4.1.22

Efa nanao vakisiny aho!

 Malaza dia malaza ny aretina amin'izao fotoana na an-tanandehibe na ambanivohitra tsy saro-dalana tahaka ny anay! Izay andehanana toa andrenesana olona marary avokoa. Misy ny mitondra karne dia manontany amin'ny mpivarotra raha misy fanafody "Magné B6" sy "Vitamine C". Tsy haiko hoe entina miady amin'ilay Covid-19 sy ny fiovaovany ve izany sa fampatanjahana ilay marary noho ny harerahana? Mihabetsaka ihany koa ny karazam-panafody tsy hita eny amin'ny fivarotam-panafody. Mifandimby marary ny ao amin'ny fianakaviana na ny ao amin'ny ankohonana. Dia samy manana ny filazany eo hoe Covid io na hoe gripa io na hoe harerahana noho ny fitadiavana io. Misy amin'ireo marary no mandamaka ela fa misy ny sitrana vetivety ihany.

Ny tenako ohatra, tsy hay na noho ny tena tratran'ny orana ny takarivan'ny 24 desambra 2021 teny ambony môtô ve sa ahoana fa navesatra sy te-hatory izany nandritra ny asabotsy 25 desambra 2021. Taloha kelin'io moa efa nikohakohaka ihany. Nihinana fanafody antibiotique, dia natory. Nazoto homana tsara anefa ary mahare tsironkanina sy fofona mihitsy. Nandalo niserana kely tany am-piangonana ny folakandron'ny 25 desambra hijery ny hira sy dihy ary tsianjerin'ny ankizy sy ny zanaka. Tsy naharitra satria mahatsiaro mbola tsy matanjaka. Voatery nandeha tany am-piangonana ihany ny alahady satria hanolotra ny tetibola sy tetiandron'ny fiangonana mandritra ny taona 2022. Tamin'izany rehetra izany aho tena tsy niala tampim-bava sy orona ary nihatakataka tamin'ny hafa mba tsy ho kasinga mamindra aretina raha sanatria misy izany tokoa. Toy ny tsy naninona intsony rehefa tonga ny alatsinainy.

Hatramin'ny nisian'ny aretina dia izaho hatrany no miantsena any Sabotsy, mifampisisika amin'ny mpiantsena hafa fa tsy miala tampim-bava sy orona araka ny efa nolazaiko teo aloha ihany. Tsy nandeha bus na taxi-brousse afa-tsy indray mandeha satria tsy nety velona ny môtô fitondrako. Izaho ihany koa no mpanatitra sy mpaka ny ankizy mpianatra amin'ny môtô na amin'ny fiara tsindraindray. Ato amin'ny kaominina misy anay ihany ny ankizy no mianatra.

Ho fiarovana ny tena sy ny fifampihosikosenana tsy fidiny amin'ny olona hafa dia nitady ny hanaovako vakisiny hatrany aho saingy tsy tao anatin'ny sokajin'olona laharam-pahamehana ampanaovana izany vakisiny izany. Tsy naharesy lahatra ahy mihitsy indray ny CVO tao anatin'izany fotoana rehetra izany. Tsy haiko hoe noho izy anaovan'ny mpitondra dokambarotra tafahoatra ve sa noho ny aretina hafahafa azon'ny zana-drahalahiko hatramin'ny nisotroany izany fa mitaraina ho maneno tsy mitsahatra ny sofiny ary mahatsiaro mijaly mihitsy izy amin'izany. Tsy mety mahafaka avokoa izay fanafody entina manala io maneno amin'ny sofina io. Vao maika nahatezitra ahy ny fandrenesana avy eo fa be ny vakisiny nariana fotsiny satria na be aza ny fanentanana dia be ny olona nosakanana tsy hanao azy satria "tsy sokajin'olona marefo" hono.

Fanentanam-bakisiny andro farany tamin'ny "Janssen" no nahavitanay vakisiny. Noho ny tsy fanarahana radio sy televiziona dia tsy mahalala ny andro farany fanaovana izany izahay fa izaho nanontany torohay tao amin'ny hopitaly tato amin'ny kaominina vao fantatro izany. Tonga dia vonona tsy misy alaharo satria mitady olona dimy isaky ny daozy ny CSBII. Nanaraka ny toromarika dia nahatsiaro afa-po na dia tsy nisy laharana aza ny EPI- tamin'ny karatra fahavitam-bakisiny. Tsy ny fananana karatra no zava-dehibe taminay fa ny fahavitany mihitsy. Efa manaiky izay ho vokany. Eto dia mirary fahasitranana ho an'ny marary rehetra na iza na iza na aiza na aiza. Tsy mba niteny na nanoratra fanoherana na fanohanana ny vakisiny tamin'ity Covid-19 ity aho tao amin'ny tambajotra sosialy raha ny fitadidiako fa navelako ho amin'ny safidin'ny tsirairay izany. Ny fantatro dia nanao vakisiny aho ary sitrapoko sy safidiko izany. Mbola hanao aho raha avy ny fotoana ilazana fa mila famerenana ny vakisiny Janssen" nataoko. Na vita vakisiny aza aho dia miezaka araka izay azoko atao mampihatra ny hetsika sakana rehetra tsy hiparitahan'ny aretina. Mankasitraka namaky hatramin'ny farany.


Aucun commentaire: