27.7.20

Andrianampoinimerina nanafika ireo renivohitra lehibe teto Imerina

Karazana fintin-tantara kely, nisy soratra (tsy merina) nilaza fa tany Ambohibemasoandro any Mandiavato no nanandratra ny tenany ho mpanjaka Ramboasalama Razaka. Vohitra 12 tafo tamin'izany fotoana izany io nanjakany io. Any akaikin'Ambohitrolomahitsy any izany raha ny toerana misy azy amin'izao fotoana anoratana izao. Avy amin'io no mahatonga ny fisian'ny Mandiavato manana anjara tany, na valisoa hafa miaraka amin'ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy, hatrany rehefa misy toerana vaovao azo.

Nandroba-pahefana Ramboasalama Razaka tao Ambohimanga niaraka tamin'ireo 12 lahy lehibe amin'io tanàna io. Efa talohan'ny taona, na nandritra ny taona, 1785 nandalovan'i Nicolas Mayeur teto Imerina (Antananarivo) no nahazoan-dRamboasalama Razaka ny fanjakana tao Ambohimanga, nefa mbola nitondra teo Ilafy kosa Andrianjafinandriamanitra.

Rehefa voatosika tanteraka Andrianjafy, ary maty mihitsy fotoana vitsivitsy taty aoriana, dia nifandamina ny fanjakana merina lehibe telo tavela. Naharitra fito taona izany araka ny lovantsofina sasantsasany.

Vita izay dia nanomboka ady tamin'Antananarivo ny Avaradrano. Indroa azo ny renivohitra saingy votsotra hatrany. Nandamina tsara Ramboasalama Razaka tamin'ny fanintelony fa efa saiky tsy azo ihany (tombanana ho taona 1794-1796 ny taona nahazoana fanintelony an'Antananarivo ity). Noroahiny avokoa, nasainy nitondra ny maty sy ny velona tao aminy ireo mponina tao Antananarivo rehefa resiny. Nifampizarana tamin'ny Tsimahafotsy, Tsimiamboholahy, Mandiavato ary ireo laharan'Andriana ny tanànan'Antananarivo avy eo. Antananarivo sy ny atao hoe Imerinatsimo no azon'Avaradrano eto fa mbola fanjakana mahaleotena na somary kelikely kokoa aza Alasora sy ny miara-dia aminy ao Vakinisisaony tsy voafehin'Andriamboatsimarofy nandritra ny fotoana nitondrany.

Nitodika tany amin'ny Marovatana manana an'Ambohidratrimo ho renivohitra indray ny fitaovam-piadiana sy ny tetikady avy eo. Samy nanakarama Sakalava ho mpiady ny roa tonta, tsy hoe Ambohimanga ihany no manafika an'Ambohidratrimo fa manafika any Ambohimanga ihany koa Ambohidratrimo. Noesorin' Andrianampoinimerina ihany ireo Sakalava ireo avy eo, nomena omby sy ny fanomezana hafa maro, rehefa tonga saina izy.

Sarotra tokoa ny ady ary nisy fotoana aza voatifitry ny Antehiroka iray ka naratra ny mpanjaka. Nahatezitra ny mpanjaka tokoa io toe-javatra iray io ka tsy namelany raha tsy nalevim-belona ilay nitifitra naharatra azy taty aoriana. Samy niamboho avokoa Ramanandrianjaka sy Rabehety (nandray ny anarana Andriatomponimerinamandimby rehefa nandray ny fahefana) nanjaka tao Ambohidratrimo vao azon'Andrianamponimerina ny tanàna. Mbola matanjaka tsy azon'Andrianampoinimerina anefa ny faritra andrefan'i Vonizongo izay miaraka amin'i Marovatana.

Karazana fehiny kely, ny renivohitra sy ny mpanjaka ao aminy no tena lasibatra, fa tsy midika velively izany fa voafehy manontolo ny faritra babo. Mbola tantara hafa noho izany ny fahazoana an'ny Vakinisisaony sy Vonizongo andrefana. Ny iray amin'ireo ihany anefa no mety hotantaraina manaraka fa ho hita eo ihany ny ambiny.

Aucun commentaire: