Fanamarihana: Ity taratasy fanangonan-tsonia ity dia natolotra nandritra ny fihaonan'ny Olomboafidin'ny Kaominina Anosy Avaratra sy ny fokonolona eto Isahafa. Mariho fa tsy ny fokonolona manontolo no manohana sy manao sonia ny taratasy... ary raha efa nomena ny olomboafidy sy ireo mpitantana mpiara-miasa aminy izany dia ataoko fa tsy misy tokony tsy hampisehoana azy ampahibemaso toy ny etoana.
A/ TSY FANEKENA NY FANDRAVANA KIANJA FANATANJAHANTENA ETO ISAHAFA
I 1) Fotodrafitrasa ary tetikasa efa misy sy mijoro
Fotodrafitrasa noforonina an-taonany maro, mihoatra ny 20 taona, izany hoe tetikasa efa mijoro hatry ny ela. Nandaniana vola sy hery ary mbola nohatsaraina sy nampanantenaina fa ho tsara satria nahatsapa ny rehetra fa zava-dehibe sady tena ilaina ny fijoroan’izy io.
2) Efa nanao fandaniana teo ny fanjakana, ny mpanohana maro na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany, ny fokonolona sy ny tanora teto Isahafa. Heverina fa tsy tokony hotsinontsinoavina izany ka horavana izay efa najoro.
3) Fitaizana sy fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ary ny rehetra io kianja io. Tsy ny mponina eto Isahafa sy ny manodidina ihany fa na ny avy lavitra koa aza : section , ligue, sport scolaire, Avaradrano, nasionaly, sekoly rehetra manodidina. Raha raisina ho zavadehibe ny fanabeazana tsy tokony horavana ny mahasoa.
4) Efa tao anaty drafi-pampandrosoana kaominaly io ka tokony hisy ny fitohizan-draharaham-panjakana ary ny fanatsarana izany aza no tokony imasoana sy iarahana manao.
5) Tetikasa fanasoavam-bahoaka mivantana indrindra fa ho an’ny tanora hoavin’ny firenena ny kianja efa nokarakarain’ny maro satria samy resy lahatra amin’ilay tetikasa avokoa ireny. Andao hohatsaraina satria tetikasa mijery lavitra
II Fampanantenana sy tanjona
Tsy manana kianja afa-tsy io eto Avaradrano ka ahafahana manatanteraka fanatanjahantena marolafy (multi-disciplinaire : Football, Basketball, Handball, Athletisme, Javelot, saut…). Nampanantenaina hatao kianja manara-penitra izany mba ho tombontsoan’ny besinimaro fa tsy ho an’olombitsy.
Eo amin’io kianja io no ahafahana mandray SPORT SCOLAIRE, regional ankizy an’alina sy ny manodidina, fanaovana tournoi foot Intersection sns…
Hananganana COMPLEXE SPORTIVE hany tokana aty Avaradrano no nantenaina sy nampanantenaina.
Ny ankizy manao fanadinana ara-panatanjahantena analinkisa dia hanao izany eo amin’io kianja io fa tsy handeha lavitra ho any Andralanitra na Antananarivo Renivohitra. Tombotsoa maro no azo amin’izany : tsy lany fotoana mankany Antananarivo, tsy lany vola atao sarandalana ary fitsinjaram-pampandrosoana eo amin’ny firenena ihany koa izany.
Fitsinjarantany
Mitana anjara toerana lehibe maha ISAHAFA an’ISAHAFA io ary ilain’ny vahoaka, tsy ny eto ihany fa ny kaominina akaiky sy lavitra, ny distrika manodidina, eny Madagasikara mihitsy aza dia samy mila an’io.
Tantara maro no voarakitr’Isahafa izay heverinay fa misy kolontsaim-pirenena tokony hohazonina ao anatin’izany.
Toerana manana ny hasiny sy tantarany Isahafa. Eo amin’io toerana io no fanaovana matso fony faha-mpanjaka. Mitovy amin’i Mahamasina ao Antananarivo io.
Fanisan’i Jaoba ny miaramilany tamin’ny faha-panjaka (Dongon’i Jaoba)
Tsy misy anaran-tanàna ISAHAFA eto Madagasikara afa-tsy eto aminay koa io kianja io no anisan’ny manamarika izany. Aza foanana ny kolontsaina. Kolontsaina manokana izany ISA-HAFA izany.Nandritra ny taona maro dia betsaka ireo niezaka naka ireo tany ireo ho amin’ny tombontsoany manokana. Misy aza ny eo amin’ny fitantanana izay tsy mijery ny tena an’ny vahoaka fa ny azy ihany no fantany.
a) Nodongian’ny fokontany hafa sy kaominina hafa io raha niala tsy ho kaominina Ambohimanga Rova Isahafa
b) Orinasan’olotokana CICAGEBAT, SLALOOM sy olontsotra maro no te-hobodo tany teo kanefa tsy neken’ny fokonolona teto Isahafa noho ny fiarovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy ho tena fampandrosoana mijery lavitra.
d) Tetikasa tsy nahazoana fankatoavan’ny fokonolona ny FONJA sy ny hafa
e) Nisy tamin’ireo no nanaovana fakankevitra kanefa dia nolavinay satria tsapanay fa fitiavan-tena sy fanaparam-pahefana ary fitaka.
Ny tanoran’Isahafa milalao (fikambanana ara-panjakana) no nanangana io, nanala vodi-bozaka, nandravona kianja, nanangana but ary afaka nilalaovana tsara.
Nohatsaraina tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa maro (3P) ka na dia ny fifaninanana avo lenta aza dia eo no atao.
Ankehitriny ny fanatanjanahantena an-tsekoly dia mampiasa feno ny kianja amin’ireo taranjam-panatanjahantena iombonana na ilalaovan’olo-tokana.
Kianja efa notokanan’ny Chef District sy Chef CISCO, Ben’ny Tanàna sy Filohan’ny Fokontany ary nohamafisina tamin’izany fa ny sport scolaire sy ny fanadinana ara-panjakana no tena fototra nanamboarana ny fotodrafitrasa.
Fehiny : LAVINAY NY FANALANA NY KIANJA FANATANJAHANTENA ETO ISAHAFA
B/ MOMBA NY FANANGANANA TRANO EO AMIN’NY KIANJA EFA MISY SADY AMPIASAIN’NY VAHOAKA MALAGASY
a) Hatreto dia tsy mazava aminay ny fanaovana io tetikasa io
Ny fantatray dia saika natao tao amin’ny Parcelle 546-H ny tetikasa vaovao, nahoana no navadika ho eo amin’ny Parcelle 1086-1089 izay efa misy tetikasa hafa mijoro ary tokony hohatsaraina aza.
Tsy mazava amin’ny fokonolona ny fanatanterahana ny asa sy ny votoatiny ho amin’ny fampandrosoana. Fampiakarana ny vidim-piainana izay efa manahirana amin’izao no tsapanay fa mety ho vokatr’izany.
Tsy mba nanaovana fakankevitra ny fokonolona izay tompon’andraikitra amin’ny fiarahamonina nefa izy no voakasik’izany ka tsy mahatsiaro hoe « fampandrosoana azy io »
b) Tsy natao ho an’ny eto antoerana ny tetikasa.
Tsy mazava ny fifandraisan’ny tetikasa sy ny tena fampandrosoana ny olona sy ny tanàna satria Fampandrosoana mijery lavitra no efa nomanin’ny vahoaka. Tsy manana tany maro izahay fa ireo no misy tsy maintsy hitsinjovana sy handaminana ny fandrosoan’ny tanàna.
Angatahinay ny mangarahara sy ny fomba fitantanana ny amin’ny tetikasa toy izao : Appel d’offre , beneficiaire, plan d’execution…
Misy mpanolotsainan’ny tanàna aza tsy mahalala tsara ny toerana ananganana io tetikasa io
Fehiny : Fampandrosoana mijery lavitra izay tsy maintsy ananan’ny mpitondra sy ny vahoaka dia mandrindra tetikasa voalamina tsara sy voadinika tsara. Tsy hanao hevi-dramanavy ka ny tongotra no ambony fa andao hapetraka amin’ny tany ny tongotra.
D/ FAMPANDROSOANA MARINA
Fanajanonana ny fandravana ny kianja no angatahinay maika satria tetikasa efa nokarakaraina sy efa mijoro io.
Ny fanorenana trano izay ho vinam-pampandrosoana dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny fampandrosoana marolafy sy ny soa iombonana.
Ny fandinihana ny tetikasa dia aoka hitsinjo ny fitomboan’ny mponina izay efa manomboka mihamaro amin’izao fotoana izao. Jerena ihany koa ny fikajiana ny tontolo iainana mba ho fampandrosoana marina.
Ny fampandrosoana dia mampiasa ny fitsinjarana ny tany ananana amin’ireo departemanta eto amin’ny firenena. Satria na rahoviana na rahoviana dia handroso foana ny tanàna ka any aoriana indray vao hitady toerana. Ilaina ny drafi-pampandrosoana ho tanandehibe. Vinam-pivoaran’ny tanàna no angatahinay
Ireo minisitera sy departemanta mila toerana
Minisitera sosialy : 1- Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (MEN): fananganana CEG sy Lycée annexe ohatra
2- Minisiteran’ny fampianarana ambony (MESUPRES)
3- Minisiteran’ny fahasalamana : CSBII
4- Minisiteran’ny tanora, fialam-boly: Lapan’ny tanora, Tranomboky
5- Minisiteran’ny kolontsaina:
6- Minisiteran’ny Fanatanjahantena:
7- Minisiteran’ny rano, fidiovana
8- Minisiteran’ny fampananana asa : Trano fanofanana arakasa
Minisitera toekarena : 9- Minisiteran’ny varotra (tsena)
10- Minisiteran’ny Fitaterana: Terminus taxibrousse sy bus
11- Tranom-pokonolona
12- Minisiteran’ny fambolena: fametrahana pepinière, trano fanofanana ny tantsaha.
Minisitera fandriampahalemana : 13- Filaminam-bahoaka: toby ho an’ny mpitandro ny filaminana
Fitantanana ireo tranom-panjakana izay mbola maro tokoa no ilaina.
Ny fandraisan’ny fokonolona andraikitra no tena hisian’ny fampandrosoana
ISAHAFA tena HAFA ary MANDROSO
Fehiny :
Tsy ekenay ny fandravana ny kianja izay tena ilain’ny tanàna
Takiana mba hatao mazava sy mangarahara ary misy fiantraikany tsara ho an’ny vahoaka ny fanorenana trano ka ajanona aloha.
Ny fampandrosoana an’Isahafa izay efa niomanana (PCD : plan communal de developpement) dia tohizana sy havaozina ary iaraha-mandinika ny fanatanterahana izany.
Eto ambany ny sonian’ny olona manohana ny tetikasa efa mijoro sy ny fanatsarana azy
[...]
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire