Tsy hitantara amin'ny antsipirihany ny tantaran'Andrianampoinimerina isika fa boky iray manontolo ihany koa izany. Izay mifanandrify amin'ny tantaran'Isahafa sy ny mponina nanorim-ponenana teo voalohany, ny Tahiamanangoana, ihany no andeha tena ifantohana.
Tsy maintsy misy ihany anefa ambangovangony, sy izay tsy voatantaran'ny boky hafa loatra, mila tantaraina hamantarantsika hoe aiza ho aiza ao anatin'ny tantara ankapobeny no lazaina amintsika io.
Ary Ranavalonandriambelomasina niteraka an-dRamboasalama Razaka izay halaza aty aoriana amin'ny anarana hoe Andrianampoinimerina. Andriana, printsin'Anjafy ao Ikaloy, manana anarana hoe Andriamiaramanjaka no rainy. Ramboasalama Razaka dia teraka tsinambolan'Alahamady taombaovao izay lazain'ny mpanandro ho vintana mamirapiratra tsy ananan'ny betsaka ary voaporofo tokoa fa marina izany raha ny tantaram-piainany no jerena. Mitovy vintana nahaterahana amin'ny mpanjaka Ralambo izy amin'io lafiny io.
Misy zava-mahavariana ihany ity anarana ity. Apetraka ho fitadidiana ho antsika, Ramboasalama dia mitovy faneno mba tsy ilazana hoe mifanakaiky feo amin'ny teny maley hoe lembu jatan izany hoe ombalahy na jaolahy (eng: bull) izany hoe omby tsy novosirina, ny Razaka kosa indray dia mifanakaiky amin'ny teny maley hoe Raja izay mety ho azontsika avy hatrany fa manondro ny mpanjaka satria misimisy ihany ny fiteny vahiny mampiasa azy io. Ary moa tsy malaza fa iantsoana an'Andrianampoinimerina taty aoriana ihany koa ny hoe Ombalahibemaso? Mitovy amin'izany ihany koa, ny anaran'ny mpanjaka Ralambo dia tsy tokony hampihevitra an-tsaina anao sarin-dambo fa sarin'omby.
Tanatin'ny azo lazaina hoe ady an-tranon'ny samy Merina ny vanim-potoana nahaterahan'ity zazalahy ity. Nifanafika mba hahazoana babo avarina ho andevo any an-tsiraka, fidirambola tamin'izany fotoana izany io varotra andevo io. Samy naka ny Sakalava ho mpikarama an'ady ireo mpanjaka Merina tamin'izany fotoana izany rehefa hamabo olona.
Eto dia izay tsy fandrentsika loatra no holazaina, entina izany hotsakotsakoina hamantarana izay tena marina. Raki-tsoratra ivelan'ny ofisialy manko izy ity.
Ny fihaonan-dRamboasalama tamin-dRamorabe reny mampanjaka izay ho mpanjakan'Ambohidratrimo faritra Marovatana sady reniben-dRamboasalama ihany koa, satria mpihavana ihany ireo andriana ireo na dia mifandrafy aza, no nampisy fientanentanana tokoa tao aminy. Nahazo tso-drano izy hoe manambìna amin'izay ataonao ary hitahy anao anie ny razantsika. Ianao no nampoin'Imerina, mahombiaza ary aza mamono ny marina. Avy eo izy nentina tamin'ny filanjan'ny mpanjaka.
Nitady izay ho mpiara-dia taminy izy hahamafy orina ny maha-andriana mpandova fanjakana azy. Tany Mandiavato izy no nahita namana ka nampanjaka azy tao Ambohibemasoandro. Tanàna 12 tafo izany. Tsy nivakian'Andrianjafinandriamanitra, mpanjakan'Ambohimanga sy Ilafy, loha izany satria faritra ivelan'ny fanjakany sady tsy notadiaviny ho azy.
Nandeha mangingina nihaona taminy ny taranaky ny mponina voalohany tao Ambohimanga nanomana ny fampanjakana an-dRamboasalama ary nanao ireo fombafomba ho amin'izany, lasa lavitra ny natao sady tsy mety intsony ny mihemotra ka tsy maintsy noraisina ny tehim-panjakana tao Ambohimanga na dia mbola velona aza Andrianjafy dadatoany. Efa nampanantena zavatra maro tamin'ny Mandiavato sy ny Tsimahafotsy rahateo koa izy ka efa nanao sorona ny ainy ireo vondron'olona ireo.
Fotoana nanatrehan'Andrianjafinandriamanitra famorana faobe (mbola notontosaina isaka ny fito taona tamin'izany fotoana izany ka fety lehibe tokoa) tany Ilafy no nametrahana ho Mpanjakan'Ambohimanga an-dRamboasalama. fotoana nosafidiana manokana mihitsy io nanakarana azy ho mpanjaka io.
Ilafy sisa izany no voatazon'Andrianjafy. Nifandrafy Ilafy sy Ambohimanga fa indroa resy Ilafy rehefa nifamotoana hiady ny roa tonta. Avy eo nivadihan'ny Tsiamiamboholahy avy ao Ilafy Andrianjafy ka voatery nandositra nialokaloka ho any amin'Andriamboatsimarofy mpanjakan'Antananarivo. Taty aoriana, noho ny faniriana hiverina amin'ny fanjakany, mbola nofitahan'ny Zanamanarefo avy ao Ambohitrarahaba ihany Andrianjaka ary maty mihitsy noho izany. Mpanjakan'Avaradrano Ramboasalama nanomboka teo.

Telo sisa ny mpanjaka teto Imerina: Ramanandrianjaka ao Ambohidratrimo, mpanjakan'ny Marovatana sy Antehiroka, Andrianamboatsimarofy manjaka amin'Imerinatsimo manana an'Antananarivo ho renivohitra ary Ramboasalama-Andrianampoinimerina manjaka amin'Avaradrano.
Commentaires