely teny ambany faramparan'ny tatatra ihany no somary nihoatra kely ny tatatra ny rano nefa tsy nisy fiantraikany tamin'ny lalana izany.


 

 



Fanaovana ny tatatra amin'ny tapany ambony amin'ny lalana. Fanombohana sy tohiny.


Regard voalohany eny ambony izay olon-tsotra ao Isahafa Ankadivory ao no nanapa-kevitra hamita azy io misy rano io tamin'ilay orambe.


Izay hitantsika izay ny tapany ambony amin'ny tatatra namboarina mandra-pahatonga eto amin'ity tetezankely miditra amin'ny tranon'olona ity.

Mifanandrify amin'ny lalana ratsy indrindra teo aloha izao famitana tatatra izao

Nahazoanay traikefa tsara ny fanaovana tatatra rehefa mby amin'ny marindrano ny lalana

Efatra ny regards natao tao antenantenany tao fa mbola feno fasika ihany rehefa tonga aty.


300 metatra tany ho any ny fanatatarana

Efa azo heverina ho nofiratsy sisa ny lalana mamotaka sy malama raha mandeha amin'ilay lalana. Vao ny tatatra fotsiny no vita fa tokony hiditra indray amin'ny lafiky ny lalana isika dia hita eo hoe inona ny lalana ho atao eo amboniny eo: goudron ve? dalle na beton ve? sa hijanona amin'ny lafika izay tsy maintsy totovato aloha? Mandeha toy ny rano ihany koa anefa ny vola nanaovana ny fanarenana ny lalana ka miantso hatrany sy mandrakariva ny fandraisan'ny tsirairay anjara ho amin'izany. Indreo misy sary azontsika jerena ahitantsika ny fivoaran'ny fanaovan-tatatra tsy maintsy atao alohan'ny fanaovan-dalana raha tiana hateza ny lalana.

Tsy maintsy nesorina io fasika mandrevo io ka!



Manantena izahay fa hampihetsi-po hahatonga anao handray anjara amin'ny fanarenana ny lalana koa izay nasehonay izay. Fanatsarana lalana amin'izay no ataontsika sa ahoana?


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...