7.1.22

Ny niafaran'ireo kianja anankiroa!

Hizotra mankaiza ny fivoaran'ny kianja Isahafa? Hitazona ny anarany sy ny voninahiny toy ny kianja Ny Havana ao 67ha sa tsy ho fantatra intsony sy tsy hita nanjavonana sy very anarana toy ny kianjan'ny COUM samy ao 67ha ihany?

Lasa mitazatazana ny tanàna amin'ny alalan'ny "Google Map" ka variana amin'ny fiovana tanteraka tsikaritra ao 67ha, tanàna nahabe ahy tao anatin'ny 36 taona.


 (tsindrio ny sary raha hijery azy ho lehibebe kokoa)

Tonga teny fony efa-taona nefa efapolo taona vao niala teny. Tonga teny mbola be ny mangadihady na trano na tany malalaka. Niala teny efa somary bekorontana ny tanàna, ankehitriny tsy fantatra intsony, tsy tanandehibe intsony no fijeriko azy fa efa "Slum". Tsy hita intsony ny maha-cité azy.

Jereo ny sary, hitanao ve ny kianja filalaovam-baolina "Ny Havana"? Ataoko fa mivandravandra aminao ilay izy na tsy ho atoro anao ary na dia tsy maitso mavana aza ilay kianja. Saro-piaro tamin'ny kianjany ny Orinasam-piantohana Ny Havana ka tsy nanaiky ny fangatahan'ny Kaominina hametrahana ireo mpivarotra horoahina tao Analakely hanaovana azy ho tsena "vonjimaika". Nanome lanja ny fanatanjahantena izy sy ny fikolokoloana ny mahaolona ara-batana. Ka indro, voatazona ny maha-kianja azy, nanenina ve izy hoe tahaka izay nekena ny hanaovana azy ho tsena mba ho vola vetivety ho antsika? Ny fiovana goavana teo amin'io kianja io dia ny nanaovana tamboho avo dia avo ny sisin'ny kianja raha makarakara vy azo nijerena baolina avy ety ivelan'ny fefy izy tamin'ny voalohany.

Ary hitanao koa ve ny kianja filalaovam-baolin'ny Oniversiten'i Madagasikara? Fony izahay ankizy samy tsy nialàna lalao baolina isaky ny faran'ny herinandro ireo kianja roa ireo. Ny kianjan'ny Oniversiten'i Madagasikara dia mitondra ny anarana hoe kianjan'ny Centre d'Oeuvre de l'Université de Madagascar raha tsy diso aho na afohezina hoe COUM.

Faritra lavalava io kianjan'ny COUM io, ny tapany atsimo no filalaovam-baolina fandaka. Efa nilalao tao amin'io tapany atsimo io izany ekipam-pirenena antsoina hoe "Club M" izany. Tao no nanaovana lalao fanaovam-beloma ny mpanazatran'ny Club M tamin'izany fotoana izany antsoina hoe Peter Schnittger. Vahoaka be no nanaraka izany baolina izany sy ny nanatitra an'i Peter Schnittger hatreo am-bavahady. Tsy nisy gradins io kianja io nefa dia vahoaka amana arivony no nijery baolina teo. Ny baolina tao no natsiro kokoa noho ny baolina tao amin'ny Ny Havana tamin'izany fotoana izany.

Tao ihany koa no toerana niaingan'ny tolona GVTD izay tapaka rehefa hoe handalo eto Madagasikara ny Papa Joany Paoly II. Fa niverina teo indray ny tolon'ny 4M na Maharanga-Manandafy-Marojama-Mahitsison niaingàn'ny Tolona fandravana ny mandan'i Jerikô sy niteraka ny Repoblika fahatelo. Raha nalaza tamin'ny famoretana ny mpanohitra izany fitondran-dRatsiraka  izany dia azo lazaina fa voahaja ihany ny atao hoe "Frachise Universitaire" satria faritra an'ny Oniversite io. 

Taty aoriana, indrisy nanaiky ny fangatahan'ny Kaominina angamba ny Oniversite fa "nanaiky" ny hametrahana ireo mpivarotra taozavatra noroahina avy etsy Analakely. Ankehitriny tsy misy na inona na inona tavela amin'ny maha-kianja famolavolana ny mahaolona izany intsony. Tsena no ahafantarana azy ary tsy haiko raha mijery sary hoe inona ireny toa lavadavaka ao amin'ilay kianja ireny. Nefa dia tao amin'io kianjan'ny COUM io aho no nanomana maraina sy hariva ny "Gym Bacc", tao amin'io kianja io ny mpianatry ny CEG Betsimitatatra 67ha nianarako no manao "Gym" ary tsy izahay irery ihany.

Tsiahy kely fotsiny ny ilazako hoe ny ilany avaratra amin'ny COUM izay noelanelanina lalan-tongotra izay lasa Parking amin'ny sary no nisy ny kianja fanaovana Basket sy Volley-ball, ny Hand-ball sy Tennis sy ny hafa mety tsy ho tsaroako fa fantatro tsara kosa fa nisy dobo filomanosana tao. Dia mbola tsy haiko hoe an'ny Oniversite marina ve ilay tany sa an'ny Seimad fa mba tsara fanahy tamin'ny Oniversite ny Seimad? Nalain'ny SeiMad indray io ilany avaratra io, nanorenany trano ho an'ny mahavidy azy dia io tsy fantatrao izay naha-kianja azy io. Tsy noraharahiana intsony izany antsoina hoe "espace vert" izany fa izay tany azo namidy dia namidy avokoa. Vokany potika tanteraka ny endriky ny tanàna. Porofo ho ahy ity fa manapotika tanteraka ny fiainana ny nanaovana tsinontsinona ny fanatanjahantena fa manao ho laharam-pahamehana ny fitadiavam-bola sy ny fangoronan-karena.

Aucun commentaire: