Fitovian-tranga sy zava-mahavariana tamin'ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 35 farafahakeliny ny andron'ny 17 novambra 2025
Andro iray no nisian-dozam-pifamoivoizana roa teto Madagasikara. ny iray tany Betroka any atsimon'i Madagasikara, ny iray tany Antsohihy any avaratr'i Madagasikara. Misy zavatra iraisana anefa ny loza.
- Samy teo am-piampitana rano no niharan-doza ny fiara. ny iray tambony radier, ny iray tambony tetezana. Samy toerana saropady izany.
- Samy marika Sprinter ny fiara niharan-doza ary mazava loatra fa samy nitondra mpandeha, ny fiara iray lazaina ho nitondra mpandeha nefa tsy nahazo alalana avy amin'ny ATT, ny iray kosa lazaina fa efa nanana olana teknika ary efa mihoatra ny 60 taona ny mpamiliny (heloka ve ny taona?).
- Samy mitodi-doha ho aty Antananarivo ireo fiara niharan-doza.
- Samy vao nandalovan'ny PRRM tamin'ity taona ity avokoa ireo toerana nisian'ny loza. Tena mandeha ny PRRM noho izany.
Inona no azo tsoahina?
- Tena tsy ampy ny fitaterana eto Madagasikara raha olona am-polony no noraisin'ny fiara antenatenan-dalana. Izay misy indray dia tsizarizary ny fiara fitaterana ary tsizarizary ihany koa ny lalam-pifamoivoizana na mafy loatra ny herin'ny voary. Henjana izany radier voafoakan'ny ranontrambo izany.
- Tsy fidiny ho an'ny mpandeha eny antenatenan-dalana ny miaritra fandalovan'ny fiara mety handray. Zara aza misy fiara mandray satria samy maika amin'izay maha-maika azy. Anjaran'ny tompon'andraikitra ny mijery izay lafiny iray izay.
- Samy manana andraikitra tandrify azy avokoa anefa na iza na iza, na mivantana na ankolaka. Tafiditra amin'izany andraikitra izany avokoa na izaho na ianao, samy manana andraikitra avokoa isika rehetra. Tsy tokony hamela ny gaboraraka hanjaka eo amin'ny fifamoivoizana isika rehetra.
- Tafiditra amin'izany andraikitra izany ihany koa ireo mpiandraikitra ny filaminana mameno ny lalam-pirenena sy ireo lalana be mpandeha sy fifamezivezen'ny vokatra. Ireo toe-javatra mampahonena ireo no mampanontany tena indray hoe tena ilaina araka ny tokony ho izy ve ireny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana ireny? Any ivelany amin'ny ankapobeny hita miharihary fa mandika lalàna na sy fitsipika ny fiara iray vao sakanana fa ny eto lasa tonga hatramin'ny fisavana entana ny ataon-dry zareo nefa sady fihoaram-pahefana izany no tandindonin-doza izay mitondra vola na harena eny an-dalana sady ahiahiana avy hatrany ho avy amin'ny halatra izany, efa tsy voalaza ao anatin'izany ny fiampangan'ny mpandeha ny kolikoly tsy maintsy zakaina.
Dia ahoana izany?
Tsy nanampo ary tsy nisy naniry ny isian'ny loza ireo olona niharan-doza ireo kanefa nanjary be ny maty sy naratra. Fa ny fanontaniana dia hoe efa niomana ho amin'ny fiavian'ny Tompo ve izy rehetra? Efa resy lahatra ve hoe na inona na inona mitranga dia mino aho fa ho eo akaikin'Andriamanitra rahatrizay? Koa izao no fotoana ampahatsiahivana antsika tsirairay avy mba hitondra am-bavaka mandrakariva ny olona handeha, ny olona miala ny tokantrano handeha hiasa na hianatra. Ary mba ho ao an-tsaintsika mandrakariva ilay voasoratra ao amin'ny Salamo 90:12 manao hoe "Mampianara anay hanisa ny andronay , hahazoanao fo hendry".

Commentaires