Tsy maintsy misy fampahafantarana hatrany ny tranonkala vao mety ho fantatry ny hafa. Tranonkala iray vao niorina tamin'ity taona ity ny Vanga ary miompana indrindra indrindra amin'ny toekarena mazava loatra. Namana iray tao amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety no nahitako ny momba azy io. Natombony tamin'ny fampahalalàna ny manjo ireo Malagasy mpanao gazety ny resaka ary iaraha-mahalala tokoa fa tena kely ny fivelomana raisina. Na dia mafy aza izany fanamby izany dia misy hatrany ny mijery lavitra ary manana tondrozotra ao anatin'ny dimy taona.
Taona voalohany tian'ny Vanga iompanana, araka ny hita ao amin'ny mombamomba azy, ny famoahana matetika ny vaovao momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, ny fanenoman-damba ary ny fizahantany. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny famoahana gazetiboky ara-toekarena voalohany.
Kinendry ao anatin'ny telo taona kosa indray ny manao izay hampitomboana ny angon-drakitra sy fametrahana mili-pitadiavana mpifantina, ny fametrahana Ilontsaina Arafitra tsara fahana, Fampihatra fitondra, tolotra premuim (izany hoe andoavam-bola) matihanina sy fisokafana mankany amin'ny fihariana goavana ara-pambolena sy fiompiana amin'ny angovo azo avaozina ary amin'ny fananganana fotodrafitrasa.
Tanjona ao anatin'ny telo ka hatramin'ny dimy taona kosa ny fivelarana mankany amin'ny nosy Maorisy sy La Réunion, nosy Kômôro sy Afrika Atsinanana ary fiakaran'ny Ilontsaina Arafitra ara-toekarena ho efa mivelatra. Ataoko fa vita hatreo ny doka maimaimpoana ataon'ny Maharesaka fa inona kosa no hitanay?
Malagasy avokoa ireo valo mianadahy mianaka mpiara-manorina azy. Rehefa jerena dia izay tiany ho avoaka maimaimpoana ihany no mivoaka amin'ny tranonkala. Mazava loatra fa raha misy ny tolotra premium dia aloa vola izay. Tsy mijanona ho famoahan-gazety (media) ihany ry zareo ka misy koa ny tendro iray antsoiny ho fakan-kevitra (consulting). Efa manana antonta-kevitra rahateo ry zareo raha ny hita.
Tenim-pirenena telo no tiany ivoahana, saingy mbola ny teny frantsay ihany no mety amin'ny tranonkala. Tokony ataon-dry zareo "sous-domaine" ny teny anglisy sy ny teny malagasy raha amin'izao endriny ivoahan-dry zareo izao fa hifangaro voraka hatrany ireo lahatsoratra... na mety tadiavin-dry zareo ho ny milina no handika amin'n teny anglisy sy teny malagasy. Mety ho azo tanterahina ny amin'ny teny anglisy amin'io fa ôrera be na maharikoriko raha ny teny malagasy koa no tadiavina ho atao tahaka izay. Noho ny fiaviana ho Malagasy angamba no nipetrahany eo fa na ry zareo aza mety ho sahirana ihany rehefa tena hiresaka toekarena amin'ny teny malagasy. Ho hita eo ihany anefa ny tohin'izany.
Tsy nahitana pejy na takelaka tambajotra sosialy ny tranonkala, raha nanaovana fitadiavana ny Facebook dia misy ny pejy Vanga fa azo heverina avy hatrany fa tsy misy ifandraisana aminy. Tsy natao ho an'ny sarambabe, na tsy mikendry ny sarambabe, mety ho amin'ny alalan'ny cartes de visite na réseautage hafa angamba no tian-dry zareo ivelarana.
Fanadihadiana tsy nisy nifampiresahina tamin-dry zareo izao lahatsoratra izao. Tsy misy ifandraisany mihitsy izahay fa dia mirary fahombiazana ho azy ireo.

Commentaires