30.7.20

Ny nonenan'ny razambe voalohany teto Madagasikara (fizarana voalohany)

(Namboarina avy amin'ny lahatsoratra iray teny anglisy nivoaka tamin'ny 21 marsa 2012)

Ny nahatongavan'ny olombelona teto Madagasikara no iray amin'izay tsy mahazatra indrindra, na sarotra takatra indrindra, tamin'ny vanim-potoana talohan'ny tantara voampita (prehistory). Iray amin'ny baingan-tany tongan'ny olombelona farany indrindra i Madagasikara na dia akaiky atsinanan'i Afrika aza. Raha voaporofon'ny fototarazo (genetics) sy ny fiteny ary ny kolontsaina fa samy tonga teto ny Afrikana sy ny Indoneziana, dia bitika dia bitika kosa no fantatra amin'izany fahatongavan'ny olona teto izany.

Fomba fanombanana siantifika iray [avy amin'ny fijerena fototarazo] no mametraka fa vehivavy miisa telopolo (30) tany ho any (raha be indrindra), Indoneziana ny ankamaroany (~93%) no nandrafitra voalohany ny mponina teto Madagasikara 1170 taona lasa teo ho eo izay [izany hoe tamin'ny taona 842 AD tany ho any].

Noho ny tsy fisian'ny fandraketana an-tsoratra, dia amin'ny alalan'ny porofo ankolaka no niezahana nandrafetana indray ny tantaran'i Madagasikara.
Na dia voafariparitra anaty lahatahiry amin'ny antsipirihany aza manko ireo faritra hafa eto amin'ny Ranomasimbe Indiana hatramin'ny vanimpotoana Romana. Dia tsy nisy nanonona mihitsy kosa i Madagasikara sy ny mponina ao aminy raha tsy ilay Jeografy Arabo al-Idrīsī tamin'ny taona 1165 AD.

Miainga avy amin'ny fitenim-paritra Aostrôneziana ao Indonezia avokoa ny fitenin'ny malagasy rehetra amin'izao fotoana izao. Matetika dia tondroina ho ilay pretra zezoita Luis Mariano no nanamarika izany tamin'ny taona 1614, nefa efa nomarihan'i  al-Idrīs tamin'ny taonjato faha-12 ihany izany. Manana loharano avy amin'ny Ma'anyan, fiteny manavatsava ny reniranon'i Barito any atsimo atsinanan'i Kalimantan (Bornéo) ny ankamaroan'ny voambolana. Saingy olona malaza ho tsy manana tantara hoe zatra ranomasina ny Dayak manana fiteny Ma'anyan sady zatra kokoa miaina anivontany (anaty ala).

Misy indra-teny sanskrit nosintonina avy amin'ny fiteny Java na Malay ny teny malagasy, sy voambolana avy amin'ny fiteny hafa manerana ny tangoronosy indoneziana toa an'i Sulawesi, mahatonga ny eritreritra fa voanjo avy amin'ny Ampira Srivijaia (taonjato faha-6 ka hatramin'ny faha-13) no nanori-ponenana voalohany teto Madagasikara.

Ny porofo ara-kolontsaina kosa dia hita amin'ny teknikan'ny fampiasana vy, fanamboaran-tsambo na lakana, ny zavamaneno toy ny valiha ary ny fambolena vary, akondro, saonjo sy vomanga (ovimanga) - ireo no milaza fa efa nisy ny fifandraisana akaiky tamin'i Azia Atsimo atsinanana farafahakeliny 800 taona izao.

2 commentaires:

Anonyme a dit…

Marihana fa tsy mitovy intsony ny Malag rafitra ny fehezan-teny Ma'anyan sy Malagasy. Isika mantsy hatramin'izao mbola nitazona ny rafi-pehezateny fampiasan any Asia atsinanana fahagola fa ny Ma'anyan koa niova ka mampiasa ny refitra nentin'ny Malesiana.

jentilisa a dit…

Ny novakiako ihany koa dia ny an'ny Sulawesi sy ny sasany ao Filipina no mitovy fitsipi-pitenenana kokoa amin'ny antsika, tsy haiko ihany koa izay mety ho fiovan'izay taty aoriana. Raha ny lantom-peo dia mitovy amin'ny Ma'anyan.