Ekeko ny hitia, Jesoa ô, ekeko ny hitia
Fa izany no nahaterahanao tety
Ka ekeko ny hitia
Novesara-pahoriana
Toa very sy nariana
Tsy mampaninona ahy
Tsy hisy ny ahiana
Satria ny lehibe indrindra dia ny namangianao ahy
Eny, ekeko ny hitia
Ekeko ny hitia, Jesoa ô, ekeko ny hitia
Fa izany no fampianaranao tety
Ka ekeko ny hitia
Na iza hanabanty
no sady hanaratsy
Tsy mampaninona ahy
ny teny tsy ho tanty
Satria ny lehibe indrindra dia ny nampiononanao ahy
Eny, ekeko ny hitia
Ekeko ny hitia, Jesoa ô, ekeko ny hitia
Fa izany no niaretanao tety
Ka ekeko ny hitia
Na dia arahina akora
sy anaova-tsipy rora
Tsy mampaninona ahy
fa zakaiko moramora
Satria ny lehibe indrindra dia ny nitiavanao ahy
Eny, ekeko ny hitia
Ekeko ny hitia, Jesoa ô, ekeko ny hitia
Fa izany no namonoana Anao tety
Ka ekeko ny hitia
Na ho tra-panesoana
sy ihara-pamaboana
Tsy mampaninona ahy
sy entiko handrosoana
Satria ny lehibe indrindra dia ny nanavotanao ahy
Eny, ekeko ny hitia
Ekeko ny hitia, Jesoa ô, ekeko ny hitia
Fa izany no nitsangananao tety
Ka ekeko ny hitia
Raha nitolona irery
na hoe koa voateritery
Tsy mampaninona ahy
Noho ny sandrinao mahery
Satria ny lehibe indrindra dia ny fanafahana am-panahy
Eny, ekeko ny hitia
Jentilisa
talata 26 marsa 1996
-71-
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire