Madagasikara manana ny tora-pasika tsara indrindra


Moa fantatrao vé ?

Araka ny lahatsoratra iray ao amin'ny tranonkalan-gazety britanika Daily Express nivoaka tamin'ny 28 aogositra 2025 teo dia i Madagasikara no manana ny tora-pasika mahafinaritra sy tsara indrindra mbamin'ny rano mangarahara indrindra (itsangatsanganana) eto amin'izao tontolo izao. Amin'ny maha-tranonkala vahiny azy dia amin'ny anarana teny vahiny no amantarana ilay tora-pasika antsoina hoe Mar Esmeralda lazaina ho manana ny naoty tsara indrindra arahin'ny tora-pasika Sakalava. Ikoizana ny hatsaran'ireo nosy Kely ao Avaratra Andrefan'i Madagasikara sy ny nosy Mangabe hita ao amin'ny helodranon'i Antongila. Laharana faharoa sy fahatelo kosa no misy an'i Zanzibar (Tanzania) sy ny nosy Maorisy.

Hita araka izao fa manana ny otrikarena goavana ny nosintsika fa afaka misitraka, mitady vola (mihary) amin'izany ve ny teratany ?

Raha ao Eoropa kosa dia Italia no voalohany amin'ny fananana tora-pasika tsara indrindra sy rano mangarahara indrindra. Manaraka azy i Frantsa ary mitondra ny laharana fahatelo kosa i Malta. Tokony hiroborobo mihitsy ny fizahantany fa sakana ho azy ny fahalafosan'ny sarandalana mankaty amintsika.

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)