8.1.22

Namaly ny fangatahako ny Kaominina Anosy Avaratra

 Nangataka tamin'ny tao amin'ny Kaominina aho hisian'ny fivoriana faharoa ifampihaonana amin'ny fokonolona eto Isahafa. Neken-dry zareo izany fangatahana izany ary dia notanterahany tokoa. Dia io napetrany io fa amin'ny heriny anio asabotsy 15 janoary 2022 ilay fihaonana amin'ny fokonolona sy ny fiadidiana. Ankasitrahana izany nataon-dry zareo izany. Tamin'ilay fiantsoana voalohany aho niangavy mba ho fotoana maharitra mialoha dia ampahafantarina ny toerana sy fotoana. Dia olona no nilaza tamiko ireto afisy ireto tao amin'ny mpivarotra iray teto an-tanàna heverina ho be mpandalo.



Dia manentana ny rehetra heverina ho efa olom-pirenena afaka mifidy ho tonga hanatrika izany fivoriana izany. Raha amiko manokana dia tena zava-dehibe io ary aina sy hoavin'ny fokontany no resahana mba tsy itenenana hoe ny taranaka no tsinjovina amin'izany sy izay fanapahan-kevitra mivoaka avy ao. Amiko manokana matoa nisy ny fiverenana famoriana fokonolona fanindroany dia mba nisy ihany ny faharesen-dahatra fa tsy tokony andalovana fotsiny ny fokonolona izay noadinoin'ny mpanolo-tsainan'ny tanàna ny nanontany ny heviny. Ninia aho nanoratra hoe "izaho" fa tsy hoe "izahay" satria mba nisy andraikitra na dia kely monja aza; mba nisy soso-kevitra na dia kely monja aza nomeko ny fiadidiana ny Kaominina. Tsy izaho irery kosa no nitotototo tetsy na eroa fa misy namana hafa na dia tsy hotononiko eto aza.



Mba nisy fifaliana ihany tao amiko tao hoe "tafita ny hafatra" na dia vitsy mpamaky sy lany andro aza ny bilaogiko - sy ny bilaogy amin'ny ankapobeny - ary haingana dia haingana izany valiny izany. Mitana ny andraikiny amin'ny maha-fampitam-baovao azy tokoa ny bilaogy ary miha-tsapako fa hay misy lafiny maha-"journaliste citoyen" ahy ihany.  



Aucun commentaire: