5.8.20

Ny finoan'ny vazimba hitan'i Robert Drury teto Madagasikara

Mariho mazava tsara fa dia io vazimba (Virzimbers) io mihitsy no nosoratany tao amin'ny diariny. Hevero ho karazana fandraisana naoty amin'izay novinaky nozaraina aminareo fotsiny ity lahatsoratra etoana ity.

Tsy misy itovizany amin'ny fivavahana Islam ny fivavahan'ireto olona ireto ankoatra ny famorana. Ny fihinanany henakisoa fotsiny dia efa mampifanohitra tanteraka ny fivavahan'ireto amin'ny Islam.

Raha resaka jiosy indray no ampitahana amin-dry zareo dia ny jiosy aza no naka tahaka an'ireo olona ireto fa tsy ireto olona ireto no naka tahaka jiosy, efa taloha ela noho ny an'ny jiosy ny fivavahan'ireto olona ireto.

Voalohany amin'izany, matoky ny nofy ry zareo ary mamantatra ny hevitr'izany nefa nampitandremana tamin'ny mpanaradia an'i Mosesy izany toe-javatra izany.

Faharoa, manàratra (manasola) tanteraka ny lohany ry zareo rehefa misaona, nefa tsy azon'ny taranak'Isiraely velively ny manao izany.

Fahatelo, ny an'i Mosesy ny lahy ihany no atao sorona nefa ny an'ireto olona ireto ny vavy aza no ataony sorona kokoa. Rehefa manao sorona ry zareo dia tsy misy fombafomba lava arahana izany. Tsy mampiasa emboka amin'ny fivavahana ry zareo fa rehefa handevina ihany no mandoro ditinkazo hiadiana amin'ny fofom-paty.

Fahaefatra ny fampiasana ody (owley no nanoratan'i Drury azy=oly na ody hoy ny ofisialy) izay nampitahana tamin'ny Efôda sy Terafima ampiasain'ny Levita fa ny an'ireto olona ireto kosa nampiasaina izany hiantsoany ny razambeny. Nanontany tena ny mpanoratra fa sao dia fanatsarana ny fiambozonana ody ny fiambozonan'ny mpisoronabe ny Orima sy Tomima.

Efa niresaka vazimba, ngita loha. Andrianahary ny anaran'Andriamaniny ary mahatsiaro ny nahatongavan'ny razambeny teto amin'ny nosy tamin'ny alalan'ny sambo maromaro (Kunlun ve hoy aho?)

Ny fihevitry ny lehibe momba Ilay nahary izao tontolo izao dia tsy misy fantany afa-tsy izay mifandraika amin'ny rariny, ny fahendrena ary ny fahatsaram-panahy. Novitainy tsara ny zava-drehetra ary tsy mila fanitsiana na fanatsarana intsony.

Mandeha ho azy ny dina sy ny fifanarahana rehefa mihoatra ny 40 ny isan'ny fianakaviana ho fanasaziana na fandroahana izay mangala-badin'olona, mpamono olona,  mpangalatra. Ampianarina dieny mbola kely ihany koa ny fanajan'ny ankizy ny ray aman-dreny. Ary mafy dia mafy ny lalàna iadiana amin'ny fanozonana ray aman-dreny.

Manara-bolana ny fanisanandron-dry zareo ka ny fenomanana no manasaka ny volana, fanatsarana kely dia kely monja izany herinandro izany. Tsy andro raikitra ny andro fitsaharana fa araka izay tian'ny tompony amin'ny andevony. 

Mpivavaka tokoa ry zareo ireo, fa isaka ny misy toe-javatra dia mitodika amin'Andrianahary hatrany, rehefa mitady vonjy na fanampiana, ary maneho fankasitrahana ihany koa, tsy manana tempoly na tabernakely na toeram-pivavahana hafa ry zareo, tsy manana andro fety manokana raikitra na pretra manao izany manokana misolo azy ireo.

Marina fa misy ny mpimasy na mpaminany mitarika amin'ny fanaovana ody amin'ny fakan-javatra na hazo manokana na zavatra hafa manana hery manokana mety amin'ny fanahy araka ny filazan-dry zareo. 


Ireo izay tsy simban'ny Eoropeana na Miozolomana dia ahitana olona tsy manantsiny, manaja maoraly ary maneho ny mahaolombelona.

Aucun commentaire: