Accéder au contenu principal

Matio 25.31-46


Hita ao amin'ny Matio 25.31-46 ny mofon'aina androany 24 novambra 2026. Hafatra roa lehibe no andao ampitaina amintsika.

Hafatra voalohany, navahan'ny mpiandry ondry noho ny filàny tsirairay avy ny ondry sy ny osy. Na dia matetika andrasana miaraka aza ny ondry sy ny osy rehefa atoandro dia tsy maintsy manavaka azy kosa ny mpiandry rehefa tonga ny hariva satria noho ny hafanana samy manana ny azy ka samy manana ny toerana sahaza azy ireo rehefa hoavy ny alina. Ekena tokoa fa iray ihany ny kijàna niandrasana azy ireo, any amin'ny toerana ihinanan'ny ondry no ihinanan'ny osy ihany koa. Ahitra fotsiny ihany no hanin'ny ondry fa mbola mihinana ravina sy zavatra hafa ihany koa ny osy ankoatra ny ahitra izay nitondran'ny mpiandry ondry azy hohaniny. Ny ondry manaraka ny tompony fa ny osy kosa mandeha amin'izay tiany aleha ary mety tsy hiraharaha akory izay hanaraka ny tompony aza. Koa mazava izany fa fanaon'ny olona mpiandry ondry ny manavaka ny ondry amin'ny osy raha te-hitsinjo azy rehtra tokoa izy rehefa tonga ny faran'ny andro, rehefa tonga ny alina maizina. 

Ry havana, tahaka ny anavahana ny osy amin'ny ondry rehefa tonga ny alina hatoriana koa no tsy maintsy anavahana ny marina amin'ny tsy marina. Iza moa no marina fa tsy izay mihaino ny tenin'ny Tompo ka manatontosa izay anirahana azy? Nihinana ilay hanim-panahy avy amin'ny Filazantsara ihany isika rehetra fa misy ny tsy afa-po tamin'izany hanim-panahy nomena ka nitady hanina hafa izay mety tsy ho araka izay an'Andriamanitra akory? Mitady an'Andriamanitra ve ianao? Raiso ka vakio, diniho ary tanteraho izay voasoratra ao amin'ny Filazantsara. Ny toerana tahaka izao koa no ahafahantsika mifampahery.

Hafatra faharoa, ilay mpanjaka indray no hanavaka ny olona amin'ny firenena rehetra. Fa ny hafatra anefa dia miantefa manokana amin'ireo nomena ny teny hitory ny Filazantsara. Namoky ny noana ve isika? Nanome rano ny mangetaheta? Izany hoe manana ny fanahim-pitiavana nananan'i Jesoa ve isika ka nanohy ny asa hamonjena ny olona rehetra, indrindra fa ireo very ka nitady fanavotana manokana avy amin'Andriamanitra? Nahavaly sy nitondra vokatra amin'izay katsahin'ireo mitady an'Andriamanitra, mitady ny fanjakan'ny lanitra ary manao izay hahatontosa izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Matio 5.6-12 ity ihany ve isika izay manao hoe "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo." 

Ry havana, mahatsapa ve isika fa efa nahavita izay efa nanirahan'i Jesoa antsika? Sa tsy tsapantsika akory hoe naniraka antsika tsirairay avy anie ny Tompontsika? Henoy tsara fa misy iraka efa nomena antsika tsirairay avy, efa nomena ny talenta ihany koa isika. Tsy ankasitrahan'ny mpanjaka ny mandevin-talenta, ka fanairana anao izao toriteny izao hitodihanao amin'Andriamanitra sy ny hanaovanao ny asany. Efa nomeny ny anio ianao; ny anionao anio no hamaritra ny mandrakizainao, raha hihaino ny teniny sy hanao ny iraka nomeny anao ianao.

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...