17.1.22

Kianja Isahafa: Saro-piaro ny olona na dia tanim-panjakana aza io! [nohavaozina]

Ny mpamaky ny blaogy etoana dia ataoko fa efa mahafantatra ihany na dia ambangovangony aza ny karazam-pifanolanana misy eo amin'ny ampahan'ny fokonolona eto Isahafa sy ny Fiadidiana ny Kaominina Anosy Avaratra tarihan'ny Ben'ny Tanàna miaraka amin'ny Filankevitra. Notapahina fotsiny ny fihaonana farany tamin'ny asabotsy 15 janoary 2022 noho ny mety ho fahatsinjovana fa tsy hivaha amin'io fotoana io ny lohahevitra ifanakalozana sy/na iadiana.

Ny lahatsoratra hita tampoka tao amin'ny gazety DéLire Madagascar nivoaka tamin'ny 26 marsa 2021 no nahitana fa nisy ny fanaovan-tsonia nifanaovan'ny Minisitera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny Société Générale Madagascar ary ny kaominina ambanivohitra Bongatsara sy Anosy Avaratra ho fanorenana tanàna vaovao ny omalin'io, izany hoe natao ny 25 marsa 2021 izany io fanaovan-tsonia io. Mariho araka io lahatsoratra io fa ny minisitra teo aloha Michaelango ZASY mihitsy no nanao ny sonia.

Nandritra io fanaovan-tsonia io dia efa misy fantatra,araka ny lahatsoratra ihany, ny toerana anaovana izany ho an'ny Kaominina Bongatsara... fa tsy nisy na inona na inona kosa nolazain'ny lahatsoratra ny amin'ny toerana hanorenana izany tanàna vaovao izany ho an'ny Kaominina Anosy Avaratra.

Ny fanazavan'ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Bongatsara no nahitana ny dingana atao raha hanao fotodrafitrasa: Entina eo amin'ny filankevitry ny kaominina ny toerana hanaovana ny tetikasa. Avy eo entina eny amin'ny minisitera. Ary ny farany dia entina eny amin'ny fananantany.

Ny fanapahan-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoana tamin'ny jolay 2021 mitondra ny laharana faha-018/CR/AA/DC/21 no nahitana tamin'ny andininy voalohany fa ny tany Parcelle n° 1086-1089 eny Isahafa (Kianja B tamin'ny sary efa navoakako taloha) no hananganana fotodrafitrasa "Toeram-ponenana vaovao" ho solon'ny ampahan-tany -ampahany- eo amin'ny Parcelle 546-H araka ny fanapahan-kevitra laharana faha-16/CR/AA/DC/20 tamin'ny 25 septambra 2020 (Kianja A tamin'ny sary efa navoakako taloha).

Raha ny fahazoan'ny mpanoratra dia ny Parcelle n°546-H izany no nentina hahazoana sonia nifanaovana tamin'ny minisitera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana mbamin'ny Société Générale tamin'ny 25 marsa 2021. Taty amin'ny jolay 2021 anefa dia hoe afindra eo amin'ny nanaovana sonia ny kianja - kelikely kokoa - araka ny andininy faharoa tamin'ny jolay 2021.

Inona no antony nahatonga indray io fanapahan-kevitra hanova ny toerana io ka ilay kianja izay efa fantatry ny mpankafy fanatanjahantena, efa nijoro hatramin'ny taompolo 1990s indray no hanorenana fonenana?

Ny fandehan'ity tantara ity izany dia tahaka izao:

  • 2019-2020 Namory ireo Ben'ny Tanàna rehetra manodidina ny renivohitra ny minisitera lefitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana raha misy tanim-panjakana any amin-dry zareo ireto hananganana tanàna vaovao. Nilaza ho manana ny kaominina Bongatsara sy ny kaominina Anosy Avaratra.


  • 25 septambra 2020: notapahin'ny filankevitra Anosy Avaratra araka ny laharana faha-16/CR/AA/DC/20 fa ny Parcelle 546-H no hanaovana izany tanàna vaovao izany.


  • 25 marsa 2021: natao ny fifanaovan-tsonia niarahana tamin'ny minisitera lefitra misahana ny tanàna vaovao ka ny ampahan'ny Parcelle 547-H no atolotry ny Kaominina Anosy Avaratra hanaovana izany tanàna vaovao izany.


  • 30 jolay 2021: notapahin'ny filankevitry ny Kaominina Anosy Avaratra indray noho ny fampiantsoan'ny Ben'ny Tanàna fivoriana tsy ara-potoana fa hosoloina ny Parcelle n° 1086-1089 ny Parcelle 546-H ka ity ampahan-tany ity indray no hanaovana kianja kelikely kokoa.


  • 18 Desambra 2021 sy 15 janoary 2022 no nampahafantarina ny fokonolona ny tetikasa tanàna vaovao. Tsy dia naharenesana fandavana loatra (na mety ho nisy aza) raha naorina tao amin'ny 546-H io tanàna vaovao io fa misimisy kosa no tsy mahazaka sy tena malahelo raha ilay n°1086-1089 misy ny kianja amantarana an'Isahafa no ravaina.


Tsy ny tsy faneken'ny olona ny handravana ny kianja misy toeram-pihazakazahana no entina ilazana fa manohitra fampandrosoana izy ireo. Ataovy eo amin'ny 546-H ny fananganana tanàna vaovao raha atao fa raha ny 1086-1089 kosa no horavana dia samia maka ny andraikitra tandrify azy sy ny vokany ny fokonolona sy ny kaominina.

Rohy hafa milaza ny fifanarahana 25 marsa 2021 tao amin'ny Midi Madagasikara ato: amin'ny teny frantsay milaza fa Ambohitrimanjaka no tena malaza fa miaraka aminy ihany koa i Bongatsara sy Anosy Avaratra.

Ny lahatsoratry ny Newsmada tamin'ny 17 jona 2021 izay ilazan'ny Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana fa natokana ho an'ireo manana fidiram-bola mazava ny "Logements Sociaux" ary efa misokatra ny fahazoana trano fonenana.

Aucun commentaire: