Afa-trosa noho ny ONG VAHATRA
Raha gazety anjotra matihanina tsy hanao dokambarotra maimaimpoana ho an'ny Fikambanana Tsy miankina amin'ny Fanjakana (FTMF/ONG) izany. Izay anefa no ataon'ny Akon'Anosy Avaratra - A3 amin'izao fotoana izao. Mba ho faka tahaka ho an'ireo izay tena vonona hampandroso tokoa sady manafaka ny olona tsy ho andevon'ny trosa izay efa natao hiavotan-tena rahateo.
Nanaitra ary nanohina ny hetsika nataon'ny Fikambanana iray antsoina hoe Vahatra izay fantatra kokoa amin'ny fiantso hoe ONG VAHATRA izay manana ny foiben-toerany ao Tomboarivo Antsirabe.
Efa iarahan'ny mpamaky ny pejy mahalala ny fahamaizan'ny tsenan'Antsirabe ao Sabotsy tamin'iny volana lasa iny. Noderaintsika ny fahavononana sy ny fanampian'ireo fikambanana te-handray anjara amin'ny fanarenana ilay tsena. Fa ity iray ity kosa efa dingana iray hafa sy ambony kokoa ka mendrika ny tenenina etoana.
Nofoanan'ity fikambanana ity manko ny trosa mitentina 121.000.000 Ariary ananany amin'ireo mpivarotry ny tsenan'i Sabotsy. Tsy zava-mora izany raha ho an'ny eto Madagasikara. Fa ity no tsy maintsy marihina: tsy hoe mizaka irery ny fikambanana amin'izany volabe izany fa misy fanampian'ny fikambanana na fanjakana avy any ivelany mihitsy ao. Hitantsika eo amin'ny ranty izany ary ny governemantan'ny Principauté de Monaco (Gouvernement Princier), ny ATIA (Action de Terrain, Intégration, Autonomie), ny DBN (Don Boule de Neige), ny SIDI (Solidarité Internationale pour le Développement et de l'Investissement) ary ny Fondation ACTES.
Tena nitady mpiara-miombon'antoka ny fikambanana satria tsy ho afaka ny hanao izao velively ny fikambanana raha tsy misy ny manome na mandoa ny trosan'ireo mpivarotra ireo ka ankoatra ny ezaky ny fikambanana dia mendrika isaorana ambonin'izany ireo fanjakana, fikambanana ary orina mpanasoa voalaza eo ambony ireo.
Aza adinoina ny manjohy ny blaogy, mitia sy manaraka ny pejy ary mifanampy aminy ihany koa. Raha misy ny tian-kambara dia manorata aminay!
Commentaires