Accéder au contenu principal

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) Ireo Mpiandraikitra foibe sy ny Biraony 2025-2029

Isaky ny Synoda Lehibe no anatontosana ny fifidianana indray ireo Mpiandraikitra foibe eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Misy ny fomba fifidianana izany izay marihan'ny sary eto ambany: 


Misy ny fifidianana isan-tsokajiny. Ny voka-pifidianan'ny Synoda Lehibe faha-XX notontosaina tany Taolagnaro ny 13-20 aogositra 2025 no nanome ireto anarana manaraka ireto.  

Indroa mihodina ny fifidianana izay Mpitandrina ho mpiandraikitra Foibe. Izay mahazo ny atsasa-manila dia lany avy hatrany. Asiana kosa ny fihodinana faharoa ho an'izay tsy nahazo ny atsasa-manila ka izay be vato indrindra no tafiditra ho Mpiandraikitra Foibe.

Valin'ny Fifidianana Fihodinana Voalohany MPITANDRINA.
- ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy. 
- RASAMOELINA Tantely Nirina (TPM )
- RANOMENJANAHARY Hezekia (TPM) 
 

Valin'ny Fifidianana Fihodinana Faharoa MPITANDRINA.
- RADIMISAON Andriamasinjara Jonah
- ZARAZAKA Jean Louis
- RAKOTONINDRAINY Jaona
- RAKOTONAVALONA Maholy
- RANDRIAMISAINA Landison Triomphe
- BE NANTENAINA Evrart Clariot
- JOHNARISON RAMANANARIVO Anjahasiniony
- RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa
- ANDRIAMASINORO Fidimalala
- RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry
- RAHANDRIFENOSOA Tahina
- ANDRIAFARATAFIKA Raobiarizafy
- RANDRIANANTENAINA Lazandrainy Martin
- RAZAFINDRATRIMO Zara Claudio
- RAMANANTSALAMA Lovasoa Hasina
- ONY LOVE Marcel
- ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina
- RAVELOARISOA Armande
- SOAZANDRY Marie Eugenie
- RANDRIAMAHAZAKA S.
- BEZA RAHAROLAHIJOELINA Andrianandrianina Nomenjahanary
- RAMBONINIARIVO Gaston
- RAFANONERANTSOA Valisoa L. 
- VATOSOANDRANOMASINA Mavokely
- RAKOTONDRABE Ndrianja
- RAKOTONDRAMANANA Arijaona
 

Amin'ny ankapobeny, mitovy tahaka izany ihany koa ny an'ny laika. Raha toa kosa mitovy isa na latsaka ny tokony hofidiana ny isan'ny kandidà dia eny sa tsia amin'ny alalan'ny tsanga-tanana no atao, tahaka ny mpitranga amin'ny fifidianana eny anivon'ny fitandremana sy ny synodamparitany ihany.


Laika voafidy mivantana ho mpikambana eo amin'ny MPIANDRAIKITRA  FOIBE. (Fihodinana Faharoa)

- RANDRIAMASINORO Tahiry Ny Rina
- RAZARASOA Timoty
- RANAIVOSON Hertiana Ny Anjarason
- DISAINE Lala
- RAMIARANJATOVO Marc Arison
- RANDRIANJA Voahangy
- RAFALIMANANA Rakotomalala Hery
- ANDRIAMANJATOARIMBOLA Rija
- RAMANANA Fanomezantsoa Alain
- ANDRIANANTOANDRO Sitraka Todisoa Fy
- RAHARISAINA Hery
- ALIOLIHARIMIJAMANANA Mahabo Rotsy Sariaka
- ANDRIANARINJAKA Anjatiana
- ANDRIANIARITSOA Manandratra Franchie
- RANDRIAMANANA Liva Falisoa
- ANDRIAMASINANTOANINA Nirina Jerry
- RAMADIMISAINA Jean Denis
- RAZAKANIRINA RANAIVO Mahaleo
- VONJY NIRINA Herivao Vololoniaina
- RAKOTOARIMALALA Tahina Andrianiaina
- RAKOTOMANDIMBINDRAIBE Mamisoa
- ANDRY Nirina Velosoa
- RANDRIAMANANJARA Hajamanana Jacques Aimé
- RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri 

Mpampianatra voafidy mivantana ho Mpikambana ao amin'ny MPIANDRAIKITRA  FOIBE. (Fihodinana faharoa)
 

- HANTAVOLOLONA Christianne
- RAJAONARIMILY Félix 
- TSIANTERY Christian
- ANDRIAMBOAVONJY Tantely Hasina
- MIHOBY Fenosoa Ramanampamonjy
- RAKOTONDRANAIVO Domoina
- IANDO Lalaina Tatance Frida Véronique



 

Rehefa feno ireo voafidy ho Mpiandraikitra Foibe dia ry zareo indray no mifidy izay ho Biraony ka atomboka amin'ny fifidianana izay ho filohany izany. Dia midina arakaraka ny andraikiny ny ifidianana ireo Birao hafa. Vita izay rehetra izay dia mbola alaina ny fankatoavana avy amin'ny Mpizaika rehetra manan-jò hifidy. Azo ny fankatoavana mitambatra vao tena lany ireo biraon'ny Mpiandraikitra Foibe ireo ary ampahafantarina ampahibemaso izany.


 

Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM (2025 – 2029)
 Filoha : Rev. Dr. ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy
 Filoha mpanampy : Atoa Rakotonavalona Maholy, Mpitandrina
 Filoha mpanampy Laika: Atoa Razarasoa Timoty
 Mpitahiry Vola : Rtoa Disaine Lala
 Mpanolotsaina Mpitandrina : Atoa Radimisaona Andriamasinjara Jonah
 Mpanolotsaina Laika : Atoa Randriamasinoro Ny Riana


 

Dia mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo!

Aza hadinoina ny manjohy sy mitia ny pejy. Zarao amin'ny namanao ny vaovao!

Fanampiny: Ireo synoda lehibe hatramin'ny nijoroan'ny FJKM

  • Synoda Lehibe I – Toamasina  – 1968  – 13 – 17 Aogositra – “Indro havaoziko ny zavatra rehetra” – Apok. 21:5
  • Synoda Lehibe II – Antananarivo  – 1970  – 21 – 29 Oktobra – “Miara-miasa amin’i Kristy” – Rom. 8:28
  • Synoda Lehibe III – Mahajanga  – 1972  – 19 – 27 Jolay – “Velona ho an’ny hafa” – 2 Kor. 5:15
  • Synoda Lehibe IV – Antananarivo  – 1974  – 17 – 27 Jolay – “Tazano ny lalana, hetseho mafy ny herinao” – Nah. 2:2
  • Synoda Lehibe V – Fianarantsoa  – 1976  – 30 Jolay – 6 Aogositra – “Fiangonana mahery amin’ny teny sy ny asany” – Rom. 15:18
  • Synoda Lehibe VI – Antananarivo  – 1978  – 4 – 14 Oktobra – “Aiza ny finoanareo” – Lio. 8:25
  • Synoda Lehibe VII – Arivonimamo  – 1980  – 10 – 20 Septambra – “Mitory an’i Kristy, Hery sy Fahendren’Andriamanitra” – 1 Kor. 1:23–24
  • Synoda Lehibe VIII – Antsiranana  – 1982  – 14 – 20 Septambra – “Mitory an’i Kristy, Hery sy Fahendren’Andriamanitra” – 1 Kor. 1:23–24
  • Synoda Lehibe IX – Toamasina  – 1984  – 5 – 14 Septambra – “Fiangonana, andry sy fiorenan’ny fahamarinana” – 1 Tim. 3:15
  • Synoda Lehibe X – Mahajanga  – 1986  – 16 – 24 Septambra – “Fiangonana, andry sy fiorenan’ny fahamarinana” – 1 Tim. 3:15
  • Synoda Lehibe XI – Fianarantsoa  – 1988  – 17 – 29 Aogositra – “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana” – Apok. 2:10b
  • Synoda Lehibe XII – Antananarivo  – 1992  – 9 – 18 Septambra – “Avia Fanahy Masina o! Havaozy ny voahary manontolo” – COE
  • Synoda Lehibe XIII – Antsiranana  – 1996  – 21 – 30 Aogositra – “Ry mpiambina o! Toy inona alina moa izao” – Isa. 21:11b
  • Synoda Lehibe XIV – Toliary  – 2000  – 16 – 25 Aogositra – “Mitsangana, ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” – Isa. 60:1b / Mat. 5:14b
  • Synoda Lehibe XV – Ambatondrazaka  – 2004  – 18 – 27 Aogositra   – “Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo” – Jao. 13:35b
  • Synoda Lehibe XVI – Mahajanga  – 2008  – 13 – 20 Aogositra – “Ny marina amin’ny finoana no ho velona” – Rom. 1:17b
  • Synoda Lehibe XVII – Manakara  – 2012  – 15 – 22 Aogositra – “Ny fanantenana no namonjena ny mino” – Rom. 8:24a
  • Synoda Lehibe XVIII – Antsirabe  – 2016  – 17 – 24 Aogositra – “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” – 2 Tim. 1:8a
  • Synoda Lehibe XIX – Sambava – 12 – 19 Aogositra 2020 – “Miorena tsara. Aza miova” –  1 Kor 15:58
  • Synoda Lehibe XX –  Taolagnaro –  13 – 20 Aogositra 2025 – ”Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo” –  1 Kor 15:58





Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...