3.1.22

Malaza faran'ny taona sy voalohany taona ambanivohitra

 Tao anatin'ny herinandro faran'ny taona vao nisesisesy ny orana teto Avaradrano B. Nangetana sy nokarohina fatratra ny rano taty Avaradrano B tao anatin'ny volana vitsivitsy izay, nisy ihany ny orana nitsitapitapy fa tsy nahatondraka ny ankamaroan'ny tanimbary etsy Andranomasina-Andranofotsy izany. Ny renirano moa dia maina tanteraka tsy hita intsony izay maha-renirano azy fa toa arabe mikitoatoana feno lava-drano no fijery azy.

Tamin'ny fiandohan'ny taona vao difotra ny ankamaroan'ny tanimbary. Nisy kosa ireo efa tsy niasa ny tany intsony nefa sady efa nanaisotra ny lakandranony manamorona ny arabe no manakana ny ranon'orana avy eny an'arabe tsy hirodona mankao amin'ny tokony ho lakandrano tsy hita nanjavonana. Mazava loatra fa miteraka fahapotehan'ny lalan-tany izay iandronan'ny ranon'orana tsy mahita lalan-kivoahana izany toe-javatra izany. Ny tsy hay dia hoe hahatazon-drano ve ny tanimbary amin'ny fakana fasika sy tanimanga azy hanaovana biriky nandritra ny fotoana tsy nisian'ny orana? Ny tontolo iainana ve no potika sa mihatra tokoa ny fikorontanan'ny toetrandro? Ao anatin'ny Vatravatra araka ny anaram-bolana malagasy fahiny kosa anefa isika.

Nifandraika tamin'ny faran'ny taona ihany koa ny firoborobon'ny hala-botry, lasibatra ny voka-pambolena sy ny fiompiana. Lasa avokoa ny akoho mpanatody lava ny fianakaviana iray, io anefa no mba hany fivelomany ao anatin'ny maha-retirety azy. Lasa avokoa ny mangahazon'ny fianakaviana maro anaka iray tany an-tsaha. Lasa avokoa ihany koa ny vorontsilozan'ny ankohonana mpivarotra enta-madinika iray. Navelan'ny mpangalatra azy an-dalana ny môtô iray mihidy anaty tamboho avo dia avo sy vavahady mihidy soa aman-tsara, rehefa taitra tampoka ny tompony. Lasa nandritra ny fiandrasana ny taombaovao sy ny orambe ny tsatobin'ny kianja fanaovam-baolina teto an-tanàna.

Nirongatra ny halabotry fa tsy re intsony ny fanafihana mitam-basy taorian'ny fanafihana tsy nahomby tamin'ny herintaona (telovolana voalohany taona 2021?) satria tsy nampoizin'ny mpanafika ny valibontana nataon'ny tompontrano na dia nanao andiany aza ny mpanafika. Nahasahy namaly manko ny tompontrano na dia efa nampihorohoroana tamin'ny tsipoapoaka aza mialoha ny hamakiana ara-bakinteny ny fitaratra sy ny varavarana rehetra. Herintaona (telovolana farany taona 2020) talohan'ity fanafihana nolazaiko ity ny fanafihana ny mpivarotra iray hafa teto an-tanàna. Heverina fa iray na ekipa iray ihany ny mpanafika tamin'ireo fanafihana roa ireo. Tamin'ity fanafihana voalohany ity kosa indray dia nandraoka ny vola sy izay zavatra sarobidy tao an-trano ry zareo. Notadiavin-dry zareo haolana ny zanakavavin'ny tompontrano saingy afa-nitsoaka sy niafina. Tsy namaly ilay raim-pianakaviana na dia nahafantatra ihany aza fa toa tsy basy no napoakan'ireto mpanafika ireto fa tsipoapoaka ihany satria efa nanao miaramila izy. Ny lazan'ity fanafihana sy ny fahafantarana fa tsy basy tena izy ity no tany am-pelatanan'ny mpanafika angamba no nahasahian'ny notafihana faharoa namaly tamin'ny fotoana tsy nampoizina. Raha hanontany ianao hoe fa ahoana ny nataon'izy mivady, dia najanony ho tsiambaratelo izany. Fiainana tsy an-tanandehibe saingy tsy lavi-dalana kosa izany lazaiko izany.

Aucun commentaire: