Accéder au contenu principal

Nisy fifidianana angaha teto Madagasikara? Nialoha ilay fotoana (1)

Niatrika fifidianana i Madagasikara tamin'ny 11 desambra 2024 lasa teo, fifidianana izay ho Ben'ny tanàna sy mpanolo-tsaina.

Raha ny hevitro manokana avy hatrany no lazaina dia sarintsarim-pifidianana no misy satria tsy mitovy ny fiaingàn'izay ho kandidà fa omena vesatra ho "mpanakorontana" ny avy amin'ny mpanohitra. Filazana ankolaka ihany no nentin'ny filoha fa tsy mety aminy ny hifidianan'ny olona kandidà avy amin'ny mpanohitra satria tsy afaka ny hanao na inona na inona izy raha vao tsy manaiky ny Ben'ny tanàna. Raha raisiko amin'ny lafiny ilany dia azon'ny filoha baikoana izany ny Ben'ny tanàna raha vao iray vondrona aminy fa tsy ho afaka ny handà izay tian'ny filoha na mpitondra ambony atao ao amin'ny kaominina na inona izany na inona.

Na izay fotsiny aza dia efa tsy misy antony intsony tokony mbola hanaovana izany fifidianana izany. Na inona na inona mitranga raha hatsaraina ny iray ary haratsiana ny hafa dia tsy hifidy olona olona haratsiana mihitsy izay hifidy afa-tsy hoe tena fantany tsara ilay kandidà ary hosafidiany io na dia iharan'izany fanaratsiana izany aza! Nisongadina izany tamin'ny fifidianana tao Antananarivo Renivohitra ary hita ihany koa izany taty amin'ny kaominina izay onenako.  

Vesatra iray hafa ihany koa ny famoahana vola izaitratra ho an'ny kandidà na andeha atao hoe avy amin'ny kandidà iray mitovy loko amin'ny mpitondra. Tamin'ny tanandehibe sy renivohi-paritany no tena nanjakan'izany fizaran-javatra amin'ny fomba ankolaka izany satria mbola avy amin'ny tapakila aloha izany fa vita fifidianana vao mety hisy ny fizaran-javatra. Tsy fifidianana intsony izany toe-javatra izany fa efa fividianana. Nampahantraina tanteraka ny vahoaka dia ampanantenaina zavatra kely mba hihazonana ny fahefana.

Tsy hahagaga raha mahazo vahana na aiza na aiza izay kandidà miaraka amin'ny mpitondra rehefa mandeha ny fifidianana satria efa tsy ara-drariny intsony izany.

Mbola misy ihany koa ireo tetika hafa toy ny famoahana ny ordonnances nefa rehefa nivoaka ilay izy dia tsy vitsy no sady tsy fanta-dray no tsy fanta-dreny. Tsy azo eritreretina hoy ny mpamakafaka izany olona tsy fanta-dreny izany fa misy zavatra tsy milamina izany.

Azo fehezina noho izany fa tsy fifidianana mihitsy no nitranga fa fampandresena izay atolotry ny fanjakana fotsiny.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...