Ny KOLIS na KOmitin'ny Lalana ISahafa


Nankatoavin'ny Ben'ny Tanànan'Anosy Avaratra, Atoa RAKOTONDRALALA Marino, ny fitsanganan'ny KOLIS na KOmitin'ny Lalana ISahafa ho fandraisan'ny olompirenena anjara amin'ny fanatsaràna ny lalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa. Mbola io lalana io aloha no lalana miasa be indrindra ho an'ny mponina eto Isahafa sy ny manodidina toa an'i Malaza, Iavoambony, Anosiarivo, Ambohinome, Ambodisiarivo, Ankazobe (Ambohitsaratelo), Mahatsinjo sy ireo fokontany hafa izay mety ho tsy voatonona intsony.

Akaiky tokoa ny lalambe migodàna fa araka izany anarany "Autoroute" izany dia tsy ho amin'ny fitateram-bahoaka ny lalana, ary tsy tokony hisy fiara hijanona antenantenan-dalana afa-tsy hoe tandindonin-doza na misy zavatra mihatra amin'ilay fiara na amin'ny olona ao anatiny.

Efa nisy komity ihany teo aloha, nanao izay ho afany, fa somary nanjavozavo ny fifanarahana nifanaovana tamin'ny fitantanana ny kaominina teo aloha, hany ka lasa mifanilika andraikitra sy zary lasa mifamely indray ka najanona antenantenany ny asa. Fa nisy tokoa ny asa vita ho an'ny mpandray andraikitra fa tsy hitan'ny mpitazan-davitra izany zavatra vita izany.

Amin'izao fotoana izao kosa, ny komity no miandraikitra ny fitantanana ireo latsakemboka sy famoriana ara-bola sy ara-pitaovana eo amin'ny mponina sy ny sponsors, mandrindra sy manara-maso ny asa fanatsarana sy fanarenana ny lalana, miantoka ny fampitana sy fifandraisana mangarahara amin'ny mponina sy ny kaominina ary mitady ireo famatsiambola fanampiny eo amin'ny mpiara-miombon'antoka sy ny mpanohana vaventy. Milaza ara-potoana ny kaontim-bola miditra sy mivoaka ihany ary manambara izany amin'ny kaominina. 

Fa manana andraikitra ihany koa ny Kaominina amin'ny fanarahamaso ny asa ataon'ny Komity, mijery ny fandroson'ny asa, manampy ara-teknika ary mankatoa na tsia ny fanapehan-kevitra lehibe misy fiantraikany amin'ny mponina. Tsy manana olobe ny komity ary madinika ihany ny kaominina ka samy tsy hahavita irery izao asa goavana, famitana lalana telo kilaometatra mahery izao. Tsy maintsy miara-miasa ny roa tonta ary tsy afa-mihalangalana amin'ny fampandrosoana ny tanàna, fiaraha-miasa anairana ireo manampahefana ambony fa efa vonona ny mponina eto Isahafa ary ny miasa no tokony ho voalohan-daharana ampiana araka ny andraikitra tandrify ny tsirairay.

Ireto manaraka ireto kosa ireo birao ao amin'ny komity:

  • Filoha: ANDRIAMIFIDISOA Ny Haja Zo (034 75 818 57)
  • Filoha Lefitra: RANAIVOARIVELO Andriantsoa (034 08 114 68)
  • Mpitantsoratra: DE VOISINS Diamondra (034 95 168 15)
  • Mpitahiry vola: RANDRIAMADISON Tafita Henintsoa Lalaina    (034 93 521 60)
  • Sekreteran'ny vola: RAKOTONJANAHARY Eddy Robihanta    (034 32 806 69)
  • Tomponandraikitry ny asa: RAZANAMAHERY Andriamparany
  • Tomponandraikitry ny fifandraisana: ANDRIANTSIMIALONA Hery Njanoa    (034 85 168 64)
  • Mpanaramaso ny fitantanambola: RAKOTONJANAHARY Rindra
  • Mpanaramaso ny asa sy ny fitaovana: RAKOTOARIMANANA Jean Fidèle  (034 84 511 26) sy RANDRIAMANANTENA Rabezoky Harifetra (034 32 082 48)


Maro kosa ireo mpanolo-tsaina ary amin'izany toerana izany ny Sefo Fokontany eto Isahafa no sady Filoham-boninahitra 'de facto' rahateo Atoa RANDRIAMAHAZONORO Jemison  033 03 032 51


Koa antsoina ihany koa ny zanaka ampielezana amin'ireo fokontany rehetra voatonona handray anjara amin'ny hetsika voalohany, sakafom-pifanohanana, izay hotanterahina amin'ny Alahady 07 septambra 2025 ho avy izao etsy amin'ny Espace Ny Tiana Lazaina Avaradrano. Afa-manatona anao ny ao amin'ny komity haka ny anjara birikinao. Asa vadi-drano izy ity ka tsy vita tsy ifanakonana. Ianareo sy ny malala-tanana rehetra no tena ianteheran'ny mponina amin'ny fanampiana ara-bola hanatsarana ny lalana mankaty amin'ny tanindrazanareo. 

Antsoina ihany koa ireo rehetra misitraka izany lalana izany tsy hanosi-bohontanana ireo komity izay voalaza anarana etsy ambony ny Birao mandrafitra azy. Aza hadinoina ny mifandray aminay raha misy ny fanazavana fanampiny tadiavina sy ny fahavononana hifanampy amin'izao raharaha goavana izao. Mankasitraka nahavaky hatramin'ny farany. 

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)