Izay mpandinika baiboly ihany no mety hahatsikaritra fa misy amin'ireo baiboly no mifarana amin'ny andininy faha-20 ny toko fahefatra amin'ny bokin'ny Mpanjaka voalohany ao amin'ny Baiboly ary misy kosa no mbola mitohy hatramin'ny andininy faha-34 izany toko fahefatra izany. Ny Baiboly amin'ny teny frantsay nadikan'i Louis Segond izao dia manaraka ny rafitra mipaka hatramin'ny andininy faha-34 raha mifarana hatreo amin'ny andininy faha-20 kosa ny dika teny malagasy rehetra na protestanta na katolika na ny dika iombonana eto Madagasikara.
Inona no mahatonga izany fahasamihafana izany? Ny lahatsoratra masôretika, izany hoe notsoahina avy amin'ny teny hebreo dia mamarana ny andininy ho hatramin'ny faha-20 fa ny lahatsoratra niainga avy amin'ny teny grika na septante na septuagint kosa dia mitohy hatramin'ny andininy faha-34 ny toko fahefatra.
Nomen'Andriamanitra an'i Solomona ny fahendrena sy ny fahakingàna, ny fahamailòna, ny faharanitan-tsaina, ny fahaiza-misaina, ny fahafantaran-javatra ary ao koa ny fahaiza-mampianatra. Nisy aza moa ny fampitahàna tamin'ireo olon-kendry avy amin'ny faritra manodidina sady manana ny lazany kanefa voalaza ho nihoaran'i Solomona avokoa. Tsy amin'ny sehatra na lafiny vitsivitsy fa tian-kambara hoe tamin'ny sehatra rehetra na ara-javakanto na tontolo iainana ary tonga avokoa ireo avy amin'ny firenena manodidina mba hihaino izany fahendrena avy aminy izany.
Fa inona moa izany no idiran'izany rehetra izany amin'ny fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo?
Lasa foibe fanatonan'ny olona ny fahendrena nananan'i Solomona, miampita sisintany ny olona mba hihaino ny teniny sy ny fandaharan-teniny fotsiny. Izao anefa ry havana, na dia voalaza fa nihoarany avokoa aza ny fahendren'ireo olona hafa nanana ny lazany teto amin'izao tontolo izao tamin'ny fotoan'androny dia mbola misy ilay iray izay mihoatra noho i Sôlomona. Tsy izany izany fa ilay Zanaka nirahin'Adriamanitra Ray hamonjy ny olombelona rehetra fa tsy hisy ho very izay rehetra mino azy. Angoniny ho amin'ny toerana iray ireo rehetra mino azy ireo araka izay efa hitantsika tamin'ny vakiteny omaly (Matio 25.31-46).
Tsy maintsy lazaina faharoa ihany koa, i Sôlomona no voatendry hanangana ilay tempoly natsangan'olombelona tao Jerosalema ary tsy zavatra kely no namitàna izany tempoly izany fa efa nanomboka nanangona ny akora rehetra ho amn'ny fananganana ny tempoly i Davida mpanjaka rainy. Tao anatin'ny fihavanana tamin'ireo mpanjaka manodidina ihany koa no nananganan'i Solomona azy fa tsy toa an'i Davida lasa miady amin'ny firenena manodidina mandrakariva. Isika kristiana kosa anefa dia efa nomena ilay tempoly tsy nataon-tanan'olombelona sady sarobidy lavitra noho izay volamena sy volafotsy mbamin'ny hazo sarobidy nananganana ny tempoly tao Jerosalema. Tempoly noravaina fa tafatsangana tanatin'ny telo andro araka ny nolazain'ny tenany. Ry havana, tanatin'ny fiadanana sy tenim-pahendrena no nanatonan'ny olona an'i Solomona, fa ho ao anatin'ny haravoana sy ny hafaliana santatry ny fiadanana miaraka amin'ny Tompo kosa no hiomanantsika amin'ny fiaviany haka antsika sy hametraka antsika ho eo amin'ny toerana izay efa nomaniny ho antsika ao amin'ny fanjakany.
Solomona nanana tenim-pahendrena an'arivony fa isika kosa manana mihoatra noho izany amin'ny fananana baiboly eo am-pelatanantsika. Boky nosoratana tamin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sy ny fahazavan-tsaina avy aminy. Fa tsy tokony hohadinoina ihany koa sady lehibe indrindra. Efa nanomana fanomezana tsara ho antsika tsirairay avy ihany koa Andriamanitra izay efa nanomezany ho an'i Solomona ary omeny na efa nomeny antsika ihany koa dia tsy inona fa ny Parakleto na ny Fanahy Masina izay manazava amintsika mandrakariva ny sitrapon'Andriamanitra mahasoa antsika sady mpampahery antsika rahateo. Nirahina ho aty amintsika ny Fanahy Masina saingy toa ny nataon'i Solomona dia angatahina ihany koa ny Fanahy Masina, mila mangataka izany isika hitarihany antsika amin'izay rehetra tokony hataontsika. Tsarovy anefa fa ho an'izay efa vonona ny tsy hihemotra intsony na ho inona na ho inona mitranga no tsara mangataka azy fa tsy ho atao andrakandrana fotsiny ihany.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra! Ho amintsika kosa ny fahasoavana sy ny fiadanana!
Commentaires