Tamin'ny voalohany ny blogger.com tsy mba nahitana antontanisan'ireo mpitsidika ny tranonkala. Ny te-hahafantatra no mampiditra rafitra kely hamantarana izany. Amin'izao fotoana izao ny blogger.com eo ambany fanevan'ny Google ka afa-mirafitra ao anatiny ny fijerena antontanisa. Blaogy madinika ity tsidihantsika ity, saingy tena avy amin'ny vazantany efatra ny mpamaky azy.
Tamin'iny volana iny ary dia araka izao filaharany izao ny habetsaky ny mpitsidika ity blaogy ity isam-pirenena:
- Etazonia (ny 1/3n'ny mpamaky nandritra ny volana dia avy ao avokoa)
- Madagasikara
- Brezila
- Singapaoro
- Fanjakana Mitambatra
- Frantsa
- India
- Viêt Nam
- Arzantina
Manaraka izany ny ao (10) Alemaina , (11 aexequo) Meksika sy Hôlandy (13 aexequo) Canada sy Afrika Atsimo, (15) Pakistan, (16 aexequo) Espaina sy Kôlômbia (18) Rosia.
Hitantsika araka izao hita izao fa mieli-patrana manerana izao tontolo izao ny Malagasy sy izay mahay mamaky teny malagasy. Mirary soa antsika rehetra ary manantena fa hazoto hamaky hatrany ianareo, manantena fa hanoro hevitra ihany koa mba hampiroborobo ny vaovao amin'ny teny malagasy. Marihana fa na dia be mpamaky kokoa aza ny ao amin'ny Facebook dia tsy ahafahana mamantatra ny fiavian'ny mpamaky ny ao.
Manaraka izany, ho an'izay ao amin'ny tambajotra sosialy. Tsarovy fa mampazoto manome vaovao ny manao tamberina amin'ny alalan'ny like na fanehoan-kevitra. Asaina ianao mba handona kely, hipeha-tanana, haneho hevitra koa na hizara ihany koa aza raha hitanao fa mendrika ny hozaraina ny lahatsoratra. Tsikaritra tamin'ny resaka Fanjiry omaly 31 oktobra 2026 ohatra fa maro dia maro ny mamoaka ny lahatsoratra ao amin'ny tambajotra, tahaka ny hoe tena avy amin'ny olona ilay izy. Saingy mitovy avokoa ny soratra sy ny sary mivoaka. Pejy samihafa anefa ireo ary anaran'olona samihafa no mamoaka azy. Isika eto kosa tsy mba manana fahafaha-manao toa izany fa ny anaran'ny pejy sy ny anaran'ny mpanoratra irery ihany no mba mizara azy ao. Ka tsy mahakivy anay na mbola vitsy mpanaraka aza.
Miezaka izahay mba tsy ho voafandriky ny vaovao mamitaka na fandisoam-baovao ianareo mpamaky, sahinay aza ny miteny na manitsy ny fahadisoana any amin'ny pejy Facebook hafa any, noho ny fitiavanay mba ny vaovao marina sy voaramarina no avoakanay. Izany no lalana heverinay mba hizorana ho any amin'ny maha-matihanina. Mbola fiheverana izany fa raha mahazaka tena ve tsy hirosoana moa? Dia mirary soa ho antsika mbola hazoto hatrany.

Commentaires