5.8.20

Andrianampoinimerina sy ny Tahiamanangoana (fizarana voalohany)

Amin'ny ankapobeny, entina hanasohasoana an'Andrianampoinimerina ny boky Tantaran'ny Andriana, na andeha ahitsy kokoa hoe, nanao izay hanasoasoa an'Andrianamponimerina ny fitantarana nataon'izay nitantara tamin'ny mompera Callet. Ny nanangona no nataon'ny mopera Callet fa ny fandrafetana ny boky mbola tsy tena vita. Raha vakiana amin'ny lôjikan'ny Tantaran'ny Andriana nangonin'ny mompera Callet, pejy 525, dia nitodi-doha tany Vakinisisaony ny fanafihan'Avaradrano rehefa nahafaka fanintelony an'Antananarivo ry zareo sy nahavita tsara ny fandaminana ny fizarana ny tanàna ho an'Avaradrano mpandresy sy mpambabo.

Avy amin'ny tantara nanafahana an'Antananarivo no nahitana fa nesorin'Andrianampoinimerina tsy honina ao an-tanàna intsony ireo olona tsy nanaiky moramora ny hanoa azy. Nosoloiny voanjo avy any Avaradrano ireo olona noroahana ireo. Ny tao Antananarivo moa dia nasaina nitondra hatramin'ny razany nivoaka ny tanàna ny olona tao. 

Hankany Alasora hampanaiky azy ho eo ambany fahefan'Andrianampoinimerina i Avaradrano. Ambohipeno no dingana voalohany. Nandefa ny antso ary Andrianamponimerina: "Tany mandry ity? Fa manao ahoana ianareo?. Namaly ny Tahiamanangoana hoe: "Samy Andriana!" Dia namaly indray Andrianampoinimerina: "Fa hanao ahoana ianareo miteny samy andriana?". Valin'izany, nitifitra ny Tahiamanangoana ka voa teo amin'ny lohalika Andrianamponimerina.

Somary ahitana karazana fitongilanana ny fomba fitantara etoana, raha vakiana tsotra amin'izao. Aseho tsara hoe tahaka ny olona sariaka sy malemy fanahy ny Mpanjaka miteny amin'Ambohipeno nefa hita izao fa mikasa hanafika ny tanàna ary amin'ny fiteny feno avonavona kosa no namalian'ny Tahiamanangoana azy. Satria moa ny mpandresy no mitantara dia izay tiany io, rehefa tsy miteny ny resy na tsy mahateny.

Raha somary atao araka ny fahazoana azy amin'izao fotoana anoratana izao ny resaka etsy ambony dia toa izao manaraka izao:

Niantso Andrianampoinimerina "Milamina ve ianareo? Manoa sy manaiky ahy (ho mpanjaka) ve ianareo?". Namaly ny Tahiamanangoana hoe "Mitovy isika fa tsy misy ambony sy ambany, samy andriana, samy masi-mandidy amin'ny taniny, dia samy milamina". Dia namaly indray Andrianampoinimerina: " Hainareo ve ny hiafaranareo no mahasahy miteny hoe samy andriana? Dia hihevitra tokoa ve ianareo fa hilamina fotsiny amin'izao?. Tonga dia nisy tifi-basy nahavoa ny lohalik'Andrianampoinimerina.

Karazana fahasahiana mihitsy izany, manimbazimba ny maha-andriamanitra ambonin'ny tany ny mpanjaka, manosihosy ny maha-mpanelanelana ny mpanjaka amin'ny razana. Matoa anefa naharatra mpanjaka toy izany dia karazany manana hery tsy hay tohaina ihany koa nefa tsy tian'ny mpanjaka raha hita hoe mety ho maty an'ady ny mpanjaka koa dia aleo aloha tohizana ny dia. 

"Tsy ho avelako ity tanàna Ambohipeno ity raha tsy azoko, satria nahalatsa-drà ahy, fa andao aloha ho any Alasora fa Alasora no tanjon'ny diantsika. Fa ity lalovana ihany." Izay sisa no notenenin' Andrianampoinimerina. Mbola mitohy ny tantara mazava loatra.


Aucun commentaire: