7.8.20

Ankatso nitoeran'ny Tahiamanangoana talohan'Ambohipeno

 Ankatso: Tsara aro sy mahatazan-davitra ary sarotra idirana. Vohitra hodidinina heniheny. Azo lazaina fa nosafidianan'ny vazimba voalohany manokana ity toerana ity satria avo toerana hodidinina heniheny sy ankona (marécages) manana hantsana voajanahary. Feno voay ihany koa ny ankona araka ny fitantarana.

Ny fiotazana sy ny fihazana no tena nataon'ny vazimba tonga teto anivontany tamin'ny voalohany, ka kinga dia kinga ry zareo tamin'ny fanjonoana.

Raha nisy ny fifanafihana maro dia maro nitranga dia tsy mba resy mihitsy na dia indray mandeha aza ny tao Ankatso noho ny bikan'ny toerana tsy ahafahana manafika azy tsotra izao. Sarotra sy manasatra ny miakatra any Antampon'Ankatso.

Misy andalana ao amin'ny Tantaran'ny Andriana pejy 18 milaza fa raha nanafika ny vazimba ny mpanjaka Andriamanelo, dia resiny avokoa ny toerana manodidina,  fa: "Ary Andrianankatso tsy mba vazimba resin'Andriamanelo", efa nilevina tao Ankatso i Andrianankatso tamin'Andriamanelo nahita ny vy natao lefona manidina (hanafihana ny vazimba). Izany hoe talohan'ny nampiasan'Andriamanelo ny vy manidina no nialan'ny mponina tao rehefa niamboho ny mpanjakany.

Ao amin'ny boky toha-pikarohana nosoratan'i Adrien MILLE, hahazoana ny mari-pahaizana "Doctorat de 3ème Cycle: Contribution à l'étude des villages fortifiés de l'Imerina ancien (Madagascar), Clérmont -1970. pejy 17-18 no itantarany ireo notondroina ho vazimba miavaka ka notondroiny ny:

__ Antehiroka nonina teny Analamasina-Analamanga sy Ambohimanarina-Ambohitriniarivo,

__ Manendy izay nonina voalohany teo Ankotrokotroka izay lasa Ambohidrabiby rehefa azon-dRabiby ny toerana ka nifindra tany Anativolo sy Anosivola kosa ireo nonina tao taloha

__ Tahiamanangoana izay voatondron'ny lovantsofina ho Vazimba ihany koa, ireo no nonina tao Ankatso, ka rehefa niamboho Andrianankatso dia niala tao ny mponina tao Ankatso ka nifindra nankany Ambohipeno, niara-dia tamin'Andriandranando.

Tsy navahany ny Zafimbazaka manana an'i Dilambato ho renivohitra nefa dia nasongadin'ny boky Tantaran'ny Andriana dieny any ampanombohana milaza ny maha-vazimba azy ireo.

Ny anton'ity fampahatsiahivana farany ity, tsy dia hoe Zafimbazaha ny mpanoratra dia te-hanatsidika izany kely fa misy izao hevitra manaraka izao. Betsaka amin'ny zafimbazaha no fotsy, ny raibeko manga fa ny zanany fotsy avokoa. Izany hoe rehefa vazimba dia tsy tokony heverina ho olona mainty na manga avy hatrany araka ny fihevitra mahazatra fa dia misy tokoa ny fotsy na mazava endrika. Fanitsiana fihevitra diso sy fanesorana ny fanaovana safobemantsina izany soratro izany.

Aucun commentaire: