Accéder au contenu principal

Ny fifaminganan'ny samy mpanohitra

Lohateny lava: Na ny mody ho namana no tena fahavalo manakana ny fandresena

Mety ho maromaro ihany ianareo no mahatsikaritra fa tsy dia te-hiresaka politika intsony aho. Anjotra aho no kamo satria tamim-pahatezerana no nilazako fa tsy hiara-mirevy amin'ny mpanohitra intsony. Fa mijanona ho anjotra izany.

Matetika rehefa manoratra aho, dia amin'ny farany vao tadiavina ny tena lohateny tsara apetraka amin'ny ranty tahaka itony. Satria rehefa vita ny soratra vao hita ny zavatra tsara itarihana ny mpamaky hamantarany sahady izay tokony ho votoatin'ny lahatsoratra. Tiako kosa eto ny hanohy indray ny resaka politika nosoratana farany taty amin'ny blaogy. 

Nosoratako tamin'ireo ranty blaogy politika roa farany fa misy mifamingana ny samy mpitarika tao amin'ny kôlektifan'ny kandidà, ary olona iray no tena natao izay hanakanana azy tsy handray anjara fifidianana dia i Marc Ravalomanana. Mbola manana ny toerany ilay rangahy ka fomba iray miara-droa no namelezana azy: avy ety ivelany amin'ny famelezan'ny mpitandro filaminana azy sy avy ao anatiny izay ifanaovan-dry zareo samy kandidà mpitarika ao tamin'izany fotoana izany. Mody nanao fandrahonana sy fampihorohoroana ny mpitondra ary mody mamelona tahotra sy manao izay hilaminana anaty "tsy mila gidragidra" kosa ireo mpitarika ao amin'ny fanoherana (vondron'ny kandidà folo) tamin'izany fotoana izany.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nizara roa mazava tsara ireo kandidà folo tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Isika tsy mahalala izay nahatonga io fivakisana io fa ny naseho antsika dia hoe samy manana ny paikadiny ireto vovonana samy milaza ho mpanohitra ireto. Fa ankoatra izay mety ho hevitry ny tsirairay any dia ny hevitro sy ny eritreritro no nosoratako; niainga avy amin'ny zavatra hita taty am-bala no mivoaka eto; tsy voatery ho marina fa mila tsakotsakoina. Ny vovonana iray nantsoina hoe "Firaisankina (Madagasikara an'ny Malagasy) ary ny vovonana faharoa kosa nantsoina hoe "Kôlektifan'ny Malagasy".

Raha tombanana dia vonona kokoa ho amin'ny fifidianana depiote ny ao amin'ny vovonana "Firaisankina" ary etsy ankilany sy amin'ny ankapobeny kosa dia ny kandidà filoha teo aloha ihany no nirotsaka indray ho depiote ny ao amin'ny "Kôlektifa". Raha ny eo amin'ny samy mpanohitra, ny Firaisankina no manana isan'ny kandidà maro kokoa ary akaiky kokoa amin'ny fahazoana fandresena ao amin'ny Antenimiera miohatra amin'ny Kôlektifa. Ety ivelany no lazaina fa tsy mifanenjika na tsy mifanaratsy ireo vovonana roa ireo, fa rehefa notodihana kosa izay niainana teo dia ireo no tena "mifamely am-pitaka".

Raha ny taty Avaradrano manokana no lazaina, tamin'izay niainako sy tsikaritro, dia ny tao amin'ny Kôlektifa no nanao izay hampisara-bazana na hampizara ny vaton'ny samy mpanohitra ka lasa nanalavitra ny fahazoana poa-droa ho an'ny fanoherana fa dia lasa nifampizara samy mahazo depiote iray aloha amin'izao ny mpanohitra sy ny mpitondra. Raha tsy nandrotsaka kandidà anefa ny kôlektifa dia tena azo nosainina tsara ny mety ho nahazoan'ny Firaisankina toerana roa avy hatrany, raha ny isambato no jerena. 

Inona izany no lesoka? Raha tsy nisy paika manokana tany ambadika tany dia ny fitiavantena no nanimba ny vaton'ny mpanohitra, tsy nahay nanetry tena ihany koa ka mahasanganehana ny mpifidy ary mbola hita ny tsy fahavitrihan'ny mpifidy satria tsy araka ny nantenaina ny isan'ny olona nandrotsa-bato. Mazava tsara ny hevitr'ireo tsy mbola voaentana tsy hifidy dia ny fahazoana fanazavana amin'ny hoe naninona no tsy nifidy tamin'ny fifidianana filohampirenena fa mampifidy indray amin'ny solombavambahoaka? Moa ve dia midika izany fa hiara-hiasa amin'ilay filoha izay tsy nekena ny maha-ara-dalàna azy indray ny mpanohitra? Mbola tsy nahazoana valiny mazava ankoatra ny hoe ifehezana ny mpitondra sy hahazoana ny governemanta no anton'izany mba tsy hanjakazaka ny laoranjy.

Raha ny tsikaritra taty Avaradrano, nanao izay hisintonana ampaha-mpitarika avy ao amin'ny Firaisankina nisian'olana ny tao amin'ny Kôlektifa. Mody ataoko hoe siosio fa tsy azo tsinontsinoavina, ny Firaisankina indray no nanaovana angaredona ankolaka, ary mpanohana mafana fo loatra angamba, avy ao amin'ny Kôlektifa sy avy amin'ny nesorina tsy ho kandidàn'ny Firaisankina no tena mpandrovitra afisin'ny Firaisankina. Ary misy ihany koa ireo tezitra angaha sa ahoana, mamaly bontana ny sasany ka mandrovitra ny afisin'ny Kôlektifa ihany koa. Nisy ny tratranay nandrovitra afisy fa olona "sahirana" anie izany rey olona e! Tena entim-pankahalàna tsotra izao.

Izaho kosa tsy nandrovitra afisin'olona na iza na iza fa mametaka indray hatrany ny afisin'ny Firaisankina amin'ireo toerana nandrovitan'ny sasany. Mila ho isan'andro no mamerina mametaka. Raha misy angamba ny manara-maso dia mety ho mihevitra hoe lasa adala ve sa tsy mba reraka fa afisy sasatry ny rovitina io mbola averina hatrany. Tsy misy karama, tompoko, ny fanaovako izany fametahana afisy izany fa dia entina hanehoana hoe izahay tsy sasatry ny maneho na dia rovitina aza izany. 

Manaraka izany, misy lafiny tsy itoviako hevitra amin'ny kandidàn'ny Firaisankina, indrindra eo amin'ny lafiny kaominina misy ahy, saingy tsy nataoko ho sakana anohanana ny Firaisankina izany satria i Madagasikara no banjinina sady olona manana ny maha-izy azy ihany ilay kandidà no sady maharesy lahatra olona kokoa amin'ny fahaiza-mitarika. Midika izany fa tena nampandeferiko ny hambom-poko manoloana ny fanamby goavana hampandresena ny vovonan'ny mpanohitra matotra indrindra amin'ny fahazoana ny fahefana.

Fahadisoana goavana ny nataon'ny Kôlektifa nanolotra kandidà teto Avaradrano raha tsy hoe tena tsinjony fa izy no hahazo ny poa-droa fa tsy ny Firaisankina. Fahadisoana goavana izany ilay mieritreritra hoe aleo atao izay hahazoana ny toerana iray amin'ilay toerana roa ho an'Avaradrano. Nahalikiliky ireo mpanohana ny Firaisankina ihany koa ny nataon'ny mpanohana ny kolektifa tamin'ny tambajotra sosialy satria ny mpanohitra mitovy aminy ihany no tena norangitiny hisian'ny fifamaliana, lasa mampiditra eritreritra hoe toa ny Kôlektifa indray no tena namingana ny Firaisankina ka ihomehezan'ny mpanohana ny fitondrana fotsiny.


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...