Ny fatoriana indroa miantoana ao anatin'ny indray andro (alina)

 Lahatsoratra iray tao amin'ny BBC no nampiseho fa tsy mitovy loatra intsony amin'ny ankehitriny fahazaran'ny olona rehefa matory. Mpahay tantara iray antsoina hoe Roger Ekirch, raha nanao fikarohana momba ny tantaran'ny (fotoana) fatoriana mialoha ny vanim-potoana indostrialy, no nahita fa tena tolona mafy ho an'ny Tandrefana mihitsy ny hahazo torimaso mamy sy ampy. Niezaka ny olona na tamin'ny vavaka, tambavy, sampy na ody mba hahazo izany torimaso izany mba hanadio ny fanahy sy hahazoana fahasalamana ara-batana vavao indray.

Tsikariny ihany koa fa mitsitapatapaka izany fatoriana nialoha ny vanim-potoana indostrialy izany, ka misy ny "fatoriana voalohany" sy "fatoriana faharoa" izay elanelanin'ny or fifohazana maharitra adiny iray na mihoatra. Ataon'ny olona avokoa izay rehetra azo eritreretina ho atao mandritra io fotoana fifohazana amin'ny alina io. Efa hatry ny fahagola io fahazarana matory indroa miantoana io.

Na dia ny avy amin'ny kolontsaina tsy-tandrefana maro ihany koa aza dia ahitana izany, raha tsy misy fanazavana maoderina fahitantsika ny toerana iray.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-19, vanim-potoana indostrialy sy nampiroborobo ny rafitra kapitalista vao noheverin'ny Tandrefana ho "mal necessaire" ny fatoriana. Navondrona sy nofintinina ho fatoriana indray mandeha ihany sady nanova zavatra maro ihany koa ny fanazavana maoderina mameno ny tanàna sy faritra maro.

Tsy ny olona ihany koa anefa no manana izany fahazarana izany fa na ny biby ihany koa aza. Dia mieritreritra aho hoe sao dia be ary ny olona no tratran'ny fikorontanana amin'ny torimaso satria niova ny fahazarana tao anatin'ny taonjato roa mahery izay?

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)