12.8.20

Famantarana ny zotra nalehan'ny razamben'ny Malagasy?

 Somary nahataitra ahy ny momba ity fokon'olona antsoina hoe Bajuni efa hanjavona amin'iny manamorona an'i Afrika Atsinanana iny. Vao henoko ny anarany sy ny fombany dia ny Vezo eto amintsika avy hatrany no ao an-tsaiko. Taranaka mpiandriaka tahaka ny Vezo manko ry zareo ary tia sy mankamamy ny ranomasina tahaka ny Vezo.

Ny vezo izay mitovy fomba sy kolontsaina amin'ny vondron'olona any Indonezia antsoina hoe bajau izay tantarain'i Otto Christian Dahl amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe "From Kalimantan to Madagascar".

Amin'ny faritra Somalia dia naripaky ny Somali ireto taranaka mpanjono ireto, natao ankeriny ny vehivavy sy ny zazavavy, novonoina sy notsatohana antsy ny lehilahy sy ny zazalahy. Monina amin'ny nosy hatrany ireto Banjuni ireto fa ny Somali an-tanety mandrakariva. Tamin'ny fikorontanana politika taona 1991 no naka ny tany sy ny toeran'ireto Banjuni ireto ny Somali. Talohan'izany anefa ireo samy olon-ko azy.Izay sisa tavela fantatra, efa noterena hanambady Somali ny vehivavy ao aminy.

Miely manamorona ny ranomasina manomboka eo Kismayuu ny fonenan-dry zareo ka tonga hatrany amin'ny Nosy Patta (Pate). Malaza amin'ny fanamboarana sambo na lakana nozairina ry zareo. Io koa no nanaitra ahy satria mitovy tamin'ny sary sambo voasokitra tany Java (indonezia) izany. Hatreo ihany ny fitoviana hitako.

Loharano iray ao amin'ny wikipedia no nilaza angano fa vondron'olona tonga an-dranomasina nantsoina hoe Wadiba avy any Maldives tamin'ny vanim-potoana tsy fantatra no nitondra ilay karazan-dakana na sambo (Mtepe) voalohany ka nalain'ny mponina afrikana rehetra manamorona ny ranomasina tahaka avy eo. Dia misy anarana Wadiba manakaiky ny vazimba koa eto.

Mety ho sombim-pamantarana amin'izay lala-nodiavin'ny razambentsika ve ny famantarana izay torohay kely dia kely izay?

Aucun commentaire: