9.1.22

Aoka ny taranaka tsy hibaby ny trosan'ny teleferika! [fanangonan-tsonia]

 Tahatahaka izao ny lahatsoratra ao amin'ny fanangonan-tsonia Change.org [rohy] koa raha maharesy lahatra anao na mitovy hevitra amiko ianao dia miangavy ny hanasonia sy hampiely azy amin'ny namanao.

Mahazo tombon-dalana ny mpankasitraka ny fametrahana fitaterana an-tariby satria tsara petraka kokoa ny fandresen-dahatra fa nanilika ny tsy maintimolaliny avy hatrany kosa ny mpanainga ny fanoherana ny fametrahana andribe ao amin'ny faritry ny sekoly nianarany ao amin'ny semigany na "Saint-Michel". Tsy misy ny hafa mahasahy manohitra satria voapetaka avy hatrany ho tsy tia fandrosoana raha manohitra ny fametrahana ity fitaterana mihantona/an-tariby ity.

Raisiko ny lalana fahatelo ho an'ny manohitra ny fametrahana ity karazam-pitaterana ity sy ho an'ireo milaza hoe tsy mbola fotoanan'izany kosa ny eto Madagasikara. Tsy zakan'ny fahefa-mividin'ny sarambambem-bahoaka sady mety tsy hahazaka tena ihany koa ity karazam-pitaterana ity satria lafo dia lafo fikojakojana ankoatra ny halafon'ny fanamboarana azy. Tsy resy lahatra fa hahavaha olana fitohanam-boivoy ny tetikasa mipetraka amin'izao fotoana. Toa ny faritra misy ny mpanankarena ihany no tena sahaniny. Tsy misy idiran'ny avy amin'ny manodidina an'Antananarivo nefa ireny no tena mijaly amin'ny toham-boivoy.

Mampiahiahy fatratra ny mampihazakazaka ny mpitondra hanao ity tetikasa ity fa sao sanatria ny hampiditra vola ho an'ny am-paosin'olombitsy mahazo tombontsoa ihany no mahamaika. Efa hita ny nahazo ny Air Madagascar fa ny nampidirana ireo Airbus roa no lalana nahabankirompitra azy tanteraka ka sao sanatria ny fanaovana ity indray no hahabankirompitra tanteraka an'i Madagasikara sy ny hoaviny?

Fehiny, tsy fotoanany na tsy mifanandrify amin'ny filàna ara-pitaterana ao Antananarivo ity fitaterana an-tariby/mihantona ity fa ny famakiana lalana maro mivoaka sy miditra an'Antananarivo na/sy ny fanalalahana ny arabe sy ny fampisintahana ny fivangogoan'ny toeram-piasana sy fihariana ao an-drenivohitra no mila vahana ary indrindra indrindra, aoka tsy ny Malagasy iray manontolo manerana an'i Madagasikara no hampibabena trosa amin'ny haitraitran'Antananarivo. Koa raha mitovy hevitra amiko ianao dia soniavo ity fanangonan-tsonia ity ary aelezo sy ampahafantaro ny hafa. 

Fanamarihana: Colisée ny sary natao satria vita ny tetikasa fa tsy hita ny tohiny anaovana azy!

Aucun commentaire: