Tsy fantatra intsony izy ity na fanararaotana aorian'ny fety hoe tsy dia misy mpividy loatra na ahoana fa maro ireo karazan'entana no niakatra ny vidiny, ary singanina manokana ny vidin-tsakafo na zavatra azo hanina.
Ny hitako aloha, ary iainako, dia ny mpivarotra enta-madinika no mety hijaly indrindra raha vao tsy maharaka ny vidin-javatra na dia fotoana fohy monja aza. Tsy maintsy mailo avy hatrany ianao raha vao manontany ny mpividy hoe ohatrinona ny [...] nefa zavatra efa fividiny isan'andro na andeha atao hoe matetika.
Ohatra iray amin'izany ny vidin'ny "cube jumbo", tsy hainao fotsiny izao fa dia nakarin'ny mpamongady aloha ny vidiny. Amin'ny ankapobeny dia nakarina 50Ar ny vidin'ny singany iray. Ny vidin'ireo karazana "nouille", na paty hoy isika, koa tena tsy fantatra intsony izay marina fa lasa mitovy tampoka izany ny vidiny. Tsy nitovy taloha ny vidin'ny Appollo, matsiro Salone ary Presto. Ny hafa izay nankafizina toy ny Seedap moa dia tsy sahy nalaina intsony fandrao tsy misy mpividy. Ao anatin'ny fotoana tahaka izao no tena be ny mpanararaotra ka tsy maintsy mijery mpamongady hafa mampitaha ny vidiny.
Ny hitako aloha dia mimenomenona avokoa ny mpivarotra amin'ny atsinjarany. Tsy misy izany hoe vita ny fety dia mijanona eo ny vidiny fa mbola miakatra Ar100-200 tamin'ny vidiny tamin'ny faran'ny taona aloha ny vidiny amin'izao... sady miharatsy endrika no mihalafo. Ny mpitondra "cacapigeon" amidy ariary zato aloha dia tsy nisy intsony taorian'ny fety fa ny any amin'ny faritra hafa any no tsy haiko.
Ny vidin'ny menaka madio dia niakatra eny amin'ny mpamongady nefa ny mpaninjara mbola tsy afaka ny hanondrotra mankaiza raha vao misy mpivarotra hafa eo akaikinao. Noho izany mihena ny tombom-barotra alaina raha tsy hoe ahena avy hatrany koa ny fatra amin'ny atsinjarany.
Ny vidin'ny siramamy koa lehiretsy e! efa Ar160.000 manatombo efa ho Ariary 15.000 noho ny vidiny vao tsy ela akory ny siramamy fotsy iray gony amin'ny 50kg ary mifanahatahaka amin'izany koa ny siramamy mavokely izay vokarina eto an-toerana, sady mifandimby tsy misy eo ny Namakia sy ny Ambilobe. Ireo ihany aloha no lazaiko fa ireo no tena mivandravandra.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire