Todin'ny fankahalana izay nandresy antsika?
Toa tsy gaga isika fa tahaka ny fisainantsika ihany ny fisainan'ny Kenyana raha nanohana an'i Maraoka ny maro an'isa tamin'ireo nanatrika ny lalao famaranana tany Nairobi. Nitambatra ny Maraokana, ny Kenyana ary ny Sodaney nanohana an'i Maraoka. Honjohonjontsika irery no nanohana ny antsika.
Ny hany nampalahelo antsika dia hoe tsy mba naseho fahitalavitra mihitsy ireo Malagasy nanatrika tao, mba nisy anjatony ihany, isaky ny mahatafiditra baolina isika. Raha nisy dia nisy dia roa segondra monja no nahitana azy ireo tamin'ny fahitalavitra. Naderadera kosa ireo Kenyana nihorakoraka rehefa nahatafiditra baolina ny Maraokana.
Nalaza tamin'ny vaovao fa nividy tapakila iray alina isa ny Maraokana ho amin'ity lalao ity. Ny fisavasavana anjotra no nahitana fa maro ireo Kenyana tsy nividy tapakila fa tafiditra nijery ihany satria nisy niantoka. Ny lafiny iray faharoa dia mety ho efa maro koa ny Kenyana no nividy tamin'ny nahimpony satria nieritreritra fa ho tonga hatramin'ny dingana famaranana ry zareo ?
Mety ho tafintohina isika raha nirona nanohana an'i Maraoka avokoa ny Kenyana nefa mba samy Afrikana mainty ihany ary samy amin'ny ilany atsinanana amin'i Afrika. Tena mitovy fisaina amin'ireo Kenyana ireo anefa isika ary efa noporofoin'ny tantara izany.
Resin'i Sénégal teo amin'ny atsasa-dalana ny ekipantsika tamin'izany fotoana izany. Efa nanantena ho tafiakatra famaranana isika ary efa lany ela ny tapakila ho amin'izany. Tonga maro isika, hipoka tanteraka
ny lapan'ny fanatanjahantena. Nisafidy an'i Canada ny 99% amintsika satria io no nifanandrina tamin'i Sénégal izay vao avy nandresy antsika. Izay ilay hoe nitovy saina tamin'ny Kenyana ihany isika.
Nahariharintsika tamin'izao tontolo izao ny toetsaintsika, gaga ny firenenkafa hoe fa maninona no mirona mifidy Canada avokoa ny Malagasy? Tena niady ny lalao fa niady irery i Sénégal tamin'io fotoana io. Tahaka ny olona adala aho teo anatrehan'ny Malagasy hafa nihoraka irery ho an'ny ekipa afrikana.
Nony farany resin'i Sénégal ihany i Canada fa gina tanteraka i Mahamasina. Toa rikoriko mihitsy aza ny Malagasy ary toy ny mpamadika no fijery ireo tsy niara-nirona tamin'ny besinimaro. Nisy mpilalao senegaly safotra rehefa vita ny lalao fa orikorika no navalin'ny maro izany. Izay no zavamisy tamin'izany koa aoka samy handini-tsaina ny tsirairay. Aiza ho aiza amin'izany toe-tsaina izany moa ny misy antsika amin'izao fotoana izao ?
NB: resaka hafa nankahalan'ny kenyana antsika ihany koa ny hoe tsy nifidy ny kandidan-dry zareo tamin'ny fifidianana fitantanana ny Vondrona Afrikana i Madagasikara...
Commentaires