
Sary Pst Besabotsy Olivien, tale SEFALA Faravohitra avaratra
Vao misy teny hoe fanompoana dia fivavahana izay. Fikarakarana ihany koa no dikan'ny fanompoana amin'ny lafiny iray. "Mahefa amin'ny fanompoana" tokoa no anaran'ny andian'ny Mpiandry sy Mpitoriteny ary Katekista nivoaka avy ao amin'ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano laharana faha-19 ao amin'ny sahan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tamin'ny Asabotsy 07 novambra 2026 no namoahana anay na hoe nanirahana sy nitsofan-drano anay.
Noho ny fodiamandrin'ny Mpitandrina Rakotomanantsoa Ravo Naly Harinjaka (Pantra Mitraka) dia maro ny Mpitandrina namany sy ireo skoto notarihan'ny prezidà synodaly eto Avaradrano, ny Rev. Dr. Rabetokotany, no nanotrona ny manamanjò tao amin'ny FJKM Analakely. Lasa ny Mpitandrina Rasolofomanana Mamitahiana, filoha lefitra mpitandrina amin'ny synodamparitany no nitarika ny fotoana, ary ny tale SEFALA foibe, Atoa Trimozafy Salomon no nitondra ny tenin'Andriamanitra. Zavatra iray hafa nanamarika ny herinandro ihany koa anefa ny nahalasanan'ny tale nasionalin'ny Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly eto Madagasikara, Atoa Camille Rafalimanana. Olona maro no resy lahatra ny amin'ny Tompo noho ny nataon'izany lehilahy izany. Fantatra ihany koa moa izy amin'ny fanazavana ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny fandaharana Mana isan'andro mandeha amin'ny onjampeo evanjelika maro.
Izany eo ihany fa teny amin'ny FJKM Avaratsena Talata Volonondry no namoahana anay ary 215 izahay no navoaka, 137 ny isan'ny Mpiandry amin'izany, 22 ny isan'ny Katekista ary 56 ny isanay avoaka ho Mpitoriteny. Matoa izahay nampanaovina akanjo fanompoana dia tsy tokony ho tahiry fotsiny ny nandalovana an'izany Sekoly Fanomanana Laika izany fa entina miasa ho fanompoana an'Andriamanitra. Afaka mitoriteny amin'ny sahan'ny FJKM soa aman-tsara izahay, sekoly no namoaka anay fa tsy sehatra ary diplôma no nomena anay fa tsy sertifikà. Dia aza atao hahagaga raha mamoaka tenin'Andriamanitra sy ny fanazavana azy eto koa izahay, sady efa nanambarànay fa rehefa asaina miròna ihany izahay dia ho amin'ny fironana kristiana. Ankoatra ny diplôma dia nomena karatra biômetrika ihany koa izahay ary tena mandeha izany fa tsy vazivazy. Azo arahina noho izany izay rehetra nataonay. Misaotra nahavaky hatramin'ny farany.

Commentaires