Sary nosintonina tao amin'ny pejin'ny Présidence de la Refondation de la Republique de Madagasikara, efa voamarin'ny Depêche Informative Taratra rahateo koa.
Voalaza ary fa noho ny antony ara-pahasalamana androany 03 novambra 2026 ny minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra, ny paositra sy ny fifandraisandavitra Atoa Mahefa Andriamampiadana. Nankatoavin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara izany fialàna izany. Misolo toerana vonjimaika azy ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fampianarana Siantifika Atoa Ndaohialy Manda-Vy Ravonimanantsoa.
Fehin'izay nolazainy:
"Feno fanantenana sy finiavana ny foko raha nandray ny andraikitra hanompo ny tanindrazana. Maro ny faniriana sy ny kinasa saingy ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona. Tsy lavorary ny vita fa natao tamim-pitiavana ireny. Mifarana ny andraikitro fa tsy mifarana ny fitiavana ny tanindrazana."
Kinendrin'ity minisitra niala ity moa ny hampidina ny saran'ny aterineto araka izay tratra. Efa ren'ny besinimaro ihany koa ny fikasan'ny governemanta hampiditra mpanome tolotra aterineto sy/na orinasam-pifandraisandavitra hafa ankoatra ireo efa fantatsika. Mizara roa avy hatrany ny hevitr'ireo mpaneho hevitra rehefa naheno ny vaovao fialàna. Misy ireo milaza fa noho ny tsy fahavitany ny tinakin'ireo mangataka mba ho 500 ariary ny 1 gigaoctet amin'ny aterineto no anton'izao fialàna izao. Misy kosa ireo mihevitra fa naneho ny tanjany ireo mpanome tolotra aterineto malaza eto Madagasikara ka tsy navelany raha tsy tafala toa ilay iray nampiditra ny orinasa starlink koa ity minisitra ity. Azonao atao ihany koa ny maneho ny hevitrao.

Commentaires