Accéder au contenu principal

Articles

Iza no mifehy an'Antananarivo?

Izay nanara-baovao dia naharaka fa niezaka ny hanadio an'Analakely sy ny manodidina ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa ho avy eto Antananarivo ny filoha frantsay sy ny delegasiona matanjatanjaka ihany. Efa mahazatra ny eto an-tanàna ny miezaka ny hanadio, manatsara ny tsihy avelatra, na mihatsaravelatsihy hoy ny fiteny mahazatra. Dia tsy maintsy mba mametraka fandaminana kely na dia vonjimaika aza. Saingy tsy nizotra araka ny noheverina ny zavamisy ary tokony hihiratra avokoa ny mason'ny rehetra, indrindra ireo miseho ho manantsaina saingy mbola manandratra ambony ny revy sy ny fety dia miaritra indray ny andro hafa sady mody mimenomenona amin'ny gaboraraka nefa tsy hanao na inona na inona hiatrehana izany. Ny faran'ny herinandro teo, ilay lazaina ho mandritra ny taombaovao malagasy sy ny Aid-el-Fitri anefa dia tsy nijery andro fety izany ny mpivarotra amoron-dalana fa nanatontosa fitokonana, niara-nientana avy hatrany. Atao hoe miankina aman'aina ilay izy...

Lozam-pifamoivoizana nivadika ho fanenjehana ny filohan'ny FJKM

Nohararaotina ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-baovao mampitohy an'Alarobia amin'Ivato tamin'ny voalohan'ny taona hanosoram-potaka sy hanenjehana ilay mpitandrina nampita ny "krismasin'i Herôda".  Azo lazaina ho tsy nampoizina ny zava-nitranga satria namoizana ain'olona roa. Ny endriky ny fahavoazan'ny fiara kosa no ahitana fa tena karazany nanitsy ilay fiara mihitsy ilay kodiaran-droa. Raha raisina amin'ny hevitra feno ahiahy (tena miiba mihitsy amin'izao voalohany taona izao) dia mety ho nihevitra ny nitondra ny môtô hoe hiala aminy ilay fiara dia hikodia sy hivadibadika any an-tsisiny any, dia raha tany no naratra na namoy ny aina dia velona ny hoe "ka satria nanimbazimba ny tsy azo tsikeraina satria tinendrin'Andriamanitra dia nataon'Andriamanitra nahazo loza tany", izany hoe karazan-doza roa avy hatrany no nisafidianana... dia ny hoe "misy lolo" hatrany moa no nivoitra avy eo. Fa velona ...

Aza manao krismasin'i Heroda

Lasa Krismasin'i Heroda ny lohatenin'ity hafatra krismasy farany amin'ny maha-filohan'ny FJKM azy ity. Nahagaga fa nisy ny voatsindrona tam-pony rehefa nivoaka ilay hafatra. Ilay fanombohan'ny hafatra fotsiny no tena nalaza ka niteraka sahotaka ho an'ny sasany. Samy manana izay handraisany azy fotsiny ny tsirairay...

Ilay fitsimbadiham-bokatra tao amin'ny tranonkalan'ny CENI (3)

Rehefa nifanindry tamin'ny famoaham-bokatra tao Antananarivo Renivohitra ny antokon'ny fitondrana sy ny antokon'ny fanoherana hoe ry zareo no mandresy dia ny CENI no nanambara ampahibemaso fa ny tao amin'ny fitondrana no nandresy. Rehefa nivoaka anefa ny valiny tao amin'ny tranonkalan'ny CENI dia ny an'ny fanoherana indray no nahazo ny fandresena . Voatery nikatona kely indray ilay tranonkala avy eo ary "nahitsy" ny vokatra avy eo. Nanambara ry zareo CENI avy eo fa nisy nipiraty (nisovoka) ny tranonkala no mahatonga ilay vokatra "tsy izy" teo, ary nampanantena fa tsy hisy intsony ny tranga fisomparana toy ny teo. Tsy nionona tamin'izany anefa ireo mpandinika, indrindra fa ny avy any amin'ny fanoherana, fa nanao karazana fanadihadiana. Tsy resy lahatra velively tamin'ny resaka "piratage" ny tao amin'ny fanoherana satria tsy ho fotoana fohy velively no hahatafaverina amin'ny tompony ny tranonkala amin'ny t...

Nisy fifidianana angaha teto Madagasikara? Taorian'ny androm-pifidianana (2)

 Mety hisy ihany ny fiverimberenan-teny satria hevitra noraisina antsoratra indray no tendrena ho avoaka. Eto koa dia mialoha ny famoahan'ny CENI ny vokatra feno na dia vonjimaika aza ireto soratra manaraka ireto. Nikatona fotoana maharitra ny CENI (ny tranonkalany) vao namoaka ny voka-pifidianana Antananarivo Renivohitra ka nampandresy ny antokom-panjakana sy ny kandidàm-panjakana. Ny lalàna anefa mametraka mazava tsara fa tsy misy izany antokom-panjakana izany. Feno filaharana maka vary sy paty manerana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra, hoy ny gazety, ny ampitson'ny fifidianana izay milaza fa takalom-bato no nisy fa tsy safidy malalaka. Nandritra ny fifidianana, maro ireo olona tratra nitondra taratasim-bato efa voakosoka vokovoko eo amin'ny tandrifin'ny antokom-panjakana.Niely tamin'ny media sosialy izany fanatrarana olona saika na efa nangala-bato izany. Niezaka hamaly sy hilaza ny tao amin'ny TMH (Tanora Miandrandra ny Hoavy, mavitrika amin'ny fa...

Nisy fifidianana angaha teto Madagasikara? Nialoha ilay fotoana (1)

Niatrika fifidianana i Madagasikara tamin'ny 11 desambra 2024 lasa teo, fifidianana izay ho Ben'ny tanàna sy mpanolo-tsaina. Raha ny hevitro manokana avy hatrany no lazaina dia sarintsarim-pifidianana no misy satria tsy mitovy ny fiaingàn'izay ho kandidà fa omena vesatra ho "mpanakorontana" ny avy amin'ny mpanohitra. Filazana ankolaka ihany no nentin'ny filoha fa tsy mety aminy ny hifidianan'ny olona kandidà avy amin'ny mpanohitra satria tsy afaka ny hanao na inona na inona izy raha vao tsy manaiky ny Ben'ny tanàna. Raha raisiko amin'ny lafiny ilany dia azon'ny filoha baikoana izany ny Ben'ny tanàna raha vao iray vondrona aminy fa tsy ho afaka ny handà izay tian'ny filoha na mpitondra ambony atao ao amin'ny kaominina na inona izany na inona. Na izay fotsiny aza dia efa tsy misy antony intsony tokony mbola hanaovana izany fifidianana izany. Na inona na inona mitranga raha hatsaraina ny iray ary haratsiana ny hafa dia tsy hifi...

Hiakam-panafahana (fanangonan-tsonia)

 Avoaka eto fotsiny ho tahiry... Endrika PDF novàna ho sary! (jereo amin'ny hihy vaovao na nouvel onglet azafady!) pejy1 pejy2 pejy3

Tsikaritra miteraka ny finoanoam-poanako!

 Misy zavatra mila soratana kely indray ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena miharo amin'ny fiandrasana ny voka-pifidianana ho solombavambahoaka.  Majorité absolue des🍊donc, mais à quel prix? Libertés fondamentales, intégrité, Etat de droit, équité, transparence des fonds de campagne, redevabilité, institutions indépendantes, sincérité et secret du vote, etc. : les principes démocratiques ont-ils été respectés? #Madagascar pic.twitter.com/fCsouVpxXd — Ketakandriana Rafitoson (@KeRafitoson) June 28, 2024 Mazava loatra fa nanana ny akony manokana ny tao Faratsiho, saingy iny toe-javatra iny indray no nentina nanakonana ny fivadiham-bokatra tany amin'ny faritra hafa ka nanjary nahazoan'ny IRMAR ny maro an'isa mihoatra ny atsasa-manila. Saingy tsy izay no mahamaika ahy hanoratra fa mba te-hampita ireto resaka tao amin'ny media sosialy ireto. Nalaza indrindra ny tsi-fetezan'ny hiram-pirenena nandritra ny fanaovana ny matson'ny 26 jona 2024.  Fa ny om...

Ny fifaminganan'ny samy mpanohitra

Lohateny lava: Na ny mody ho namana no tena fahavalo manakana ny fandresena Mety ho maromaro ihany ianareo no mahatsikaritra fa tsy dia te-hiresaka politika intsony aho. Anjotra aho no kamo satria tamim-pahatezerana no nilazako fa tsy hiara-mirevy amin'ny mpanohitra intsony. Fa mijanona ho anjotra izany. Matetika rehefa manoratra aho, dia amin'ny farany vao tadiavina ny tena lohateny tsara apetraka amin'ny ranty tahaka itony. Satria rehefa vita ny soratra vao hita ny zavatra tsara itarihana ny mpamaky hamantarany sahady izay tokony ho votoatin'ny lahatsoratra. Tiako kosa eto ny hanohy indray ny resaka politika nosoratana farany taty amin'ny blaogy.  Nosoratako tamin'ireo ranty blaogy politika roa farany fa misy mifamingana ny samy mpitarika tao amin'ny kôlektifan'ny kandidà, ary olona iray no tena natao izay hanakanana azy tsy handray anjara fifidianana dia i Marc Ravalomanana. Mbola manana ny toerany ilay rangahy ka fomba iray miara-droa no namelezana...